Toko faha 8

1 Hoy reo lelahin'i Efraima tamin'i Gideona ho: "Ino zao raha nataonao taminay zao? Sy nitoka anay hanao raha nandeha nialy tamigny Midiana." Nifamaly fatrasy taminazy ereo. 2 Hoy izy tamin'ereo ho: "Ino moa gny vitako amizao raha ohary amindrareo? Moa ra gny famoriam-boalobok'i Efraima sy soa kokoa mihoasy gny fiotazam-boalobok'i Abiezera? 3 Zagnahary fa nagnome fandresena andrareo teo agnatrehan'ireo andrianigny Midiana__dra Oreba vo i Zeba! Ino moa gny vitako mihoasy ze vitanao?" Nilefy gny fahatezeran'ereo taminazy gny fa nizaka anizay izy. 4 Avy eo amin'i Jordana o Gideona dra nita anizay, izy vo reo lelahy telozato ze niaraky taminazy. Reraky loasy ereo, nefa dra bo nanohy gny fagnezehan'avo. 5 Hoy izy tamireo olo tao Sokota ho: "Ba ameo mofo reo olo magnaraky anahy, akory reraky loasy ereo, dra izaho hagneziky an'i Zebaha vo Zalamona, pazakan'i Midiana. 6 Dra hoy reo mana-pahefa ho: "Moa ra eo apelatagnanao gny tagnan'i Zebaha vo Zalmona amozao? Nagnino gny tokony hagnome mofo ho an'ireo maramilanao izahay? 7 Hoy Gideona ho: "Gny fa amen'i Yaveh fandresena izahay manoloa an'i Zebaha vo Zalamona, dra ho triatiko amigny silo boak'agny agnefisy vo raketa gny holisindrareo." 8 Niakasy boak'ao izy ba ho agny Penoela dra nizaka manahaky anizay tamigny olo tao avo koa, fa gny olo tao Penoela namaly anazy manahaky reo famalianigny olo tao Sokota. 9 Nizaka tamigny olon'i Penoela avo koa izy nanao anizahoky ho: "Gny fa tafahery apilamina ndraiky zaho, dra harodako ty tilikambo tihoky." 10 Dra niaraky tamireo maramilany tao Karkora i Zebaha vo Zalamona, tokony ho lelahy dimy arivo sy ray aly eo, ze sisa tamigny tafikinigny vahoaky asignana manotolo aby, akory nisy lelahy 120.000 lavo ze voaofa hialy amigny sabasy. 11 Niakasy gny lalanigny pitoby an-day i Gideona, nandalo tao Noha vo Jogbeha. Nandresy reo tafiky fahavalo izy, akory sy nanapo gny fanafiha ereo. 12 Nienga i Zebaha vo Zalmona, dra raha nagneziky anereo i Gideona, dra voasambony anereo i Gideona, dra voasambony reo pazaka ron'i Midiana__i Zehaba vo Zalmona__ dra napihorohorony gny tafik'ereo manotolo. 13 Gideona, zanadahin'i Joasy, dra naheriny boak'agny amigny aly dra nandalo teo lalan'i Heresa. 14 Niteno tamina zatovolahy raiky boaky amigny ponina tao Sokota izy dra nitalia torohevisy taminazy. Nizakanigny tovolahy anazy gny mombamomba anireo pitariky gny Sokota vo reo loholo tao, fito amby fitopolo lahy ereo. 15 Dra avy tao amireo lelahin'i Sokota i Gideona dra nanao anizahoky ho: "Ihoky Zebaha vo Zalmona, ze nangalandrareo anahy vo nizakandrareo ho: 'Fa nandresy an'i Zebaha vo Zalmona ra hanao? Sy fatasay fa tokony hagnome mofo an'ireo tafikao izahay."' 16 Nalan'i Gideona reo loholo tao amigny tana, dra nifihaziny tamireo silo boak'agny agnefisy vo raketa reo lelahinigny Sokota. 17 Boak'eo dra narodany gny tilikambo tao Penoela dra nivonony gny lelahy tao amizay tana zay. 18 Dra hoy i Gideona tamin'i Zebaha vo Zalmona ho: "Lelahy manahaky gny akory gny nivonondrareo tao Tabara?" Namaly ereo ho: "Manahaky anao avo koa ereo. Gny sirairay tamin'ereo dra manahaky gny zanaky pazaka avokoa." 19 Hoy Gideona ho: "Rahalahiko ereo, zanadahinigny babako. Raha velo koa Yaveh, raha namozy anereo ho velo handrareo, dra sy namono andrareo zaho. 20 Hoy izy tamin'i Jatera (lahimatoany) ho: "Misangana dra vonoy ereo!" Fa gny tovolahy sy nagnasoaky gny sabasiny fa natahosy, akory bo lelahy masaiky izy. 21 Dra hoy Zebaho vo Zalmona ho: "Misangana hanao dra vonoy izahay! Fa araky gny toesy gny olo avo gny heriny." Nisanga Gideona dra namono an'i Zehaba vo Zalmona. Nalany avo koa gny ravaky sarim-bola-signana ze teo ambozonigny ramevan'ereo. 22 Hoy gny lelahin'Israely tamin'i Gideona ho: "Manapaha anay__hanao, gny zanadahinao, dra gny zafikelinao lahy__akory hanao gny nagnavosy anay teo amigny tagnan'i Midiana." 23 Hoy Gideona tamin'ereo ho: "Sy hanapaky andrareo zaho, na gny zanadahinao koa aza dra sy hanapaky andrareo. Fa Yaveh gny hanapaky andrareo. 24 Nizaka tamin'ereo i Gideona ho: "Aoky zaho hanao fangataha amindrareo: dra gny hagnomezandrareo anahy reo kavy boaky nirobahy." (Nana kavy volamena reo Medianita akory Isimaelita ereo.) 25 Namaly ereo ho: "Akafalia gny hagnomezanay anireo anao." Namelasy lamba ereo dra samby nagnary anireo firavaky boaky nirobahiny gny lelahy aby. 26 Gny lazanigny kavim-bolamena ze nangatahiny dra sekely volamena 1. 700. Izay fandobaha zay dra niapy gny ravaky sarim-bola-sinana, reo firavaky, gny akazo volomarasy ze nanovan'ireo pazakanigny Midiana, dra niapy gny ravaky ze nagnodidy gny vozonigny ramevan'ereo. 27 Namboasy afoda boak'amireo kavy i Gideona dra napetrany tao atagnany, tao Ofra zay, dra napizangazanga gny vatany tamigny fanopoa anizay tao gny Israely aby. Lasa fandriky ho an'i Gideona vo ho an'ireo Ze tao atragnony zay. 28 Dra resy teo agnatrehanigny vahoakin'Israely reo Midiana dra sy nagnary gny lohan'ereo sasy ereo. Dra nilamy nandrisy gny efapolo tao gny tany tamigny andron'i Gideona. 29 Jerobala, zanadahin'i Joasy, nandeha dra nipetraky tao atragnony. 30 Nanagnanaky fitopolo lahy ze taranany i Gideona, akory maro valy izy. 31 Gny valisindrony, ze tao Sekema, dra niteraky zanadahy taminazy koa, dra Gideona nagnome anazy gny agnara ho: Abimeleka. 32 Gideona, zanadahin'i Joasy, dra maty gny fa trasy atisy soa dra nalevy tao Ofra tao amigny lolon'i Joasy babany, fokonigny Abiezrita. 33 Dra raha vo maty i Gideona, nihery ndraiky reo zanak'Israely dra napizangazanga gny vatany tamigny fanopoa an'ireo Bala. Nataon'ereo ho zagnahariny i Bala-berita. 34 Dra gny vahoakin'Israely dra sy nahasiaro gny hagnome voninahisy an'i Yaveh, Zagnaharin'ereo, ze nagnavosy anereo teo amigny tagnan'ireo fahavalo aby magnodidy. 35 Sy nitandry gny fapanatenany tamigny tragnon'i Jerobala (na Gideona) ereo, ba ho valinigny soa nataony aby tamin"Israely.