Toko faha 14

1 Dra Sabata, gny fa nagnao amin'gny tragnon'gny raiky tamin'ereo mpitariky gny fariseo hihina mofo Izy dra nagnara-maso mariny Anazy ereo. 2 Indro,teo agnoloany nisy lelahy raiky ze nampizalian'gny edema. 3 Jesosy nagnontany reo manam-paheza amin'gny lalan'gny Jiosy vo reo Fariseo vo reo Fariseo ho:''Azo atao se gny magnasitra amin'gny andro Sabata,sa aha?'' 4 Fa ereo dra nangina. Noho zay dra nirambesin'i Jesosy izy,dra nisitraniny, dra nalefany handeha. 5 Ho Izy tamin'ereo ho:''Iza amindrareo ze mana-zanaky lahy na agn'omby tafalasaky agnaty fatsakana amin'gny andro Sabata gny sy hisitina anazy aby hatragny ?'' 6 Ereo dra sy nisy nahavita nagnome valiny an'ereo raha reo. 7 Gny fa sikirisin'i Jesosy gny fomba fisafilianan'ereo ze nasa gny toeram-bonignahisy, nanao fagnohara izy, nizaka tamin'ereo ho: 8 '' Gny fa asa amin'gny lagnonam-panambalia andrareo, dra mipetraky eo amin'gny toeram-boninahisy, satria mety nisy olo nasay bo manam-boninahisy noho andrareo. 9 Gny fa avy gny olo ze nanasa andrareo,dra hizaka andrareo izy ho:'Omeo an'itiho olo-kafa itiho gny toeranao,'vo am-pahamegnara gny andehanandrareo hamozy gny toera,'dra am-pahamegnara gny andehanandrareo hamozy gny toera ambany indrindra. 10 Fa gny asa andrareo, mandehana dra mipetraha amin'gny toera ambany indrindra, amin'izay gny fa mandalo eo gny nanasa anao,dra mety hizaka anao izy ho:'Ry nama, miakara amin'gny ambonimbony.'Vo avy eo dra homem-boninahisy andrareo eo anatrehan'ereo ze miray latabasy azy amindrareo. 11 Da reo ze manandra-tegna dra hahety,dra izy ze manetri-tegna dra hasandrasy.'' 12 Jesosy avo koa dra nizaka tamin'gny lelahy nanasa Anazy ho:''Gny fa magnome sakafo dre fanasa anao,dra ka manasa gny namanao dre gny rahalahinao dre gny anao dre gny mpanakarena magnodidy anao, amin'gny mety hanasany anao koa ho tokalon'izay,dra ho voavaly anao. 13 Fa gny manao fanasana anao asao gny mahatra, gny kilemay, gny mandringa, dra gny poaky, 14 dra ho sambasy anao,satria sy afaky hamaly anao ereo.Fa anao dra ho voavaly amin'gny fisanganan'gny bmary.'' 15 Gny fa nahere gny raha reo gny raiky tamin'ereo nindray latabasy tamin'i Jesosy, dra nizaka taminazy izy ho:''Sambasy ze hihina gny mofo ao amin'gny fazakan'Agnahary!'' 16 Fa Jesosy nizaka taminazy ho:''Nisy lelahy raiky nikarakara sakofo lahibe vo nanasa olo maro. 17 Gny fa voakarakara gny sakafo, dra nagniraky gny mpanompony izy hizaka an'ereo ze nasay ho:'Mandrosoa, fa gny raha-aby dra fa vonona.'' 18 Izy aby dra nitovy say dra nanomboky nanao fiala-signy. Gny volohany nizaka taminazy ho:'Nivily tanim-boly zaho,dra tokony hiboaky zaho dra hagnety anizay. Miala signy zaho.' 19 Raiky hafa nizaka ho:'Nivily agn'omby folo zaho,dra andeha hamatasy anazy reo. Miala signy zaho.' 20 Bak'eo nisy lelahy raiky hafa nizaka ho:''Vao avy nampiaka-baly zaho,dra noho zay dra sy afaky ho aby zaho.'' 21 Dra avy gny mpanompo vo nizaka tamin'gny topony reo raha reo . Bak'eo topon-tragno ory dra nizaka tamin'gny mpanompony ho:''mandehana malaky egny amin'ereo lalambe vo sakelidala eto an-tana dra andeso atoho gny mahatra,gny mandringa, gny poaky,vo gny kelemaina.' 22 Nizaka gny mpanompo ho:''Topa, fa vita ze nobaikonao, fa bo misy toera avo.'' 23 Ho itiho topony tamin'gny mpanompony ho:''Mandehana egny amin'ireo lalambe vo sisim-boly vo tereo ereo ho avy, amin'izay ho feno gny tragnoko. 24 Fa zakao amindrareo, sy hisy hagnandra gny sakafoko gny lelahy ze nasay.''' 25 Dra vahoaky maro gny nandeha niaraky taminazy, dra nitoliky Izy dra nizaka anazy reo Ho:'' 26 Raha misy amindrareo magnato Anahy vo sy makahala gny rany, gny reniny, gny valiny. gny zanany, reo rahalahiny vo reo rahavaviny, vo dre gny fiaignany avo, dra sy afaky gny ho ampianasy izy. 27 Dre iza dre iza sy milaza gny hazofizaliany dra magnaraky Anahy dra sy afaky gny ho ampianasiko. 28 Fa iza amindrareo, ze magniry gny hananga tilikambo, gny sy mipetraky aloha dra mikazy gny fandania raha mana ze taliavy hamita anazy izy? 29 Raha sy zay, gny fa nametraky gny fotoa izy nefa sy hahavita anizay avo, dra hanomboky handasa anazy reo aby ze mahita anizay, 30 manao ho:''Io lelahy io gny nanomboky nananga kanefa sy nahavita avo.' 31 Na koa Pazaka ino,raha handeha hifanehisy amin'gny pazaka hafa amy aly,gny sy hipetraky aloha dra hangalaky raha miaraky amin'gny lelahy raialy dra afaky hialy amy pazaka hafa ze avy manohisy anazy miaraky amin'gny lelahy ro aly? 32 raha sy zai, raha bo lavisy gny tafiky hafa,dra mandefa atoko izy dra mangataky fepetra ho amin'gny fihavana. 33 Ka noho zay,dre iza dre iza amindrareo sy mahafo hanagnany aby dra sy afaky gny ho mpianasy izy. 34 Soa gny sira, fa raha levo gny siron'gny sira, nanao akory gny hiheregnany hasira ndraiky? 35 Sy misy taliavin'gny tany anazy dre dra gny zezi-tany avo. Aria avi zay. zay mana-sofy ho andesi-miteno, ao izy hiteno.''