Toko faha 11

1 Dra Jefta dileata dra pialy mahery, saiky zanaky pivaro-tegna izy. Gileada gny rany. 2 Niteraky reo zanadahiny hafa koa gny valin'i Gileata. Fa gny lahibe gny zanaky gny valiny, dra niteren'ereo hangnenga gny trgano i Jefta sady nanao taminazy ho:''Sy handova na ino na ino laha tamy fianakavia ianao. Zanaky gny ampela hafa ianao.'' 3 Noho zay dra nipotaky an'ireo rahalahiny Jefta dra mony tagny amy tanin'i Toba. Nisy lelahy sy pagnara-dalana nagnato anazy ka avy ereo dra nandeha niaraky taminazy. 4 Andro kidiky tatio afara, dra nialy tamin'Israely gny vahoakin'i Amona. 5 Fa gny nialy tamin'Israely gny vahoakin'i amona, dra avy ninday an'i Jefta laha tagny amy tanin'i Toba hihery reo loholon'i Gileada. 6 Hoy izy reo tamin'i Jefta ho:''Avia dra meteza ho pitariky anay ba hahafahanay miay amy vahoakin'i Amona. 7 Hoy Jefta tamin'ireo pitariky an'i Gileada ho:''Sy tia anahy iandrareo dra nanery anahy hangnenga gny tragnon-drako. 8 Manao akory andrareo amizao gny magnatio aminahy fa gny ao agnatiny olana?''Hoy reo loholon'i Gileada tamin'i Jefta ho:''zay gny antony hitolianay aminao amizao;andao hiaraky aminay dra hialy amy vahoakin'i Amona, ka ho avy pitariky amin'izay aby mony ao Gileada ianao. 9 Hoy Jefta tamin'ireo loholon'i Gileada ho:''Raha andesinao moly ba hialy amy vahoakin'i Amona draiky zaho, dra raha omen'i Yaveh fandrese isika, dra ho pitariky andrareo zaho.'' 10 Dra hoy reo loholon'i Gileada tamin'i Jefta ho:''Yaveh se ho vavolombelo eo amisika vo ianao raha sy manao araky ze zakasika isika!'' 11 Noho zay dra lasa niaraky tamin'ireo loholon'i Gileada i Jefta, dra nataony vahoaky ho pitariky vo pibaiko anazy reo izy. Fa gny teo anatrehan'i Yaveh tagny Mizpa izy , dra nagnery reo fapanatena aby nataony i Jefta. 12 laha teo Jefta nagniraky pinday hafasy ho agny Pazaka gny vahoakin'i Amona, manao ho:''Ino itio aly eto amisika itio?Nanao akory ianao gny avy tamin-kery hangalaky gnt taninay?'' 13 Dra namaly agny mpinday hafasin'i Jefta gny Pazakany vahoakiny Amona ho:''Satria tamy vahoakin'Israely niboaky laha tagny Egypta, dra nalan'ereo gny taniko hatragny Arnona ka hatragny Jaboka, ka hatragny Jordana. Amizao hahiregno am-pilamina reo tany reo.'' 14 Dra nandefa mpinday hafasy ho agny amy Pazaka gny vahoakin'i Arnona draiky i Jefta, 15 dra hpy izy ho:''Zao gny ambaran'i Jefta:Sy nalan'Israely gny tanin'i Moaba vo gny taniny vahoakin'i Amona, 16 fa niakasy laha tagny Egypta ereo, dra Israely nandeha namakivaky gny efisy nagnagny amy Ranomasy Mena vo tany Kadesa. 17 Fa gny nandefa mpinday hafasy ho agny amy Pazakan'i Edoma i Israely, nanao ho:'Miangavy ra ba angao zahay handalo eo amy tanindrareo,'dra sy niteno gny pazakan'i Edoma. Nandefa mpinday hafasy tagny amy pazakan'i Moaba avo koa izy reo, fa nanda izy. Noho zay dra nizano tao Kadesa i Israely. 18 Dra nandeha tagny an'efisy ereo dra nivily agny tanin'i Edoma vo gny tanin'i Moaba, ka nandeha nagnaraky gny morony asignanany tany Moaba dra nitoby tao amy gny hilan'i Arnona.Fa sy nandeha nagnagny amy faritanin'i Moaba izy reo, satria sisin-tanyin'i Moaba i Arnona. 19 Dra Israely nandefa mpinday hafasy tagny amin'i Sihona, Pazakan'ereo Amorita, zay nazaka tagny Hesbona;hoy Israely taminazy ho:'Miangavy, angao zahay ba hisahaky gny taninao magnagny amy toera ze anay.' 20 Saiky sy nahatoky an'Israely hisahaky gny faritaniny i Sihona. Noho zay dra nagnonin'i Sihona gny tafiny aby dra nafindrany tagny Jahaza zay , dra tagny izy gny nialy tamin'Israely. 21 Dra Yaveh, gny Zagnaharin'i Israely, nanolosy an'i Sihona vo gny vahoakany aby teo am-pelatagnan'i Israely ka rambesin'ereo.Noho zay dra nalan'i Israely gny tanin'ereo Amorita aby ze mony tao amin'izay firenena zay. 22 Nalan'ereo avo koa gny raha iaby tao amy faritanin'ireo Amona, hatragny Arnona ka hatragny Jaboka, dra hatragny an'efisy ka hatragny Jordana. 23 Dra tafaran;izay Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra nandroaky reo Amorita teo anatrehan'i Israely vahoakany, ka tokony hangalaky ho fanagna gny tanin'ireo se ianao amizao? 24 Moa sy hangalaky gny tany ze nomen'i Kemosy, zagnaharinao ho anao se ianao?Noho zay na ino na ino tany omen'i Yaveh Zagnaharisika asika, dra ho alasika . 25 Dra soa noho i Balaka zanadahin'i Zipora, Pazakan'i Moaba se ianao?Mahavany nialy hevisy tamin'Israely se izy?Mahavany nanangan'aly tamin'ireo se izy? 26 Fa gny nipetraky nandrisy gny telozato tao tagny Hesbona vo reo zana-bohiny i Osraely, dra tagny Aroera vo reo zana-bohiny, vo tagny amin'ireo tana fa gny ze egny amoron'o Arnona-koa nanao akory iandrareo gny sy ninday anazy reo nihery tamin'izay fotoa zay? 27 Sy nanao rasy andrareo zaho, fa iandrareo koa manao rasy anahy amy fanafiha anahy. Yaveh, gny pisara, gny hanapa-kevisy anio gny amy vahoakin'Israely vo gny vahoakin'i Amona.'' 28 Nefa sy nirahara gny fampitandrema ze nalefan'i Jefta tagny aminazy gny Pazakany vahoakin'i Amona. 29 Laha teo amin'i Jefta gny Fagnahin'i Yaveh, ka niriosy an'i Gileada vo Manase izy , dra niriosy an'i Mizpa agny Gileada, dra laha tao Mizpa an'i Gileada izy dra nandalo gny vahoakin'i Amona. 30 Nanao voady tamin'i Yaveh i Jefta dra nanao ho:''Raha omenao fandrese eo ay vahoakin'i Amona zaho, 31 dra na ino na ino miboaky gny vatrangara gny tragnoko ba hitsena anahy fa gny mihery am-piadana laha tagny amy vahoakin'i Amona zaho, dra ho an'i Yaveh, dra hatolosy ho fagnatisy oroa zay.'' 32 Dra niriosy teo amy vahoakin'i Amona i Jefta ba hialy hanohisy anazy reo, dra nomen'i Yaveh anazy gny fandrese. 33 Nanafiky anazy reo izy dra nahavy famonoa lahibe tao Aerora ka hatragny Minita-tana ropolo-ka hatragny Abela-keramina. Ka dra tao ambany fifehezany vahoakin'Israely gny vahoakin'i Amona. 34 Laha tao an-tragnony tagny Mizpa i Jafta, dra niboaky laha tao gny zanakapelany ba hisena anazy amy apongatapaky vo sizaky. Izy raiky gny avo gny zanany, dra ankoasy anazy dra sy nana zanadahy va ampela izy. 35 Vatany vao hitany izy, dra nitriatriny gny akazony dra hoy izy ho:''Ry zanakapelako! Nizakazakanao tamy alahelo zaho, dra ianao gny lasa mampahory anahy!Satria nanao fianiana tamin'i Yaveh zaho, dra sy afaky mihery amy fampanatenako.'' 36 Hoy izy taminazy ho:''Ry rako, nanao voady tamin'i Yaveh ianao, atovy aminahy gny raha aby napanatenanao, satria fa namaly faty an'ireo fahavalonao, dra reo Amorita i Yaveh.'' 37 Hoy izy tamin-drany ho:''Ao tano anahy zay fapanatena zay. Angao ho raiky mandrisy gny ro vola zaho, ba hahafahako magnenga ka mandeha magnagny amin'ireo havoa dra hitomagny gny maha-veriziny anahy, zaho vo gny fangoraham-poko.'' 38 Hoy izy ho: "Mandehana." Nalefany nandrisy gny ro vola izy. Dra nagnenga anazy rapela, izy vo gny fangoraha-pony, dra nitomagny gny maha virziny anazy tagny amigny havoa. 39 Gny fa vita gny ro vola dra nihery tagny amigny babany izy, ze nanao taminazy araky gny voady fapanatena ze nataony. Dra sy bo nindray nadry tamigny lelahy izy, dra lasa fomba fanao isa-tao tao Israely 40 fa hagnery hitatara anizay tataranigny zanakapelan'i Jefta gny Gileadita zay, mandrisy gny efis'andro, reo zanakapelan'i Israely.