Toko faha 20

1 Vo andro, raha napianasy gny vahoaky tao amigny tempoliny Jesosy vo nitory gny filazasara, dra nagnato anazy reo lohan'ny mpisoro vo mpanorandalana niaraky tamin'ereo loholo. 2 Nizaka izy reo, nanao taminazy ho: "zakao izanay ereo ho amigny fahefa ino gny hanova ereo raha izao fahefa izao?" 3 Namaly Izy dra nizaka ereo ho: "Izaho koa drahametraky fagnotania amidrareo. Zakao anahy gny mahakasiky 4 Gny batisan'i Jaona. Moa se izaho agny andagnisy sa amigny olombelo 5 Nialy hevisy izy reo, nizaka ho: "raha hamaly isika ho: 'Vo agny andagnisy dra hizaka Izy ho: 'Ko nagnino drareo gny sy mino anazy?' 6 Fa raha nizaka isika ho: 'avy amigny olombelo,' dra hitora-bato asika gny vahoaky aby, satria izy reo dra resy lahasy fa Jaona dra mpaminany .'' 7 Noho izaho dra namaly izy reo fa sy fatas'izy ereo izany gniasiny. 8 Jesosy nizakatam'izy ereo ho: "Izaho koa sy nizaka amidrareo izaho fahefana hanovako izaho raha aby izaho." 9 Nizakany tamigny vahoaky izao fagnohara izao: "Nisy lelahy raiky nanao tanim-boaloboky, napagnofa izaho tamigny mpaboly voaloboky, dra nandeha tagny amigny firenena hafa naharisy gny fotoa ela. 10 Tamigny lera voatodro dra nandefa mpagnampy izy ho agny amin'ereo mpaboly voaloboky, fa tokony hagnome anazy gny voakazony tanoboly izy reo. nikampohin'ereo mpaboly anefa izy, dra nalefany nihery tagnam-polo. 11 Avy eo dra nandefa panopo hafa ndraiky izy dra nizeran'ereo avo koa, nalany baraka, dra nalefan'ereo tagna-polo. 12 Bo nandefa fagnitelony izy dra nirasan'izy reo koa izy, dra niroahiny. 13 Noho izay dra nizaka gny tomponigny tani-voloboky ho:'' ino gny ho ataoko? halefako agny gny zanaky lahy malalako. Mety ba ho hazanon'ereo izy.'' 14 Fa gny hitan'ereo pamboly voloboky izy, dra nifapizaka ereo, nizaka ho:'' io gny pandova, Ndeha ho vonosika izy, ba ho lasasika gny lova. 15 Niroahin'ereo niala gny tanim-voloboky izy dra nivonon'ereo.Ino dra gny ho ataon'ny tomponigny tanimboloboky amin'ereo? 16 Ho avy izy dra hanorotoro reo pamboly voloboky, dra hagnome gny tanim-voloboky ho an'ny hafa.'' Gny hagnome izay izy dra, nizaka ho:'' sagnatria amin'i Zagnahary!'' 17 Fa nagnety anazy reo Jesosy, nizaka ho:''ino gny hevisigny voasorasy ho:''gny vato izay nandagnan'ereo pagnori-tragno gny avy vato fehizoro? 18 Gny kiraikiraiky izay lavo eo amin'io vato io dra ho torotoro. Fa na iza na iza ho lavo, dra ho torotoro.'' 19 Dra nitalia hanambosy anazy tamin'io ora reo panora-dalana vo reo pisoro, fa fatas'ereo fa nizakany io fagnohara io hanohisy anazy reo. Kanefa natahosy gny vahoaky ereo. 20 Teo apandiniha anazy soa, dra nandefa pisikilo moly ho marina ereo, ba afahan'izy reo mahita signy amigny zakany, dra hagnome anazy eo amigny fanapaha vo gny fahefan'ny governora. 21 Nagnotany anazy ereo, nizaka ho:'' papianatro o, fatasay hanao fa mizaka vo mapianasy apahamarigna, dra sy voatariky gny hevis'izay na iza, fa hanao dra mapianasy gny fahamarigna momban'ny lalan'i Zagnahary. 22 Ara-dalana ho anay se gny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?'' 23 Fa Jesosy dra nahatakasy gny fahesen'ereo, dra nizaka tamin'ereo ho:'' 24 ''Mapotoroa deraina raiky aminahy. An'iza io sary agnara eo aminazy io?'' Nizaka ereo ho:''An'i Kaisara.'' 25 Hoizy taminereo ho:'' Noho izay omeo an'i Kaisara gny raha izay an'i kaisara, dra an'i zagnahary.'' 26 Sy nahita signy tamizay nizakany teo anatrehany vahoaky ereo, fa dra nitolagaga taminy valiteniny dra nigy. 27 Raha avy teo aminy gny ilany taminereo Sadoseo, ereo ze nizaka fa sy misy gny fisanganaamy maty, 28 Nagnotany anazy ereo, nizakaho:''mpampianaso o, Mosesy dra nanorasy ho asika fa raha maty gny rahalahiny lelahy raiky, manambaly, dra sy nananganaky, dra tokony hangalaky valy any valy ny rahalahiny, dra hagnome zanaky ho any rahalahiny. 29 Nisy mpirahalahy fito dra gny volohany nanambaly, dra maty sy nanagnanaky 30 dra gny faharo koa manahakanizay. 31 Nampiakatra anazy gny fahatelo, dra gny avokoa izy fito samy sy nanagnanaky, dra maty. 32 Tafarany dra maty ko ampela. 33 Amy fisangana amy maty, ho valiniza izy? Fa samy fa nanambaly anazy fito.'' 34 Jesosy nizaka tamin'ereo ho:'' ireo zanak'izao tontolo izao dra pamaka-valy vo ampiakary. 35 Fa ireo izay nahita amin'izao andro izao fa mendriky gny handray gny fisangana amigny maty dra sy hapaba-valy na hapekary. 36 Sy ho maty sasy izy reo, satria mitovy amindrareo azely vo reo zanak'i zagnahary, izay zanaky gny fisangana amigny maty. 37 Fa fnt maty nasangany, na Mosesy aza dra napiseho, teo amigny toera izay nisy gny voaroy, izay nitokavany gny tompo ho Zagnaharin'i Abrahama vo Zagnaharindr'Israely dra Zagnaharindr'i Jakoba. 38 Dra izy sy Zagnahary gny maty, fa gny velo, satria gny aby dra velo ao aminazy. 39 Gny ilany taminereo mpamoro namaly ho: " 40 Stria sy sahy nametraky hagnotania hafa tanigny sasy izy ereo. 41 Jesosy nizaka anazy reo ho: "Nagnino gny izaka ereo fa kristy dra zanaka lahin'i Davida? 42 Fa Davida tegnany se nizaka tao amigny bokin'ny Slamo ho: Gny tompo nizaka tamigny Tompoko ho: 'Mipetraha eo an-tana ankavanako, 43 Mandrampanovako gny fahavalonao ho hitobokatom-nokao.' 44 Nohoizaho Davida dra nitoka an'i kristy ho: 'Tompo', koa nagnino gny maha zanak'i Davida anazy?" Teo amasony olo aby dra nizaka tamin'ereo mpianany Izy ho: 46 "Mitandrema amigny mpanora-dalana ze misiry handeha miaraky amigny akazo lava, vo tia fiharaba manoka egny asena, vo seza volohany ao anaty synagoga, dra mipetraha volohany agny amigny fanasa. 47 Izy io koa dra mandany gny tragnodrareo pandaitegna, vo manao vavaky ho fisehosehoany. Gny lelahy manahaky anizy dra hahazo feloky lahibe tokoa."