Toko Faha 18

1 Ho Yaveh tamin'i Arona:''Ianao,reo zanakao, dra reo fokon-drazanao dra ho tampon'andraikisy amin'ereo fahota aby vita taminigny fitoera masina. Fa ianao vo reo zanakao raiky avo gny ho tompon'andraikisy amin'ereo fahota aby nataonigny olo tao amy fisorogna. 2 Tahaky gny amin'ereo mpiara-mikamba aminao amy fokony Levy, reo fokon-drazanao, dra ao ho andesinao miaraky aminao izy reo ba hahazon'ereo magnato anao vo magnampy anao raha manompo eo anolony lainy lalanigny fanekena ianao vo reo zanakao. 3 Ao hanompo anao vo gny lay manotolo izy reo.Kanefa, ao izy reo sy hagneky reo raha ao amy fitoera masina na mifandray amy laitara, fa ho maty izy reo vo ianao koa > 4 Ao hamozy anao izy reo dra hikarakara gny tragno-lay fihaona, ho agny asa aby mifandray amy lay. Ao sy hagnatano mariny eo reo vahiny. 5 Ao ianao handray andraikisy ho agny fitoera masina dra ho agny alitara ba sy hiaviany fahoriako eo amin'ereo zanak'Israely draiky. 6 Indro, Zaho mihisy gny fa nisafily reo Levita mpiara-mikamba aminao avy amin'ereo tarank'Israely. Fagnomeza ho anao izy reo, fa nomena anahy ba hanao gny asa mifandraiky amy tragno-lay fihaona. 7 Fa ianao vo reo zanakao gny mety hanao gny fisora momba gny raha aby agnatinigny lamba. Iandrareo av gny aoa hameno reo andraikisy reo. Homeho anao ho fagnomeza gny fisorona. Zay vahiny magnatokatoka dra ao ho vono.'' 8 Dra ho Yaveh taminigny Arona:''Indro, fa nameko anao gny adidy fikirakira re fagnatisy asandrasy aminahy, vo reo fagnatisy masina ze omeny gny zanak'Israely anahy. Fa nomeko anao vo reo zakanao ho azaranao reo fnagnatisy reo. 9 Tahaky gny tena raha masina, voaaro amy afo:Avy amin'ereo fagnatisin'ereo aby-gny fagnatisy hohany aby, gny fagnatisy boho ota aby , dra gny fagnatisy noho gny siaky iaby-tena masina ho anao vo ho an'ereo zanakao reo. 10 Tena masina vatany reo fagnatisy reo;ao hihina anizay gny lelahy aby, fa masina ho anao reo. 11 Tahoky aby gny fagnatisy ze ho anao:reo fagnomezan'ereo, reo fagnatisy ahevahevany gny zanak'Israely aby. Fa nomeko anao izy reo, reo zanakao lahy, vo reo zanakapelanao, ho azaranao. Gny raha aby ze malio amy fombafomba ao amy ankohonanao dra mahazo mihina amin'ereo fagnatisy reo. 12 Gny soa indrindra amy menaky , gny soa indrindra amy divay vaovao vo gny vary, gny voalom-bokasy omeny olo anahy-reo raha aby dra fa nomeko anao. 13 Reo vokasy aby ze matoy voalohany zay eo amy taninereo, dra ze nandesin'ereo atiho aminahy ao amy ankohona dra mahazo mihina ereo raha reo. 14 Gny raha aby voatoka ao Israely dra ho lasanao aby. 15 Gny raha aby ze manokasy gny vohoka, gny voalohan-teraka any ze atolosy gny olo an'i Yaveh, gny olo vo gny biby mitambasy , dra ho lasanao avo koa. Na dra zay aza, ao gny olo hivily gny zanadahiny voalohan-teraky aby draiky, dra ao izy reo hivily draiky gny lahy volohan-terak'ereo biby maloto. 16 Reo ze voaviliny gny olo draiky dra ao hagnery hivily tafara draiky. Laha teo afaky mivily anazy reo draiky gny olo, amy viliny sekely dimy, araky gny karaza-dazany sekely fotoera masina, ze mitovy amy zeraha ropolo. 17 Fa gny volohan-teraky gny agn'omby vavy, na gny volohan-teraky gny agn'ondry, na gny volohan-teraky gny osy-ao sy haverinao ho viliana reo biby reo ;fa voatoaka ho anahy raiky. Ao hamafy gny liony eo amy alitara ianao dra handoro gny jaboran'ereo ho fagnatisy natao taminigny afo, hagnisy ankasitrahan'i Yaveh. 18 Gny henan'ereo dra ho anao.Tahaky gny tratra vi gny fe ankavana nasandrasy, dra ho anao gny henan'ereo. 19 Gny fagnatisy masy aby ze atolosy gny olo amin'i Yaveh, dra fa nomeko anao, vo reo zanadahinao dra reo zanakapenao miaraky aminao, ho zara mitohitohy. Fanekena maharisy mandrakizay amy sira zay, faneke mamehy mandrakizay , eo anatrehan'i Yaveh ho anao vo reo taranakao miaraky aminao. '' 20 Ho Yaveh tamin'i Arona:''Sy hana lova ao amy taniny fagnana eo aminigny vahoaky. Zaho gny azaranao vo lovanao eo amy vahoakan'Israely. 21 Ho agny tarak'i Levy, indro, fa nagnome reo ampahafolon-karena aby ao Israely ho lovan'ereo ho valiny fiasa ao amy tragno-lay fihaona zaho. 22 Manomboly zao dra ao gny vahoakan'Israely sy ho aby mariny gny tragno-lay fihaina, fa ho tompon'andrikisy amy fahota zay izy reo dra ho maty. 23 Ao reo Levita hanao gny asa mifandray aminigny tragno-lay fihaona. Ho tompon'andraikisy amy fahota magnodidy anizay izy reo.Ho lala mahisy manerana reo taranaky gny vahoakanao zay. Ao sy hanan-dova eo amin'ereo zanak'Israely izy reo. 24 Satria gny ampahafolo-kareny vahoakan'Israelym ze natolon'ereo ho gny fandraisa azara atio aminahy- reo gny fa nomeko an'ereo Levita ho lovan'ereo. Zay gny nizakao tamin'ereo ho:'Ao sy hana lova eo amin'ereo zanak'Israely izy reo.''' 25 Yaveh niresaky tamin'i Mosesy dra nanao ho:'' 26 Ao ianao hiresaky amin'ereo Levita dra hizaka amin'ereo ho:'Raha mandray gny ampahafolo ze avy amy zanak'Israely ze fa nomeko anao aby amin'ereo ho lovanao ianao, dra haneho fandraisa azara avy aminizay ho an'i Yaveh, ampahafolony amy fahafolon-karena. 27 Gny fandraisanao azara dra ao ho rambesinao tahaky gny ho ampahafolonigny famokara avy amy famiazam-boaloboky zay. 28 Koa ao avo koa ianao hanao fandraisa azara amin'i Yaveh avy amy ampahafolon-karena ze rambesinao avy amy vahoakan'Israely. Fa avy amin'ere gny sy maisy hagnomezanao gny agnarany ho an'i Arona mpisoro. 29 Akoasy gny fagnomeza aby rambesinao, ao hanao fandraisa azara amin'i Yaveh iianao. Ao hanao anizay ianao avy aminigny raha soa vo amsina indrindra aby ze fa nomena anao.' 30 Noho zay dra ao ianao hizaka amin'ereo ho:''Raha manolosy gny soa indrindra aminizay ndraraeo,dra ao hisasay ho an'ereo Levita h tahaky vokasy avy aminigny fikoroha vo gny famiazam-boaloboky zay. 31 Dra mahazo mihina gny ambiny fagnomezandrareo amy toera aby ndrareo, ndrareo vo gny ankohonandrareo, satria zay gny karamamndrareo ho tambinigny asandrareo tao amy tragno-lay fihaina. 32 Sy ho hory amizay siaky zay ndrareo, raha sy fa nampiseho tamin'i Yaveh gny soa indrindra aby aminizay fa nirambesindrareo. Fa ao ndrareo sy hagnarasy reo fagnatisy masy gny vahoakan'Israely, raha sy zay dra ho maty ndrareo.''