Toko faha 14

1 Nizoso tagny Timna i Samsona, dra nahita vehivavy raiky izy, zay raiky ami'reo zanaky vavin'ireo Filistina. 2 Gny fa nihery izy, dra nizaka taminy babany vo reniny ho: ''Nahita apela raiky tao Timna zaho, raiky ami'reo zanaky vavin'ireo Filistina. DRa alao ba hovaliko izy.'' 3 Hoy gny babany vo gny reniny taminazy ho: ''Moa se sy misy apela ami'reo zanaky vavin'ny havanao, na ami'reo vahoakinao aby? Hangalaky valy avy ami'reo filistina sy mifora hanao?'' Hoy i Samsona tamigny bababny ho: ''Alao hon'ahy izy, fa gny nagnety anazy zaho, dra mahafinarisy anahy izy.'' 4 Fa gny babany vo gny reniny dra sy nahalala fa avy amin'i Yaveh zay raha zay, satria nagniry gny hananga aly ami'ireo filistina Izy (satria tamin'izay fotoa zay dra reo filistina gny nazaka tao Israely). 5 Dra nizoso tagny Timna nindray tamigny babany vo gny reniny i Samsona, dra nagnagny amigny tani-volobok'i Timna izy reo. Dra, ingo, nisy liona tanora raiky nagnato dra nierona taminazy. 6 Avy tapoky taminazy gny fagnahin'i Yaveh, dra nosamahiny mora manahaky gny magnasamaky zanak'osy gny liona, dra sy nisy dre ino na ino tegny atagnany. Nefa sy nizakany tamin'ny babany na gny reniny zay nataony. 7 Nandeha izy dra nizaka tamigny vehivavy, dra gny nagnety anazy izy, dra nahafinarisy an'i Samsona izy. 8 Andro visivisy tatiky afara gny nihery hangalaky valy anazy izy, dra nivily lalana izy ba hagnety gny fatin'ny gny liona. Dra, ingo, nisy andian-tantely vo tantely teo amigny sisa tavela tamigny vatan'ilay liona. 9 Nahorony tegny atagnany gny tantely dra nandeha izy, sady nandeha izy gny nihina. Gny fa avy tagny amigny babany vo gny reniny izy, dra nagnomeny apahany izy reo, dra nihina. Nefa sy nizakany anazy reo fa nalany tegny amigny sisa tavela tamigny vatan'ilay tantely. 10 Nizoso tagny ami'zay nisy an'ilay vehivavy gny baban'i Samsona, dra nanao fanasana tagny i Samsona, satria zay gny fomban'ny tovolahy. 11 Gny vo hitan'ny havany vehivavy izy, dra nandesan'izy reo telopolo tami'reo namany ba hindray aminazy. 12 Hoy i Samsona tamin'izy reo ho: ''Angao zaho anio hizaka akamatasy amindrareo. Gny misy raiky amindrareo mahita zay dra mizaka aminahy gny valiny mandrisy gny fito andro fanasa, dra homeko rongony fosy madiniky telopolo vo akazo fisolo telopolo. 13 Fa gny sy mahazaka aminahy gny valiny handrareo, dra homendrareo rongony fosy madiniky vo akazo fisolo telopolo isa zaho.'' Hoy izy reo taminazy ho: ''zakao anay gny akamatasao, ba hahafahanay mandre izay.'' 14 Hoy izy tamin'izy reo ho: ''avy ao amigny pihinana gny misy raha fihina; avy ao amigny matazaky gny misy raha malefaky.'' Saingy sy nahita gny valiny tao agnatin'ny telo andro reo vahiny nasainy. 15 Tamigny andro fahaefasy dra hoy ereo tamigny valin'i Samsona ho: "Fitaho gny valinao ba hizakany aminay gny valinigny akamatasy, raha sy zay dra hagnoroanay hanao vo gny tragnonigny babanao. Nasandrareo tatiky ba ho apahatra angaha zahay?" 16 Nanomboky nitomagny teo agnatrehany gny valin'i Samsona; hoy izy ho: "Halanao zaho! sy tia anahy hanao! Nanao akamatasy tamigny ilany tamireo vahoakao hanao, fa sy hizaka taminahy gny valiny." Hoy Samsona taminazy ho: "Atio zaho, raha sy nizaka tamigny babako na gny reniko zaho, dra tokony hizaka aminao ra?" 17 Nitomagny nandrisy gny fito andro naharetanigny lolo izy. Tamigny andro fahafito dra nizakany taminazy gny valiny akory nanery fatrasy anazy izy. Dra nizakany tamigny havanigny vahoakiny gny valiny. 18 Nialohanigny niletehanigny masoandro tamigny andro fahafito dra reo lelahy teo atana taminazy ho: "Ino gny mamy mihoasy gny liona?" Hoy i Samsona tamin'ereo ho: "Raha sy nindray sikombakomba tamigny valiko handrareo, dra sy nahita gny valinigny akamatasy." 19 Dra avy tapoky tami-kery tao amin'i Samsona gny Fagnahin'i Yaveh. Nizoso tao Askelona tamigny lelahin'ereo telopolo tamigny lelahin'ereo. Nalany gny raha nobabon'ereo, dra nameny reo ze nagnazava gny akamatasy gny akazon'ereo. Tami-fahoria fatrasy, dra niakasy tagny amigny tragnonigny babany izy. 20 Natolosy gny namany mariny anazy gny valin'i Samsona.