Toko faha 23

1 Nisanga gny olo aby tamin'ereo, dra ninday an'i Jesosy teo agnoloan'i Pilato. 2 Nanomboky niampanga Anazy izy reo, nizaka ho:''Hitanay itiho lelahy itiho nametaveta gny firenenay, nandrara gny hagnomeza gny hetra ho an'i Kaisara, dra nizaka fa Izy vatany mihisy gny Kristy, Pazaka.'' 3 Pilato nagnontany Anazy, nizaka ho:''Anao se gny pazakan'gny Jiosy?''Jesosy namaly anazy dra nizaka ho:''Voalazanao.'' 4 Pilato nizaka tamin'ereo lohan'gny mpisoro vo gny vahoaky ho:''Sy mahita fahadisoa amin'itiho lelahy itiho zaho.'' 5 Fa bo nihizingizy ereo, nizaka ho:''Magnakorota gny vahoaky io, mampianasy eran'gny Jodia manotolo, manomboky laha tagny Galilia dre hatratiho amin'itiho toera itiho avo.'' 6 Koa gny fa ren'i Pilato zay, dra nangnontany izy raha toa ka Galiliana gny lelahy. 7 Gny fa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Izy, dra nalefany Jesosy nagnagny amin'i Heroda, ze tagny Jerosalema avo koa tamin'izay andro zay. 8 Gny fa hitan'i Heroda Jesosy , dra tena ravoravo izy, satria fa te-hahita Anazy hatry gny ela. Nahare gny momba Anazy izy dra nanatena gny hahita fahagagana maro nataony. 9 Heroda nametra-pagnontania an'i Jesosy tamy zaka maro, saiky Jesosy sy namaly dre ino dre ino anazy. 10 Reo lohan'gny mpisoro vo reo mpanora-dalana nisanga, niampanga fatrasy Anazy. 11 Heroda vo reo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnesoeso Anazy. Bak'eo dra nampiakazo Anazy lamba soa tarehy ereo dra nalefan'ereo nihery tagny amin'i Pilato Izy. 12 Fa i Heroda vo Pilato dra lasa mpinama tamin'gny androtr'io ( talohan'izay dra mpifahavalo ereo). 13 Bak'eo Pilato nitoka gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanapaka dra reo vahoaky maro niaraky , 14 vdra nizaka tamin'ereo ho:''Nandesindrareo teto aminahy itiho lelahy itiho tahaky gny lelahy ze mitariky gny olo hanao rasy, dra hatio, zaho, raha nametra-pagnontania taminazy teo agnoloandrareo, dra sy mahita fahadisoa amin'itiho lelahy mahakasiky gny raha ze hiampangandrareo Anazy. 15 Aha, dre dra Heroda aza, satria nalefany nihery tatiho amisika Izy, dra hatio, sy misy dre ino dre ino ze mendriky fahafatesa vitany. 16 Noho zay dra ho faiziko Izy, dra ho hatahosy Izy.'' 17 [ Fagnamariha : Reo fandika soa indrindra dra sy magnisy gny and 17 ho:Dra Pilato dra voatery namotosy gadra raiky ho an'ereo Jiosy tamin'gny andro firavoravoa.] 18 Fa niara-nihiaky fatrasy ereo, nanao ho:''Andeso agny io lelahy io,dra avosory ho anay Barabasy!'' 19 Barabasy dra lelahy raiky zay nailisy am-poza nohon'gny fikomia maro tao an-tana vo famonoa olo. 20 Dra nizaka tamin'ereo draiky Pilato, nagniry gny hamotosy an'i Jesosy. 21 Saiky nitabataba fatrasy ereo, nizaka ho:''Homboy Izy, Homboy Izy.'' 22 Nizaka tamin'ereo fagnitelo izy ho:''Nanao akory, fa ino gny rasy vitan'itiho lelahy itiho? Sy nahita dre ino dre ino ze mendriky sazy famonoa tao aminazy zaho. Noho zay gny fa baka manafay Anazy, dra hamotosy Anazy zaho.'' 23 Fa izy reo nagnizingizy tamigny feo avo, nangataky anazy ba homboana. Gny feon'izy reo dra nandresy lahasy an'i Pilato. 24 Dra nanapa-kevisy gny hagneky gny fangatahan'izy reo pilato. 25 Navotony gny raiky nangatahin'ereo izay nalefa tagny apoza nohon'ny fikomiana vo famonoa olo. fa natolony ho amigny sitrapon'izy reo Jesosy. 26 Dra teo am-pandesa anazy izy reo, dra nitana an'i Simona avy agny Syrenia, izay avy agny ambanivohisy, dra natobin'izy reo teo aminazy gny hazofizalia ba handesy an'i Jessosy. 27 Maro tamin'ireo vahoaky, vo reo vehivavy izay nalahelo fatrasy vo nisaona anazy, gny nagnoriky anazy. 28 Fa gny nitoliky tagny amin'izy reo, dra nizaka Jesosy ho:'' ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomagny anahy, fa mitomagnia ho an'ny tagnandrareo vo ho an'ireo zanakindrareo. 29 Fa ingo, ho avy gny andro izay hizakan'izy reo ho:'' sambasy ireo momba vo ireo kibo izay sy niteraky, dra gny nono izay sy nampinono zaza. 30 Dra hanomboky hizaka amin'ireo tendrombohisy izy reo ho:'' miazera aminay, dra amigny havoana ho:'' manarona anay.'' 31 Fa gny bo meso gny hazo, ino gny hitranga gny maiky izay?''' 32 Nisy lelahy hafa,olon-drasy rolahy, nandesy taminazy ba ho vono. 33 Gny avy teo amigny toera raiky izay tokavy ho:'' Ikarandoha'' izy reo dra teo gny nanomboan'izy reo anazy, vo reo olon-drasy- gny raiky teo amigny akavanany dra gny raiky teo amigny akaviany. 34 Jesosy nizaka ho:''ray o, mamela anazy reo, fa sy tatan'ereo izay hataony.'' avy eo dra niloka izy reo, nizarazara reo fitafiany. 35 Dra nizoro teo olo gny bo nagnanihagny anazy koa reo panapaky, nizaka ho:'' namozy ireo hafa izy. angao izy hamozy gny vatany, gny izy gny kristin'iZagnahary, gny raiky voafily.'' 36 Ireo maramila avo koa dra nangala baraka anazy, nagnotany anazy, nagnome anazy vinaingisy, 37 Dra nizaka ho:''gny hanao gny pazakan'ny Jiosy, vezeo gny vatanao.'' 38 Nisy famatara avo koa teo agnabony ho:'' izy gny pazakan'i Jiosy.'' 39 Gny raiky tamin'ereo olon-drasy izay nihato teo gny namingavinga anazy tamigny nizakany ho:'' sy hanao se gny Krisy? vezeo gny vatanao vo zahay.'' 40 Fa gny raiky nizaka fatrasy anazy, nanao ho:'' sy ba matahosy an'i Zagnahary se hanao, gny samy ambanin'ny fanamelohana mitovy avo? 41 Isika dra eto ara-drariny tokoa, satria mandray izay mendrika gny asasika. Fa izy lelahy sy nanao raha rasy.'' 42 Avy eo nizaka ho:'' Jesosy o, sarovy zaho gny fa avy agny amigny fazakanao hanao.'' 43 Jesosy nizaka taminazy ho:'' zakako marina aminao, fa amizao hanao dra hindray aminahy agny aparadisa 44 Dra ora faha-enina teo ho eo tamin'izay, dra gny mezy avy nandrokosy gny tany aby hatramigny ora faha-sivy 45 Gny niha mezy gny hazavan'ny masoandro. Avy eo gny lamban'ny telopolo dra nizara avy teo agnevony. 46 Nihiaky tamigny fo fatrasy, Jesosy nizaka ho:'' Ray o, eo an-tagnanao gny ametrahako gny fagnahiko.'' Gny fa avy nizaka izay izy, dra maty . 47 Gny hitany kapiteny gny raha nitranga, dra nagnome vonihahisy an'i Zagnahary izy, nizaka ho:'' azo atoky tokoa fa olo-marina ity lelahy ity.''' 48 Gny fa hitan'ireo vahoaky aby izay nindrai-niavy ho vavolombelo nagna-trimaso ireo raha nitranga ireo, dra nihery niteha-tratra izy reo. 49 Fa ereo aby izay nahafatasy anazy, vo ireo vehivavy izay nagnoriky anazy avy agny Galilia, dra nisanga lavidavisy egny nagnety izay raha izay. 50 Dra ingo, nisy lelahy raiky tokavy ho Jpsefa, izay pikamba tao amigny Synedriona. Olo soa sady marina izy. 51 Io lelahy io dra sy nagneky gny fanapaha-kevisy gny Synedriona vo gny asan'izy reo. Avy agny amigny tananan'ny Jodiana tagny Armatia izy, dra nikasaky gny fazakan'iZagnahary. 52 Io lelahy io, gny nagnato an'i Pilato, dra nangataky gny vatan'i Jesosy. 53 Nalany nizoso izay, nirakofany hariry masaisaiky, dra natobiny tao agnaty lolo raiky izay nivaky tamigny vatolapy, izay sy bo nisy nalevy ndraiky. 54 Andron'ny fiomana tamin'izay, dra bo nazava rasy gny sabata. 55 Reo vehivavy, zay nindray tamin'i Jesosy niala tao galilia, dra nagnaraky avy ao afara dra nahita gny lolo vo gny fomba nametraha gny fatiny. 56 Nehery izy reo, dra nagnoma raha-magnisy vo menaky magnisy. Dra tamigny sabata dra nisahasy izy reo araky gny didy.