Toko faha 21

1 Jesosy nanipy maso dra nahita gny lelahy mana-karena ze nandrosaky gny fagnatisin'izay tao amy fandasahan-drakisy. 2 Nahita mpinday -vata mizaly raiky nandrosaky farasa ro tao Izy. 3 Dra Izy ho:''Zakako maryy amindrareo , itiho mpinday-vata mizaly itiho dra nandasaky maro noho izy aby. 4 Reo aby reo dra nagnome fagnatisy araky gny haben'gny hareny. Fa itiho mpinday-vata itiho, tamin'gny fahatrany, dra nandasaky gny fivelomany aby.'' 5 Raha nisy maro niresaky momba gny fiangona, fa voaravaky vato soa tarehy vo fagnatisy zay, dra ho Izy ho: 6 '' Fa gny amin'ereo raha hitandrareo reo, bo ho avy gny andro ze sy hisy dre vato raiky avo hizano amy hafa dra sy ho rava.'' 7 Koa nagnontany Anazy ereo, nanao ho:''Ry mpampianasy, ombia gny raha reo gny hisy? Ino gny famatara gny fa hisy reo raha reo?'' 8 Jesosy namaly ho:''Mitandrema va sy ho voafitaky andrareo. Fa maro gny ho avy amy agnarako, hanao ho:'Zaho gny izy,'dra'fa mariny fotoa.'Ka magnaraky anazy reo. 9 Gny fa mahare aly vo fikomia andrareo, dra ka mihorohoro, fa reo raha reo dra sy maisy hisy aloha, fa gny farany dra sy hisy eo noho eo.'' 10 Dra ho Izy tamin'ereo ho:''Gny firenena dra hisanga hanohisy firenena. dra fazaka hanohisy fazaka. 11 Hisy horohoro-tany lahibe,dra mosary vo areti-mandringa agny amy toera samihafa. Hisy raha mampatahosy dra famatara lahibe laha tagny an-dagnisy. 12 Fa mialohan'ereo raha aby reo, dra hanambosy andrareo ereo dra hagneziky andrareo, hanolosy andrareo ao amy synagoga vo gny figadra, hinday andrareo eo agnoloan'ereo pazaka vo reo mpanapaky nohon'gny agnarako. 13 Zay dra hagnome fahafaha ho amy fizoroandrareo vavolombelo. 14 Noho zay dra manapaha hevisy ao am-pondrareo ba sy hagnoma gny fiarovandrareo mialohan'gny fotoa, 15 fa Zaho hagnome zaka vo fahendrena andrareo , ze sy afaky tohery vo handagnan'ereo mpanohisy andrareo. 16 Fa andrareo koa dra ho atolosy gny ray aman-dreny, reo rahalahy, reo hava vo reo nama, dra ereo dra hamono ho maty gn'ilany amindrareo. 17 Ho halan'gny kirairaiky noho gny agnarako Andrareo. 18 Fa sy hisy ho levo dre dra singam-bola raiky eo amy lohandrareo aza. 19 Amin'gny faharetandrareo gny hamozea andrareo gny fagnahindrareo. 20 Gny fa hitandrareo voadidy miaramila Jerosalema, dra fatako fa mariny gny faharavany. 21 Dra ao reo ze agny Jodia handositry agny an-dohambohisy , dra ao reo ze agny agnevon'gny tana hiala. dra ka anga hilisy ao reo ze agny ambanivohisy. 22 Fa reo gny andron'gny valifaty, ba ho tateraky reo raha aby fa voasorasy. 23 Loza ho an'ereo ze minday vohoky vo ho an'ereo mampinono amin'izay andro zay! Fa hisy fahoria lahibe eo amin'gny tany, dra hahoria amin'io vahoaky io. 24 Ho lavon'gny lefo ereo dra ho andesy ho babo agny amin'gny firenena aby, dra Jerosalema dra ho voahosihosin'ereo Zetilisa, mandrapa-tateraly gny andron'gny Zetilisa. 25 Hisy famatara egny amignymasoan- dro, egny amigny volana, vo egny amigny kitana, dra eto an-tany. Ho tra-pahoria ereo firenena, haharary nahan'ny eron- dranomasina vo ereo onja. 26 Hisy lelahy ho toran'ny tahosyvo gny fandignisa an' ereo raha izaho ho avy eto an-tany. Fa ho voahozgozo gny herin' ny lagnisy. 27 Avy eo ho hitanizireo gny Zanak'Olo avy egny amigny raho miaraky amigny hery vo voninahisy lahibe. 28 Fa gnifa manoboky gnirahahita reo raha reo, dra misanga vo hakalaza gny lohadrareo, satria fa mariny gny fagnafaha adrareo." 29 nanao fagnohara tamin'izy ereo Jesosy ho: "Atio gny hazon'aviavy, vo ereo hazo iziaby. 30 Iziaby magnoroky an'ereo, dra ho hitadrareo manoka fa agnilany gny lohatao. 31 Dra izaho avo koa iziaby hitadrareo misaga ereo raha reo, dra fatasidrareo fa mariny gny fazakan'agnahary. 32 Zakako amindrareo, marina tokoa, tiky taranaky dra sy ho maty mandra-pisehoan'ireo raha reo. 33 Gny lagnisy vo gny tany dra ho levo, fa ireo zakako dra sy ho levo mandrakizay. 34 Fa mitandrema amigny tagnandrareo, ba sy ho vesaran'ny vokasy gny fisotroa vo gny fahamamoa gny fondrareo, vo reo ahiahin'ny fiaigna, dra avy eo hihily tampoky amindrareo manahaky gny fandriky izay andro izay. 35 Fa izay dra go avy amigny kiraikiraiky izay miay maneran-tany. 36 Fa ba mailo amigny fotoa aby, mivavaha ba ho ampy hery handrareo handosira reo raha aby izay hiseho, dra hisangana eo alihan'ny zanak'Olo.'' 37 Dra nandrisy andro dra napianasy tao amigny tempoly izy, dra gny hariva nandeha niboaky izy dra nizano teo an-tendrombohin'iOliva. 38 Ireo vahoaky aby dra avy vo mangiran-drasy ba hiteno anazy tao amigny tempoly.