Toko faha 9

1 Nagnagny amigny havan-dreniny tagny Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala dra nizaka tamin'ereo vo gny fianakaviam-benigny akohonan-dreniny aby ho: 2 "Ba zakao re izao, ba ho renigny pitariky aby ao Sekema: 'Ino gny mety kokoa amindrareo: Mana gny zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaky eo amindrareo, sa raiky avo gny manapaky eo amindrareo?' Sarovy fa nofo aman-drandrareo zaho." 3 Nizaka tamireo pitarik'i Sekema ho anereo havan-dreniny, dra nagneky gny hagnaraky an'i Abimeleka ereo, akory hoy ereo ho: "Rahalahisika izy." 4 Namen'ereo volafosy madiniky fitopoloboak'ao atragnon'i Bala-berita izy, dra napesain'i Abimeleka hagnarama reo lelahy pandika lala sady sahisahy rasy ze nagnaraky anazy zay. 5 Nagnagny atragnonigny babany tagny Ofra i Abimeleka, dra nivonony teo amboninigny vato raiky reo rahalahiny fitopolo, dra reo zanak'i Jerobala. Jotama gny sisa tavela, dra gny zanak'i Jerobala faralahy, akory nivony izy. 6 Nindray tomboky gny pitarik'i Sekema vo Beta-milo aby dra nandeha dra nanao an'i Abimeleka ho pazaka, teo agnilanigny hazo terebita agnilanigny andry ze agny SEkema. 7 Gny fa nizakany gny mikasiky anizay i Jotama, dra nandeha izy dra nisanga teo ataponigny Tendrombohisy Gerizima. Nitokatoka izy dra nizaka tamin'ereo ho: "Tenoy zaho, handrareo pitarik'i Sekema, ba hitenoan'Agnahary andrareo. 8 Indray andro dra niboaky gny hazo ba hagnososy pazaka raiky ho eo amin'ereo. Akory hoy ereo tamigny hazon'oliva ho: "Mazaka aminay." 9 Nefa hoy gny hazon'oliva tamin'ereo: "Tokony hafoko ra gny dililoko, ze apesany hagnomezam-boninahisy reo zagnahary vo gny olombelo, ba hahafahako mandeha mihery, dra hisingevaheva egny amigny hazo hafa avo koa?' 10 Hoy reo hazo tamigny aviavy: 'Avia dra mazaka aminay.' 11 Fa hoy koa gny aviavy tamireo: 'Tokony hafoiko ra gny hamamiko vo gny voa soako, ba hahafahako mihery dra hisingevaheva eo amireo hazo hafa fosiny avo?' 12 Hoy reo hazo tamigny voaloboky: 'Avia dra mazaka aminay.' 13 Hoy gny voaloboky tamin'ereo ho: 'Tokony hafoko ra gny divay vaovaoko, ze napifaly gny zagnahary vo gny olombelo, dra hihery vo hisingevaheva eo amireo hazo hafa?' 14 Dra hoy gny hazo aby tamigny silin-draketa: 'Avia dra mazaka aminay.' 15 Hoy gny silin-draketa tamireo hazo: 'Raha tena te hagnososy anahy ho pazaka eo amindrareo handrareo, dra avia dra mitaliava ferova eo ambaninigny aloko. Raha sy zay, dra aoky hiboaky boak'ao amigny silon-draketa gny afo dra aoky zay hagnoro gny sederan'i Libanona.' 16 Amizao dra, raha nanao gny mary vo mahisy handrareo, tamigny nanovandrareo an'i Abimeleka ho pazaka, dra raha nanao gny soa mahakasiky an'i Jerobala vo gny akohonany, dra raha nagnafay anazy araky ze mendriky anazy handrareo__ 17 __dra mihevisy fa nialy ho andrareo gny babako, nanao vy levonigny ainy, dra namozy andrareo tamigny tagnan'i Midiana__ 18 fa amizao handrareo dra fa nisanga hanohisy gny akohonan-drako dra namono reo zanadahiny, dra olo fitopolo, teo agnabom-bato raiky zay. Dra nataondrareo pazaka eo amireo pitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky gny panopo apelany, akory havandrareo izy. 19 Raha nanao gny mary vo mahisy tamin'i Jerobala vo gny akohonany handrareo, dra tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, dra hagnenga anazy hiravoravo amindrareo. 20 Fa gny sy zay, dra aoka hisy afo hiboaky avy ao amin'i Abimeleka dra hagnoro gny olon'i sekema vo Beta-milo. Aoka hisy afo hiboaky avy ao amin'ireo olon'i Sekeka vo Beta-milo hagnoro an'i Abemeleka.''' 21 Nandososy dra nienga i Jotama, dra nandeha tagny Bera izy. Nitoboky tagny izy satria lavisy an'i Abimeleka rahalahiny zay. 22 Nanapaky teo amin'Israely nandrisy gny telo tao i Abimeleka. 23 Da nandefa fagnahy rasy teo amin'i Abimeleka vo reo pitarik'i Sekema Zagnahary. Namadiky gny toky zay nanagnan'izy reo tamin'i Abimeleka reo pitarik'i Sekema. 24 Nanao zay Zagnahary ba ho voavaly faty gny herisetra natao tamin'ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy, dra ho voata ho tompon'atoky reo olon'i Sekema satria nagnapy anazy namono an'ireo rahalahiny izuy reo. 25 Dra nametraky olo handigny teo a-tampo-kavoana reo pitariky ba hahafahan'izy reo mamely anazy tapoky, dra nirobahin'izy reo aby reo zay niriosy teo amin'izy reo teo amin'izay lala zay. voatatisy tagny amin'i Abimeleka zay. 26 Dra avy nindray tamin'ireo havany i Gala zanak'i Ebeda dra nagnagny Sekema. Nana fitokisa taminazy gny pitarik'i Sekema. 27 Niboaky tagny asaha izy reo dra nagnoro voaloboky avy tao amigny tani-voloboky, dra nihisakisahiny zay. Nanao firavoravoa tao atragnon'ny Zagnahariny izy reo, zay nihinanan'izy reo vo ninomany, dra nagnozognan'izy reo an'i Abimeleka. 28 Hoy i Gala, zanak'i Ebeda ho: ''Iza moa i Abimeleka, dra iza i Sekema, gny dra tokony hanopo anazy isika? Moa sy zanak'i Jerobala se izy? Moa sy Zebola se gny lefiny? Tompoy gny olon'i Hamora, dra gny baban'i Sekema zay! Nanaoakory isika gny tokony hanopo an'i Abimeleka? 29 Iriko ba teo ambany fifehezako itiky vahoaky itiky!Dra ho nalako i Abimeleka. Dra nizaka tamin'i Abimeleka zaho ho: ''Tokavo gny tafikao aby.'' 30 Gny fa nahare gny zakan'i Gala zanak'i Ebeda aby i Zebola, manam-bininahisy gny tana, dra nirehisy gny fahoriany. 31 Nandefa iraky tagny amin'i Abimeleka izy ba hamitaha, nanao anizahoky ho: "Ingo, Gala zanak'i Ebeda vo reo havany dra ho avy agny Sekema, dra magnenga gny tana hanohisy anao ereo. 32 Amizao dra, mifohaza miaraky aminao, dra magnomana fanafiha tapoky agny agnahisy. 33 Dra amigny maray, vatany vo mihirasy gny masoandro, dra mifohaza vo maray dra manova rodobe egny amigny tana. Gny fa miboaky hanohisy anao izy vo reo olo miaraky aminazy, dra manova ze afakao amin'ereo." 34 Dra nifoha nandrisy gny hariva i Abimeleka, vo reo lelahy aby ze niaraky taminazy, dra nametraky fanafiha tapoky hanohisy an'i Sekema ereo__nizara ho atoko efasy zay. 35 Niboaky i Gala zanak'i Ebeda dra nisanga teo amigny fidira teo amigny vavahadinigny tana. Niboaky boak'ao amigny toera fivoniany i Abimeleka vo reo lelahy niaraky taminazy. 36 Gny fa hitan'i Gala reo lelahy, dra hoy izy tamin'i Zebola ho: "Ireo, misy olo mizoso boak'agny atapo-kavoa!" Hoy Zebola taminazy ho: "Manahaky gny olo gny fahitanao reo aloky eo amigny havoa." 37 Dra nizaka ndraiky i Gala dra nanao anizahoky ho: "Ireo, misy olo mizoso eo agnevonigny tany, dra misy atoko raiky avy eo amigny hazo terebitan'ireo panondro." 38 Dra hoy Zebola taminazy: "Eza reo zaka mieboeboanao amizao, hanao gny nizaka ho: 'Iza moa i Abimeleka gny tokony ho toposika?' Moa ra sy nagnamavo reo lelahy reo hanao? Miboaha amizao dra mialia amin'ereo." 39 Niboaky i Gala dra nitariky reo lelahin'i Sekema, dra nialy tamin'i Abimeleka ereo. 40 Nagneziky anazy i Abimeleka, dra nienga teo anoloany i Gala. Maro gny lavonigny rasy mahafaty teo anoloanigny fidira teo am-bavahadinigny tana. 41 Nitoboky tagny Amora i Abimeleka. Niteren'i Zebola hiboaky an'i Sekema i Gala vo reo havany. 42 Gny maraindray dra niboaky ho agny asaha reo vahoakin'i Sekema, dra voatatisy tagny amin'i Abomeleka zay. 43 Nangalaky reo vahoakiny izy, nizara anazy reo ho atoko telo, dra nagnoma fanafiha tapoky tagny asaka niboako boak'agny atana dra nanafiky izy dra nahafaty anereo. 44 Nanafiky dra namepy gny filira teo amigny vavahadin'ny tana i Abimeleka vo reo atoko nindray taminazy. Reo atoko ro hafa dra nanafiky an'ireo aby tagny asaha dra namono anazy reo. 45 Nialy hagnodidy gny tana aby tamin'izay tontolo andro zay i Abimeleka. Nambabo gny tana izy, dra nahafaty an'ireo vahoaky zay tao ami'zay. Nirobahiny gny mandan'ny tana dra nandrarahany sira zay. 46 Gny nahare gny momba zay reo pitariky teo amigny tilikambon'i Sekema, dra nilisy tao amigny fiarova fatrasin'ny tragnon'i El-berita izy reo. 47 Nizaka tamin'i Sbimeleka fa nindrai-nivory amigny tilikambon'i Sekema gny pitariky aby. 48 Nandeha niakasy tagny atendrombohisy Zalmona i Abimeleka, izy vo reo lelahy aby nindray taminazy. Nangalaky famaky i Abimeleka dra nanapaky rasa-kazo. Natobiny teo asorony zay dra nibaiko reo lelahy nindray taminazy izy ho: ''Izay hitandrareo ataoko, malaky dra manova manahaky gny nataoko.'' 49 Dra nikapa rasa-kazo gny olon'aby dra nagnaraky an'i Abemeleka. Navangongon'izy reo teo amigny rindrin'ny zay, dra noroan'izy reo, kay dra maty avo koa gny olo aby tao amigny tilikambon'i Sekema ,dra lelahy vo vehivavy magnodidy gny arivo zay. 50 Dra nagnagny Tebeza i Abimeleka, dra nitoboky tandrifin'i Tebeza izy dra nambabo zay. 51 Sangy nisy tilikambo fatrasy tao amigny tana, dra vaky nandososy nagnao ami'zay reo lelahy vo vehivavy dra reo pitariky gny tana aby dra nizoso tao. Avy eo dra niakasy tegny atafon'ilay tilikambo izy reo. 52 Nagnagny amigny tilikambo i Abimeleka dra nialy tamizay, dra niakasy nagnariny gny vatrangaranigny tilikambo izy ba hagnoro anazy. 53 Saiky nisy apela nandasaky vato fandisanam-bary teo amigny lohan'i Abimeleka dra nahavaky gny karan-dohany. 54 Boak'eo dra nitoka malaky anigny tovolahy ze pinday gny fialia izy, dra nizaka taminazy ho: "Aboaho gny sabasao dra vonoy zaho, ba sy hisy hizaka gny aminahy ho: 'Apela gny namono anazy."' Dra nitrobaranigny tovolahy izy, dra maty. 55 Gny fa hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, dra noly ereo. 56 Ko dra namaly faty gny faharasian'i Abimeleka ze nataony tamin-drany tamigny namonoany reo rahalahiny fitopolo zagnahary. 57 Naherin'Agnahary teo amigny lohan'ereo avo gny faharasian'ireo olon'i Sekema dra nanody anereo gny ozon'i Jotama zanak'i Jerobala.