Toko faha 15

1 Andro maromaro tatiky afara, nandrisy gny fotoa-pizizam-bary, dra nangalaky zanak'osy i Samsona dra nandeha namangy gny valiny. Hoy izy tamigny vatany ho: "Handeha ho agny amigny efitragno-baliko zaho." Nefa sy nagnenga anazy nalisy gny babany. 2 Hoy gny babany ho: "Tena nihevisy zaho fa nalaiky anazy hanao, dra nameko gny namanao izy. Soa noho izy gny zainy apela, sa sy zay? Alao ho solony izy." 3 Namaly anereo i Samsona ho: "Amizay fotoa zay dra sy hana-signy eo amason'ireo Filistina zaho raha manao ze mapalahelo anereo." 4 Dra nandeha i Samsona dra nanambosy amboahaolo telozato dra namehy anereo siroro, isan-drambony. Boak'eo dra nangalaky fanilo izy dra namehy anireo teo agnevonigny rambo ro. 5 Gny fa nandrehisy gny fanilo izy, dra nagnenga reo amboahaolo handeha egny amigny vary magnirin'ireo Filistina, dra samby noroan'ereo gny vary nivory vo gny nagniry tegny asaka, niaraky tamireo tanim-boaloboky vo reo tanin'Oliva. 6 Nagnotany reo Filistina ho: "Iza gny nanao anizao?" Nizaka tamin'ereo ho: "Samsona, gny vinato lahinigny Timnita, gny nanao anizao akory nangalaky gny valin'i Samsona gny Timnita dra nagnome anazy ho anigny namany." Dra nandeha reo Filistina dra nagnoro anazy vo gny babany. 7 Dra Samsona nanao tamin'ereo ho: "Raha izay gny ataondrareo, dra hamaly faty andrareo zaho, dra gny fa vita zay, vo hizano zaho." 8 Dra nitapahiny tamigny famonoa lahibe, gny valahany vo fen'ereo. Dra nizoso izy dra nony tao agnaty lava-bato tao amigny hasan'i Atama. 9 Dra niakasy reo Filistina dra nioma ho amigny aly tagny Joda dra nananga gny tafik'ereo tagny Lehy. 10 Reo lelahin'i Joda nizaka ho: "Nagnino handrareo gny niakasy hanafiky anay?" Hoy ereo ho: "Manafiky izahay ba hahafahanay manambosy an'i Samsona, dra hanao aminazy manahaky ze nataony taminay." 11 Dra nisy olon'i Joda telo arivo niboaky tao amy lava-batony hasan'i Etama, dra nizaka tamin'i Samsona ereo ho: "Moa ra hanao sy mahafatasy fa reo Filistina gny panapaky eo amisika? Ino izao nataonao taminay zao?" Namaly anereo i Samsona ho: "Ze nataon'ereo taminahy, dra manahaky gny anizay avo koa gny nataoko tamin'ereo." 12 Hoy ereo tamin'i Samsona:''Niboaky zahay ba hamehy anao vo hanolosy anao eo am-pelatagnan'ireo Filistina. Dra Samsona nizaka tamin'ereo ho:''Mianiana aminahy fa sy iandrareo gny hamono anahy.'' 13 Hoy ereo taminazy ho:''Haha, hamehy anao amy taly avo zahay dra hanolosy anao eo amin'ereo. Mampanatena zahay fa sy hamono anao.''Dra namehy anazy tamy taly eo vaovao izy reo dra ninday anazy niboaky laha tao amy vato. 14 Gny fa avy tagny Lehy izy, dra nihorakoraky reo Filistina raho vo nifanegna taminazy. Avy taminazy tami-kery gny Fagnahin'i Yaveh. Reo taly teo amy sandriny dra avy manahaky gny lamba rongony ma, ka nilasaky laha tegny amy tagnany. 15 Nahita valagnorano'apondra vaovao i Samsona, dra nangalaky anizay dra namono arivo lahy tamizay. 16 Dra Samsona nizaka ho: "Tamigny valanoranon'apondra gny namonoako arivo lahy, isan'atotany aby." 17 Gny fa patisy gny zakan'i Samsona, dra nalagnorano, dra tonoka ho Ramata Lehy gny toera. 18 Nangetaheta fatrasy i Samsona dra nitoka an'i Yaveh dra nizaka ho: "Nagnome anity fandresena lahibe tihoky tamigny panoponao hanao. Kanefa amizao koa moa ra ho matinigny hetaheta zaho dra ho lavo eo atagnan'ireo ze sy voatapaky?" 19 Nagnasaraky gny toera babangoa ze tagny Lehy dra nisy rano niboaky. Gny fa nino izy, dra nihery gny heriny dra velombelo ndraiky izy. Ko tonokany ho En-Hakore gny toera, dra izay dra agny Lehy mandrak'androany. 20 Nisara an'Israely nandrisy gny ropolo tao i Samsona tamigny andron'ireo Filistina.