Toko faha 24.

1 Vo maraindray tamigny andro volohan'ny herignandro, dra nagnagny amigny olo izy reo, ninday reo raha izy nikarakaran'ereo. 2 Hitan'izy reo nisokaky lavisy gny lolo gny vato. 3 Nilisy tao ereo, kanefa sy nahita gny vatan'ny tompo Jesosy. 4 Dra gny bo sahira-say momba izay izy reo, tapoky teo, dra nisy lelahy ro nanao fitafia mamirapirasy nisanga teo agnilan'ereo. 5 DRa gny feno tahosy reo vehivavy dra niakohoky taminazy tagny, nizaka tamin'ireo vehivavy izy reo ho:''nanaoakory handrareo gny mitalia gny velo atiky amigny maty? 6 Sy ato izy, fa nasanga! tadidio gny nizakany andrareo fony izy bo tagny gfalilia, 7 Nizaka fa gny zanak'olo dra sy maisy hanolosy ho eo atagnany olo panota dra hofasihy eo amigny hazo fizalia, dra amigny andro fahatelo dra hisanga ndraiky.'' 8 Reo vehivavy dra nahasiaro reo zakany. 9 Dra nihery tagny amigny lolo dra nizaka izay raha aby izay tamin'ireo raiky ambin'ny folo vo gny ambiny aby. 10 Dra Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, dra reo vehivavy hafa nindray taminazy dra nitatisy izay raha izay tamin'ireo apostoly. 11 Fa izay hafasy izay dra manahaky gny sy nisy dikany tamin'ireo apostily, dra sy nino reo vehivavy izy reo. 12 Kanefa nisanga Petrea, dra nilomay nagnegny amigny lolo, dra niondriky vo nagnety tao, dra nahita reo lambam-paty nitoka. Dra petera noly tagny atragnony, nagnotany tegna gny amin'izay raha-nitranga. 13 Ihoky, gny ro tamin'izy reo nandeha tamin'io andro io ho agny amigny tanana atao ho Emaosy, izay anipolo Stadio miala agny Jerosalela. 14 Izy reo dra nifapizaka momba reo raha aby izay nitranga. 15 Dra, gny nindrai-nizaka vo nindrai-nampitoby fagnotania izy ro reo, dra nagnotany vo nandeha nindray tamin'izy reo Jesosy. 16 Fa gny mason'izy reo dra nisokafiny ba sy hhahafatasy anazy. 17 Jesosy nizaka tamin'ereo ho:''' ino gny zakandrareo ro etiky am-pandehana?'' Dra nizano izy ro sady nalahelo endriky. 18 Gny raiky tamin'ereo reo, nitokavy ho Kleopasy, namaly anazy ho:''hanao raiky se gny olo tao Jerosalema sy nahafatasy reo raha nitranga tagny tamin'izay andro izay? 19 Jesosy nizaka tamin'izy reo ho:'' Gny hanao?'' izy reo namaly anazy reo ho:''ireo raha mikasiky an'i Jesosy gny Nazareta, izay paminany, nahery tamigny asa vo gny tegny teo agnatrehan'iZagnahary vo gny olo naby, 20 Dra gny fomba nanoloran'ireo lohan'ny pisoro vo reo panapakay anazy ba ho melohana ho sy maty vo gny nanomboana anazy teo amigny hazafizalia. 21 Kanefa izahay nanatena fa izy gny hagnafaky an'Israely. Egny, dra akoasy zay aby izay, telo andro androany izao gny nitrangan'izay raha aby izay. 22 Nefa koa, gny vehivavy sasany tamigny namanay dra nahatama anay, izay tagny amigny lolo vo maraidray. 23 Gny sy nahita gny vatany izy reo, dra tamy, nizaka fa izy reo koa dra nahita fahitana azely izay nizaka fa velona izy. 'v 24Gny lelahy sasany izay nindray taminay dra nandeha tagny amigny lolo, dra nahita. Saingy sy nahita anazy izy reo.'' 25 Jesosy nizaka tamin'izy reo ho;''ry lelahy mola vo vosa saina vo mino ereo aby voazakan'ny paminany! 26 Moa se sy nitaliavy ho an'i Kristy gny nizaly tamin'ireo raha reo, dra hilisy agny amigny voninahisy?'' 27 Dra nanomboky tamin'i Mesesy dra hatramin'izao paminany aby, dra nadikan'i jesosy tamin'izy reo ao amigny sorasy masina gny momba gny tegnany. 28 Nony nagnariny gny tanana izay nandehanany izy reo, dra naneho fihesiky manahaky gny ho handeha lavidavisy Jesosy. 29 Fa nanery anazy izy reom nizaka ho:''mizano eto aminay, fa ho hariva izao dra fa hifara gny andro.'' Dra nilisy ba hijano nindray tamin'izy reo Jesosy. 30 Dra, gny nitoboky ba hindray hihina tamin'izy reo izy, dra nangalaky gny mofo, nisaotra izay, vo namaky izay, dra nagnome izay anazy reo. 31 Avy eo nisokasy gny mason'izy reo, dra amason'izy reo izy. 32 Izy reo nifampizaka ho: ''Moa se gny fosika sy noredareda tao agnatisika, gny nizaka tamisika tegny an-dala izy, gny nanokasy gny Sorasy tamisika izy?''' 33 Nisanga izy reo tamin'io ora io, dra nihery tagny Jerosalema. Nahita reo raiky ambin'ny folo nindrai-nivory izy reo, vo reo izay nindray tamin'izy reo, 34 Nizaka ho:''Gny tompo dra nisanga tokoa, dra niseho tamin'i Simona.'' 35 Dra nizakan'ereo izay raha nitranga tegny an-dala, vo gny fomba nisehoan'i Jesosy tamin'izy reo tamigny fanapaha gny mofo. 36 Vonizaka anizaho raha izahoky ereo dra nisaga teo agnevon' ereo Jesosy tamigny, vo nizaka tamin'izy ereo ho: "fiadagna ane ho adrareo. " 37 Faho nitaisy vo natahosy izy ereo, vo nihery fa nahita fagnahy. jesosy nizaka tamin'ereo ho: "Nagnino hadrareo matahosy? Nagnino vo misy fagnotania ao am-podrareo? 39 Atio gny tagnako vo gny tamboko, fa Izaho tegnako avo. Kasiho zaho vo atio. Fa gny fagnahy sy mana nofo vo tola, araky gny ahitadrareo anahy ho mana. " 40 Gny fanizaka anizahoky izy, dra natorony tamin'ereo gny tagnany vo gny tombony. 41 Bo si nino izay izy reo nohon'ny hafaliana, dra gaga izy reo, Jesosy nizaka anazy reo ho:'' manana raha hohany se handrareo?'' 42 Namen'izy reo fia vita tono izy, 43 Dra nalany izay dra nihaniny teo alohan'izy reo 44 Izy nizaka tamin'ereo ho:'' Tamin'Izaho nindray tamindrareo, dra nizaka tamindrareo fa izy aby voasorasy tao amigny lalan'i Mosesy vo reo paminany dra reo Salamo dra sy maisy ho tanteraky.'' 45 Dra nisokafiny gny sain'izy reo, ba hazoan'ereo gny sorasy masina. 46 Nizaka anazy reo izy ho: ''Izao gny voasorasy, fa gny Kristy dra hizaly, dra hisanga amigny maty ndraiky amigny andro fahatelo. 47 Fibebahana vo famelan-keloka agny amigny ferenena aby, manomboky ao Jerosalema. 48 Handrareo gny vavolombelon'ireo raha reo. 49 Ingo, halefako amindrareo izay nampanatenain'ny babako. Kanefa mitoboha ao antana mandra-pagnisiandrareo gny hery avy agny agnabo. 50 Dra Jesosy nitariky anazy reo mandra-pahavin'ereo tagny Betania. Nasandrany gny tagnany, dra nitahiny izy reo. 51 Dra, gny niso-drano anazy reo izy, dra nagnenga anazy reo izy dra lasa niakasy tagny andagnisy. 52 Dra nidera anazy izy reo, dra nihery tagny Jerosalema tamigny fifalina lahibe. 53 Nitohy nagnao amigny tepoly izy reo, nakalaza an'iZagnahary.