Toko faha 13

1 Nanao zay rasy teo amason'i Yaveh draiky gny vahoakin'Israely , ka natolony teo an-tagnany'ireo Filistiana nandrisy gny efapolo tao izy reo. 2 Nisy lelahy raiky laha tagny Zora,laha tamy fianakavian'ireo Danita, Manoa gny agnarany. Sy afaky nibevoka gny valiny ka dra niteraky izy. 3 Niseho tamin-drapela gny azelin'i Yaveh ka nanao taminazy ho:''Ingo amizao, sy afaky nibevoka ianao, dra sy niteraky , nefa hibevoka ianao dra hiteraky zanadahy. 4 Dra mitandrema ba sy hino divay na raha-finomy mahery, dra ka mihina raha maloto. 5 Ingo, hibevoka ianao dra hiteraky zanadahy. Sy hisy hareza ampiasa amy lohany, satria Nazirita ho agn'Agnahary hatragny an-troky gny zaza, dra izy gny hanomboky hagnafaky gny Israely eo an-tagnan'ireo Filistina.'' 6 Dra avy rapela ka nizaka tamy valiny ho: ''Nisy lelahin'Agnahary avy taminahy, dra manahaky gny azelin'Agnahary gny fahita anazy, tena mapatahosy.Sy nagnontany anazy zay niaviany zaho, dra sy nizaka taminahy gny agnarany izy. 7 Dra hoy izy taminahy ho:''Ingo!Hibevoka, dra hiteraky zanadahy ianao.Dra noho zay dra ka mino divay na raha-finomy mahery, dra ka mihina sakafo zay ambarany lalana fa maloto, satria gny zaza dra ho Nazarita ho agn'agnahaty manomboky amy fotoa maha ao am-bohoka anazy hatramy andro hahafatesany.'' 8 Dra nivavaky tamin'i Yaveh i Manoa ka nanao ho:''Tompo o , ba angao gny lelahin'Agnahary nirahinao hihery aminay draiky ba hampianarany anay ze tokony ataonay amy zaza ze ho teraky sy ela.'' 9 Namaly gny vavak' Manoa i Yaveh, ka avy tamin-drapela draiky gny azelin'Agnahary raha nipetraky tagny antanimboly izy. Nefa sy niaraky taminazy i Manoa valiny. 10 Ko nihazakazaky fatrasy rapela dra nizaka gny valiny ho: "Ingo! Niseho taminahy gny lelahy_gny avy taminahy ndraiky andro igny!" 11 Dra nisanga i Manoa dra nagnaraky ambalikigny. Gny fa avy teo amigny lelahy izy, dra hoy izy ho: "Ino ra gny lelahy nizaka tamigny valiko?" Dra hoy ralelahy ho: "Zaho gny izy." 12 Ko dra hoy i Manoa ho: "Amizao ho tateraky anie reo zakanao. Ino gny ho fisipiky ho anigny zaza, dra ino gny ho fisipiky?" 13 Hoy gny azelin'i Yaveh tamin'i Manoa ho: "Sy maisy hanao apitandrema gny raha aby ze nizakako taminazy izy. 14 Sy afaky mihina na ino na ino ze boak'amigny voalonoky izy, dra ka anga mino divay na raha finomy mahery; ka anga mihina sakafo ze mzakanigny lalana fa maloto izy. Tokony hakato gny raha aby nandidiako anazy hataony izy." 15 Hoy i Manoa tamigny azelin'i Yaveh ho: "Ba mizanogna kelikely re, ba hagnome fotoa anay hikarakara zanak'osy ho anao." 16 Hoy gny azelin'i Yaveh tamin'i Manoa ho: "Na dre hizano aza zaho, dra sy hihina gny sakafonao akory. Fa raha magnoma fagnatisy oroa hanao, dra atolory ho an'i Yaveh zay." (Sy fatas'i Manoa fa azelin'i Yaveh izy.) 17 Dra hoy i Manoa tamigny azelin'i Yaveh ho: "Iza gny agnaranao, ba hahafahanay magnoma voninahisy anao gny fa tateraky reo zakanao?" 18 Dra hoy gny azelin'i Yaveh taminazy ho: "Nagnino gny magnotany gny agnarako hanao? Soasoa zay!" 19 DRa nalan'i Manoa niaraky tamigny fagnatisy hohany gny zanak'osy dra natolony teo agnabo vatolapy ho an'i Yaveh reo. Nanao raha mahagaga izy raha hagnety igny i Manoa vo gny valiny. 20 Gny fa niakasy boak'eo amigny alitara nagnagny andagnisy gny lelan'afo, dra niakasy tao agnatinigny lela afonigny alitara gny azelin'i Yaveh. Nahita anizay i Manoa vo gny valiny dra napekohoky gny tavan'ereo tamigny tany. 21 Sy niseho tamin'i Manoa vo gny valiny sasy gny azelin'i Yaveh. Dra fatas'i Manoa fa azelin'i Yaveh izy. 22 Hoy i Manoa tamigny valiny ho: "Ho maty vatany isika, akory niseho tamisika zagnahary!" 23 Nefa hoy gny valiny taminazy ho:''Raha te hamono asika Zagnahary, dra sy nandramby gny fagnatisy oroa vo gny fagnatisy hohany nomesika anazy izy. Sy tokony nampiseho asika reo raha iaby reo izy, na namela asika hahare raha manahaky anizay amin'izao fotoa zao.'' 24 Tatio afara dra niteraky zanadahy rapela, dra nataony ho samsona gny agnarany. Nihalahibe gny zaza dra nitahy anazy i Yaveh. 25 Nanomboky nagnesiky anazy tagny Mahana-dana gny Fagnahin'Agnahary, teo agnelagnelan'i Zora vo Estaola.