Toko faha 12

1 Nisy toka avy ho an'ireo lelahin'i Efraima;namakivaky an'i Zafona izy reo sady nizaka tamin'i Jefta ho:''Nanao akory ianao gny nandeha amy vahoakin'i amona dra sy mitola anay hiaraky aminao? horoanay ianao vo gny tragnonao.'' 2 Hoy i Jefta tamin'ireo ho:''Zaho vo gny vahoakiko dra nana fifagnakania lahibe tamin'ireo vahoakin'i Amona. Taminigny nitokavanao anahy , dra sy namozy anahy amin'ereo ianao. 3 Fa gny hitako fa sy namozy anahy ianao, dra napetrako tamy tazako manotolo gny fianako dra namakivaky gny vahoakin'i Amona zaho, ka nomen'i Yaveh anahy gny fandrese. Nanao akory ianao gny avy hiali aminahy amizao? 4 Nampivorin'i Jefta niaraky gny lelahy aby tao Gileada ka nialy tamin'i Efraima izy. Nanafiky an'ireo lelahin'i Efraima reo lelahin'i Gileada satria hoy ereo ho:''Iandrareo Gileada dra mpilomay agny Efraima-ao efraima vo Manase.'' 5 Nisamborin'ireo Gileadita reo fitan'i Jordana magnagny Efraima. Raha misy amin'ireo sisa velo mizaka ho:''Angao zaho hisaky gny renirano,''dra hizaka anazy reo lelahin'i Gileada ho:Efraimita se ianao?''Raha mizaka izy ho:''Haha'' 6 dra hizaka aminazy ereo ho:''Tognony ho:Shiboleta, ''dra raha mizaka izy ho:''Siboleta''(satria sy nahay nanogno gny zaka mazava izy), dra hosamborin'ireo Gileada izy dra hovono eo amy fitany Jordana. Ro arivo sy efasy aly reo Efraima nivono tamin'izay fotoa zay. 7 Niasa manahaky gny pisara nanera an'i Israely nandrisy gny eny tao i Jefta. Laha teo dra maty i Jefta gny Gileadita dra nalevy tao amy raiky amin'ireo tana gny Gileada. 8 Tafarany, dra i Ibzana laha tao Betlehema gny niasa ho pisara an'i Israely. 9 Nana zanadahy telo-polo izy. Nahafo zanakapela telo-polo hampakary izy, dra ninday reo zanakapelany telo-polo agny lelahy hafa laha tagny ambaliky ho agny zanadahiny izy. Nisara an'i Israely nandrisy gny fito tao izy. 10 Maty Ibzana dra nalevy tao Betlehema. 11 Tafarany dra i Elona gny Zebolonita gny niasa manahaky gny pisara an'Israely. Nisara an'Israely nandrisy gny folo tao izy. 12 Maty i Elona gny Zebolonita dra nalevy tao Aialona tagny amy tanin'i Zebolona. 13 Nagnaraky anazy, dra Abdona zanadahin'i Elela gny Piratonita gny niasa manahaky pisara an'Israely. 14 Nana zanadahy efapolo izy dra zafikely lahy telopolo. Nitikisy ampondra fitopolo ereo. Dra nisara an'Israely nandrisy gny valotao izy. 15 Maty i Abdona zanadahin'i Elela gny Piratonita dra nalevy tao Piratona tagny amy tanin'i Efraima tany havoany firenen'ireo Amalekita.