Toko faha 19

1 Nilisy Jesosy vo nandalo an'i Jeriko. 2 Indro, nisy lelahy ze nitokavy ho Zakaiosy teo.Izy dra lahiben'gny pamory hetra sady manan-karena. 3 Niezaky gny hahita izy ho iza Jesisy ,ka nefa sy afaky nahita tao agnaty vahoaky , satria bory izy. 4 Koa nilomalomay nialoha gny olo izy dra nagnaniky hazon'aviavy raiky ba hahita Anazy,satria hiala amin'izay lala zay Jesosy. 5 Nony avy teo amin'gny toera Jesosy, dra niandrandra Izy dra nizaka taminazy ho:''Ry Zakaiosy, miboaa malaky , fa amizao dra sy maisy hizano ao an-tragnonao Zaho.'' 6 Dra niboaky malaky izy dra nandray Anazy tamim-pifalia. 7 Gny fa nahita anizay aby dra nitaray avo koa, nizaka ho:''Nilisy hamangy lelahy ze panota Izy''. 8 Nisanga Zakaiosy dra nizaka tamin'gny Topo ho:''Hatio, ry Topo, gny asaky gny fanagnako dra omeko ho an'gny mizaly,vo raha manahaky dra nisy raha nagnambakako olo,dra honerako abo efasy heny.'' 9 Jesosy nizaka taminazy ho:''Androany gny famozena gny avy ato amin'itiho tokatragno itiho, satria izy koa dra zanak'i Abrahama. 10 Fa gny Zanak'olo dra avy ba hitalia vo hamozy gny olo ze levo.'' 11 Raha nahare anizay raha zay ereo,dra nanohy nizaka Izy vo nanao fagnohara raiky , satria teo marin'i Jerosalema Izy,vo ereo nieriserisy fa hiseho teo noho eo gny fazakan'Agnahary. 12 Noho zay Izy dra nizaka ho:''Nisy tandapa raiky nandeha tagny an-tany lavisy ba hahazo fazaka ho an'gny vatany dra hihery bak'eo. 13 Nitoka folo lahy tamin'ereo panopony izy,vo nagnome farantsa folo anazy reo,vo nizaka tamin'ereo ho:'Manova raharaham-barosy mandra-piheregnako.'' 14 Kanefa gny vahoaky nalaiky anazy vo nandefa solotegna nagnaraky anazy , nizaka ho:''Sy taliavinay gny hazakan'io lelahy io eto aminay.' 15 Dra gny fa nihery draiky izy,aby nadray gny fazaka,dra nandidy gny mpanopony ze nomeny vola vaho eo aminazy izy,ba hahafatarany ze tombony azon'ereo tamin'gny fanova raharaham-barosy. 16 Avy teo agnoloany gny volohany, nizaka ho:'Topo, gny farantsnao dra nahazo tombony farantsa folo mihoasy .' 17 Nizaka anazy gny tandapa ho:''Soa zay,ry panopo soa. Noho anao nahatoky tamin'gny kely dra kely,dra hanam-pahefa amy tana folo anao.' 18 Avy gny faharo, nizaka ho: 'Gny fa farasinao, Tompo, dra nahavita farantsa dimy,' 19 Dra nizaka taminazy dra tandapa ho: 'Handrekisy tana dimy hanao.' 20 Avy gny riky hafa, nizaka ho: 'Tompo, indro gny faratanao, izy ahaza soa tao agnaty lamba, 21 Fa natakosy anao zaho, satria lelahy masiaky hanao. Mangala inizaho sy nampetrakao, dra miziza izaho sy nafahinao.' 22 Nizaka taminazy gny tandapo ho: amigny taminao manoka gny hisarako anao, hanao vo mpanompo rasy fagnahy. Fatako fa izaho dra lelahy masiaky, mangalaky ze sy nafafiko. 23 Konagnino gny sy nampetrako tagny amigny mpitahiry vola gny volako, dra iziaby nihery zaho dra ho nadraby anizaho tanigny zanany?' 24 Gny tamdapa nizaka tamin'ereo ze nisanga teo agnilany teo ho: 'Alao aminazy gny farantsa, dra omeo anigny mana gny farantsa folo.' 25 Dra ho ereo taminazy ho: ''Tompo ,mana farantsa folo izy.' 26 'Izaho mizaha amindrareo, fa iziaby mana dra home mihoasy, fa izy sy mana, dra izay anagnany dra ho alany. 27 Fa ereo fahavaloko, ereo ze sy nisiry anahy hazaka eo amigny ereo ze eto aty izy ereo vo vono eto aloako.''' 28 Iziaby avy nizaka an'ereo raha ereo izy, dra nandeha aloha ho agny Jerosalema 29 Vo nony avy teo agnilany Betifaga vo Batania Izy, teo amigny tendribohisy tokavo ho Oliva, dra nagniraky gny ro tan'ereo mpianany Izy, 30 NIzaka ho: "mandehana agny midisy handrareo, dra hahita zana-boriky ereo mbo sy nitikiran'olo idraiky. Vahao izy dra ento aty aminahy. 31 Raha misy magnotany adrareo ho: 'Nagnino moa vahadrareo io?' dra zakao ho: 'Misy teliavany Tompo anazy.' 32 Ereo izay niraihina dra nandeha dra nahita gny zana-boriky araky gny nizakany Jesosy tamin'ereo. 33 Raha teo an-pamahany gny zana-boriky izy ereo dra ho ereo tompony tamin'izy reo ho: "Ngninogny vahadrereo gny zana-boriky?" 34 Nizaka ereo ho: "Misy teliaviny Tompo anazy." 35 Nandesiny ereo teo ambaninigny zana-boriky gny lambany dra nametraky an'i Jesosy teo abony. 36 Raha nandeha egny izy, dra nabelasin'ereo teo amigny lalana gny lamban'izy reo. 37 Dra iziaby nariny any fimpetraha miroro amigny tedrimbohitr'Oliva izy, dra nanomboky nifaly ereo mpianany maro be dra nidera an'andriamanitra tamigny feo fatrasy nohonigny asa lahibe aby ze hitan'izy reo, 38 NIzaka ho: "Dera ane gny mpazaka izay avy amigny agnarany Tompo! Fiadagna agny an-dagnisy dra voninahitra agny amigny avo indrindra!" Gny fariseho ilany teo amigny vahoaky dra nizaka tamigny ho: "mpampianasy o, zakao fatrasy ereo mpiamasy o. 40 Namaly Jesosy dra nizaka ho: "Zakako amidrareo fa raha marevoky ereo, dra hikiaky gny vato. " 41 Iziaby nagnato gny tanana Jesosy, dra nitomagny anazy, 42 Nizaka ho: "Gny ba satanao moa aminizao andro izaho agny hanao, ereo raha izao minday fiadagna ho anao! Nefa aminizao igny dra miafy amigny masonao 43 Fa ho avy aminao ereo andro, izay hanaganan'ny fahavalonao manda magnodidy anao, dra hagnodidy anao, dra hanery anao amigny lafiny aby. 44 Izy ereo dra hampilavo anao amigny tany miaraky amigny zanako. Sy haga dra vato raiky nifanegy vo izy ereo satria hanao sy nahafatasy izaho fony andriamanitra niezaky gny hamozy anao." 45 Nidisy tao antragnony Jesosy dra nanomboky nandroaky ereo ze mpamarosy, 46 Nizaka tamin'izy reo ho: "Fa voasorasy ho: 'Gny tragnoko dra natao tragno fivavahana,' fa drareo koa nanao anazy ho zohy fieren'ereo Zolahy." 47 Ko dra nampianasy isan'adro tao an-tempoly Jesosy. Ereo lohan'ny mpisoro vo ereo mpanoro-dalana dra ereo mpitariky gny vahoaky dra nitalia hamono anazy, 48 Fa sy nahita fomba hanova izaho izy ereo, satria nazoto niteno anazy avo gny vahoaky aby.