Toko faha 22

1 Dra fa antomosy gny Firavoravoa amy Mofo sy misy masirasira, zay tokavy ho Pasaky. 2 Nialy hevisy gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanora-dala gny amy fomba afahan'ereo mamono an'i Jesosy, satria natahosy gny olo ereo. 3 Bak'eo Satana nilisy tamin'i Jodasy Iskariota, ze raiky tamin'ereo ro ambini'gny folo. 4 Jodasy nandeha nagnagny amin'ereo lohan'gnyb mpisoro vo gny kapiteny dra nialy hevisy tamin'ereo gny amy fomba hamalihany an'i Jesosy eo amin'ereo . 5 Faly ereo,dra nagneky hagnome vola anazy. 6 Nagneky izy,dra nitalia kendry tohana ba hanolorany Anazy eo amin'ereo lavisy gny vahoaky. 7 Avy gny andron'gny mofo sy misy masirasira , zay sy maisy hanova soro gny zanakagn'ondry gny Pasaky. 8 Jesosy nagniraky an'i Petera vo Jaona, nanao ho:''Mandehana dra homano ho asika gny sakafon'gny Pasaky, ba afahasika mihina anizay.'' 9 Izy reo nagnontany Anazy ho:''' Eza gny tianao hanovanay gny fagnomana?'' 10 Namaly anazy reo gny Ho:''Tenoy, gny fa midily gny tana andrareo, dra hisy lelahy raiky minday sinin-drano hifane amindrareo. Magnaraha anazy agny amin'izay tragno ilirany. 11 Dra zakao gny topo-tragno ho:''Gny Pampianasy mizaka aminao ho:''Eza gny efi-tragno fandrambesa-bahiny, ze hihinanako gny sakafon'gny Pasaky miaraky amin'ereo mpianasiko?''' 12 Izy hampiseho andrareo efitragno agn'abo rihana lahibe misy fanaky. Atovy ao gny fagnomana.'' 13 Koa dra handeha ereo, dra nahita gny raha aby araky ze nizakany tamin'ereo . Dra nagnoma gny sakafon'gny Pasaka ereo. 14 Gny fa avy gny fotoa, dra nipetraky niaraky tamin'ereo apostoly Izy. 15 Dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''Nagniry fatrasy gny hihina itiho Pasaka itiho miaraky amindrareo Zaho mialohan'gny Hizaliako. 16 Fa zakako amindrareo, sy hihina anitiho sasy Zaho, mandra-pahatateraky anizay agny amy fazakan'Agnahary.'' 17 Dra nandray Kapoaky Jesosy , dra gny fa nisaotra Izy, dra nanao ho:''Rambeso itiho, dra zarao amindrareo. 18 Fa zakako amindrareo, sy hino gny vokany gny voloboky sasy Zaho, mandra-pahavian'gny fazakan'Agnahary.'' 19 Dra nandray gny mofo Izy, dra gny fa nisaotra, dra nitapahiny zay, dra nomeny anazy reo, dra nizaka ho:''Itiho gny vatako zay omeko andrareo. Atovy zao ho fahasiarova Anahy.'' 20 Nirambesiny tahaky anizay koa gny kapoaky gny fa vita gny sakafo, dra hoy izy ho:''Itiho kapoaky itiho dra gny faneke vaovao amy lioko, ze nalasako ho andrareo. 21 Fa mitandrema. Gny raiky ze hamaliky Anahy dra miaraky Aminahy eto an-databasy. 22 Fa gny Zanak'olo dra mandeha tokoa araky ze voatendry. Fa loza ho an'izay lelahy ze hamaliky Anazy zay!'' 23 Nanomboky nifapagnontany ereo gny amin'gny raiky amin'ereo zay mety hanao anizay. 24 Dra nisy fifandira nisy koa teo amin'ereo momba ze hevery ho lahibe indrindra amin'ereo. 25 Nizaka tamin'ereo Izy ho:''Reo Pazaka gny zetilisa dra topon'ereo, dra reo ze mana fahefa amin'ereo dra atao hanahaky gny ze manao soa ho an'gny vahoakiny. 26 Fa sy manahaky anizay mihisy gny amindrareo. Mifanohisy amin'izay, ao ze farany lahibe amindrareo ho lasa manahaky gny masaiky be,dra ao ze mana-daza indrindra ho avy tahaky ze manompo. 27 Fa iza gny lahibe koa, ze mipetraky amy latabasy, sa ze manompo? Sy zay mipetraky eo amin'gny latabasy se? Kanefa Izaho eto amindrareo manahaky gny raiky manompo. 28 Fa andrareo gny olo ze nanohy niaraky taminahy tao amin'gny fakam-pagnahy nisy taminahy. 29 Omeko fazaka andrareo, manahaky gny Rako koa zay nagnome fakaza ho Anahy, 30 ba ho afaky hihina vo hino eo an-databasiko agny amin'gny fazakako andrareo, dra hipetraky eo amy seza fiandriana hisara gny fokon'Israely rô ambin'gny folo andrareo. 31 Simona, Simona, mitandrema , mitalia gny hahazo andrareo Satana, ba afahany manivana andrareo manahaky gny vary. 32 Fa nivavaky ho anao Zaho, ba sy ho maty gny finoanao. Tafaran'gny hiharegnanao draiky, dra ampaherezo gny rahalahinao.'' 33 Petera nizaka taminazy hô:''Topo, vonona hiaraky Aminao zaho dre agny ampoza dre ho agny amin'gny fahafatesa.'' 34 Jesosy namaly hõ:''Zakako aminao, ry Petera, sy hagneno gny akoho amin'izay andro zay, mialohan'gny handavanao Anahy ontelo hô mahafatasy Anahy anao. 35 Dra nizaka tamin'ereo Jesosy ho:''Gny fa nandeha andrareo sy niaraky tamin'gny fipetraram-bola, kitapom-basy , dre kiraro Zaho, nisy raha sy apy andrareo se?''Namaly ereo ho:''Sy nisy.'' 36 Dra nizaka tamin'ereo Izy ho:''Fa zao ze mana fipetraram-bola, ao izy hangalaky anizay, dre kitapom-basy avo koa. Zay sy mana sabasy dra tokony hivarosy gny lambany dra hivily raiky. 37 Fa Izaho mizaka amindrareo , ze voasorasy momba Anahy dra sy maisy tateraky :''Izy dra nirambesy manahaky gny raiky amin'ereo sy manara-dala.'Fa ze nizakany mialoha momba anahy dra fa ho tateraky '' 38 Dra nizaka ereo hô:''Topo., hatio! Tahôky misy lefo rô.'' Izy nizaka tamin'ereo hô :''Apy zay.'' 39 Tafaran'gny sakafo , dra nandeha Jesosy, manahaky gny fataony matetiky, tagny an-dohambohisin'Oliva, dra nagnaraky Anazy gny mpianasy . 40 Gny fa avy ereo, dra ho Izy tamin'ereo:''Mivavaha ba sy hilirandrareo amy fakam-pagnahy.'' 41 Niala teo amin'ereo teo ho eo amy ndraiky mitora-bato Izy, dra nandohaliky Izy dra nivavaky, 42 nanao ho:''Ray o, raha sitrakao, dra alao aminahy itiho kapoaky itiho. Dre zay avo sy gny sitrako, fa Anao gny hatao.'' 43 Dra nisy azely laha tagny an-dagnisy nideho taminazy, nampahery Anazy. 44 Tao agnatin'gny fangirifiria, nivavaky tamin-kafanam-po fatrasy Izy, dra gny hasembohany dra nazary gny lio nitete tamin'gny tany. 45 Dra gny fa nisanga baka nivavaky Izy, dra nangnangny amy mpianasy , dra nahita anazy reo nandry nohon'gny alahelon'ereo , 46 ka nagnontany anazy reo ho:''Nanao akory gny mandry andrareo? Misangana dra mivavaham ba sy hilirandrareo amy fakam-pagnahy.'' 47 Raha bo nizaka Izy, indro, nisy vahoaky niseho, niaraky tamin'i Jodasy, raiky amin'ereo ro ambin'gny folo, nitariky anazy reo. Nagneky an'i Jesosy izy ba hagnoroky Anazy, 48 fa Jesosy nizaka taminazy ho:''Jodasy, mamaliky gny Zanak'olo amin'gny oroky se anao?'' 49 Gny fa nahita gny raha-nisanga gny ze nagnodidy an'i Jesosy, dra nizaka ereo ho:''Topo, tokony hamely amin'gny sabasy se izahay? 50 Bak'eo gny raiky tamin'ereo namely gny mpanompon'gny mpisoronabe , dra nanapaky gny sofiny havana. 51 Jesosy nizaka ho:''apy zay!''Nikasihiny gny sofiny, dra nisitraniny izy. 52 Jesosy nizaka tamin'gny lohan'gny mpisoro, tamin'ereo kapitenin'gny fiangona, dra tamin'ereo loholo ze avy hanohisy Anazy ho:''Avy manahaky gny hanambosy mpangakasy se andrareo, miaraky amy lefo vo langilangy? 53 Tamin'Izaho niaraky tamindrareo isan'andro tao am-piangona, sy nanambosy Anahy andrareo. Fa zao gny lerandrareo, vo gny fahefan'gny hezina.'' 54 Teo am-pisambora Anazy , dra nitarihan'ereo Izy, dra nandesin'ereo tagny an-tragnon'gny mpisoronabe . Fa Petera nagnaraky laha tegny lavidavisy egny. 55 gny fa avy nampirehisy afo teo agnevon'gny tokotany dra niara-nipetraky ereo, dra nipetraky teo agnevon'ereo Petera. 56 Nisy mpanompo ampela raiky nahita anazy raha nipetraky teo amy fahazavan'gny afo izy,dra nagnety mahisy anazy vo nizaka ho:''Itiho lelahy itiho koa niaraky taminazy.'' 57 Fa Petera nanda anizay, nizaka ho:''Ry ampela, sy fatako Izy. '' 58 Afaky draindray dra nisy olo hafa nahita anazy , dra nizaka ho:''Anao koa raiky amin'ereo.'' Fa Petera nizaka ho:''Ry lelahy , sy izy zaho.'' 59 Nony afaky adiny raiky teo ho eo dra nisy lelahy hafa nagnizingizy vo nizaka ho:''Mary fa niaraky taminazy koa itiho lelahy itiho, fa izy dra Galiliana.'' 60 Fa Petera nizaka ho:''Ry lelahy, sy fatako ze zakanao.''Eo no eo,raha bo nizaka izy,dra nisy akoho nagneno. 61 Niherika, gny Topo nagnety an'i Petera, dra Petera nahasiaro gny zakan'gny Topo, tamin'gny zaka taminazy Izy ho:''Alohan'gny hagnenoan'akoho amizao dra handa anahy intelo anao.'' 62 Niboaky tagny ambaliky Petera dra nitomagny fatrasy. 63 Dra gny lelahy niamby an'i Jesosy dra nagnahihany dra nizerany Anazy. 64 Nasian'ereo sarona Izy dra nagnontany Anazy ereo, nizaka ho:''Maminania! Iza gny olo ze mazera Anao?'' 65 Nizaka raha hafa maro hanohisy an'i Jesosy ereo, nizaka rasy Anazy. 66 Raha vo nazava gny andro , dra niara-niango gny loholo, gny lohan'gny mpisoro vo gny mpanora-dalana. Nandesin'ereo tagny amy Synedriona Izy 67 dra nizaka ho:''Raha anao gny Kristy, dra zakao aminay.'' Fa Izy nizaka tamin'ereo ho:''Raha ho zakako amindrareo, dra sy hino andrareo'', 68 dra raha hagnontany andrareo zaho, dra sy hamaly andrareo. 69 Fa manomboky amy zao, gny Zanak'olo dra hipetraky eo an-tagna ankavanan'gny herin'Agnahary.'' 70 Izy aby nizaka ho:''Dra Zanak'Agnahary zay anao?''Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''Voalazandrareo fa Zaho gny Izy.'' 71 Izy gny nizaka ho:''Nanao akory gny bo mila vavolombelo isika? Fa isika mihisy gny nahare baka tamin'gny vavany.''