Toko faha 15

1 Dra ereo mpamory hetra aby vo gny mpanota dra avy teo amigny Jesosy ba hiteno anazy. 2 Nifampinononono ereo Fariseo vo ereo mpanora-dalana, nizaka ho: "Io lelahy ho dra manday mpanota, dra miara-mihina amigny ereo avo aza." 3 Jesosy nanao izahoky ho: "Izaamindrareo, raha mana agnodry zato izy dra boakeo levo gny raiky amin'izy reo, gny sy hanga dra nandeha hitalia gny raiky levo mandrampahitany anazy? 5 Dra Iziaby hita izy dra apetrany eo asorony dra mifaly izy. 6 Iziaby avy ao antragno izy dra tokavy avokoa ereo namany vo ereo mpiaramony amigny mizaka anazy reo ho: 'Mifalia miaraky aminahy, fa hitako gny agnondry levo. ' Dra izaho koa, mizaka amindrareo zaho, fa hisy fifalia agny andagnisy nahanigny mpanota raiky mibebaky, mihoasy naho ereo olo-marina sivy amby sivy folo mila mibebaky. 8 Dre iza gny apela ze mana farasa kely folo,raha levo gny farantsa raiky, gny sy andrehisy gny jiro, hamafa gny tragno,dra hitalia amim-pahazotoa mandra-pahitany anizay? 9 Gny fa hitany zay,dra tokavy avo koa reo namany vo reo mpiara-mony aminazy,dra hizaka ho:'Mifalia miaraky aminahy, fa itako gny farantsa kely raiky ze levo.' 10 Manahaky anizay koa, Zaho mizaka amindrareo, misy fifalia eo anatrehan'gny azelin'Agnahary amin'gny mpanota raiky ze mibebaky.'' 11 Bak'eo Jesosy nizaka ho: "Nisy lelahy raiky nanazanaky ro lahy, 12 Dra gny faealahy tamin'ereo nizaka tamigny babany izaho tokony ho: 'Ray o, ameo anahy gny azara aby izy takony ho anahy.' Dra nizarany tamin'ereo gny fanagnany 13 Sy ela tafaranigny, gny faralahy nagnavory gny azarany aby dra nandehatamigny firenena reo lavisy teo, dra tagny izy vo nandrha fahatany ereo harenany aby tamigny fiegna manda. 14 Dra ereoaby laniny avo gny ereoaby, dra nisy mosary lahibe niela tamin'io, dra nanoboky tao agnatiny sy fahampia izy Nandeha izy dra nikarama tamigniraiky tamin'erei mponina tao amin'io firenena iho, ze nandeha anazy tagny amigny ilany ba hamaha koso. 16 Te hihina fatrasy ereo hany fihaniny koso izy, satria sy nisy olo nagnome anazy vo ino. 17 Fa gny fa avy say gny faralahy, dra nizaka izy ho:'Firy amin'ereo manompon'gny raiko gny mana hany mihoasy gny sahaza, dra itiho zaho, matin'gny hanohana! 18 Henganao eto dra ho agny amin'gny raiko zaho,dra zaho hizaka aminazy ho:''Ray o, fa nagnota tamin'gny lagnisy zaho, vo teo amasonao. 19 Sy mendriky gny tokony ho zanakao sasy zaho; atovy manahaky gny raiky amin'ereo mpanomponao zaho.'' 20 Noho zay nandeha gny faralahy dra nagnagny amin'gny rany. Raha bo lavisy izy, dra hitan'gny rany, dra tohina nangoraky, dra nilomalomay, dra namihina vo nagnoroky anazy. 21 Gny zanadahiny nizaka ho:'Ray o, fa nanota tamin'gny lavisy vo teo amasonao zaho. Sy mendriky gny tokovy ho zanakao zaho.' 22 Gny raiky nizaka tamin'gny mpanompony ho:Andeso malaky reo akazo soa indrindra, dra ampiakazoy anazy,vo asio perasy gny tagnany, vo kapa gny tombony. 23 Bak'eo andeso gny zanakagn'omby matavy ka vonoy zay. Andao isika hakalaza amin'gny lanogna! 24 Satria gny zanadahiko dra maty, vo amizao dra hita ndraiky.' Bak'eo dra nanomboky niresaky ereo. 25 Dra gny lahimatoany dra tagny an-tanimboly. Nony taminazy vo nagnato gny tragno izy,dra nahare mozika vo sizaky. 26 Nitoka gny raiky tamin'ereo mpanompo izy dra nagnontany anazy ho mety ho ino zay raha zay. 27 Gny mpanompo nizaka taminazy ho:''Nolo ato an-tragno gny rahalahinao dra nivonon'gny randrareo gny zanakagn'omby matavy, satria avy soa ama-sara izy.' 28 Ory gny lahimatoa, dra sy nety nilisy , dra niboaky gny rany, dra niangavy anazy . 29 Saiky namaly gny lahimatoa vo nizaka tamin'gny rany ho:''Hatio , fa an-taonany maro gny nanopoko anao,vo bo sy nandika gny lalanao zaho,vo anao sy bo nagnome dre dra zanak'osy nafahako nikorona niaraky tamin'ereo namako avo, 30 kanefa gny fa avy gny zanakao lahy,ze nandriasy gny fanagnanao tamin'gny mpivaro-tegna,dra nivononao ho anazy gny zanakagn'omby nafahy.' 31 Ho gny raiky taminazy ho:'Anaky, anao dra miaraky aminahy avo,zay aby anahy dra anao. 32 Kanefa rariny ho asika gny mikorana vo mifaly, satria itiho rahalahinao dra maty, dra amizao dra velo ndraiky; levo izy,vo amizao dra hita ndraiky.''