Toko faha 10

1 Tafaran'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, lelahy boak'agny Isakara ze nony tagny Samira, tagny amigny tany havoanigny Efraima, nisanga ba hagnafaky an'Israely. 2 Nisara gny Israely nandrisy gny telo amby ropolo tao izy. Maty izy dra nalevy tagny Samira. 3 Nilimbizin'i Jaira gny Gileadita izy. Nisara gny Israely nandrisy gny ro amby ropolo tao izy. 4 Nanagnanaky telopolo lahy ze nitikisy boriky telopolo izy, dra nana tana telopo ereo, ze tonoka ho Havota-zaira mandrak-androany, tagny amigny zakan'i Gileada ereo. 5 Maty i Jaira dra nalevy tagny Kamona. 6 Nagnapy gny rasy ze nataon'ereo teo amason'i Yaveh gny vahoakin'i Israely dra nanopo reo Bala, reo Astarta, reo zagnaharin'i Arama, reo zagnaharin'i Sidona, reo zagnaharin'i MOaba, reo zagnahary gny vahoakin'i Amona, dra reo zagnaharin'i Filistina. Nagnenga an'i Yaveh ereo dra sy nanopo anazy sasy. 7 Nirehisy tamin'i Israely gny haorian'i Yaveh, dra naviliny teo atagnan'ireo Filistina vo teo atagnan'ireo Amonita ereo. 8 Namotiky vo napahory gny vahoakin'Israely ereo tamizay tao zay, dra napahorin'ereo nandrisy gny valo ambiny folo tao gny vahoakin'i Israely aby ze tagny andafin'i Jordana tagny amigny tanin'ireo Amorita, ze agny Gileada. 9 Dra gny nisaky an'i Jordana ba hialy tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, dra tamigny akohonan'i Afraima reo Amorita, ba hapasiaky fatrasy an'Israely. 10 Dra nitoka fatrasy an'i Yaveh gny vahoakin'Israely, nanao anizahoky ho: "Fa nanota taminao zahay, akory nagnenga gny Zagnaharinay izahay dra nanopo reo Bala." 11 Hoy i Yaveh tamigny vahoakin'Israely: "Sy nagnafaky andrareo tamireo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12 dra ko tamireo Sidoniana ra Zaho? Napasiaky andrareo reo Amalekita vo reo Maonita; dra nitoka fatrasy anahy handrareo, dra nafahako tamigny herin'ereo handrareo. 13 Dra bo nagnenga Anahy ndraiky handrareo dra nanopo reo zagnahari-hafa. Noho izay, sy hagnapy gny fotoa hagnafaky andrareo zaho. 14Mandehana dra tokavy fatrasy reo zagnahary ze nitopondrareo. Angao ereo hagnavosy andrareo gny fa misy olo handrareo. 15 Hoy reo vahoakin'Israely tamin'i Yaveh: "Nanota izahay. Atovy aminay na ino na ino mety ho soa Aminao. Fa koa, ba avoty re zahay amity andro tihoky." 16 Dra nangalaky anireo zagnahary sy izy teo aminazy ereo dra nanopo an'i Yaveh. DRa sy zakan'i Yaveh sasy gny fahorian'Israely. 17 Dra nindray nivory reo Amonita dra nanaga toby tao Gileada. dra nindray tomboky reo Israely dra nanaga gny tobiny tagny Mizpa. 18 Reo pitariky gny vahoakin'i Gileada nifapizaka ho: "Iza gny lelahy ze hanomboky hialy amireo Amonita? Ho lasa pitariky reo ze nitoby tagny Gileada aby izy."