Toko faha 7

1 Dra nifoha maray i Jerobala (Gideona zay), vo gny vahoaky aby ze niaraky taminazy, dra nitoby teo agnilanigny loharanon'i Haroba ereo. Gny tobinigny Midiana dra tao avaras'ereo tao an-dohasaka nagnariny gny vohis'i Mpre. 2 Dra hoy Yaveh tamin'i Gideona ho: "Maro loasy aminahy reo maramila, ba hagnomeza fandresena ho anao eo amireo Midianita, ba sy hireharehan'i Israely aminahy, hanao anizahoky ho: 'Gny herinay gny namozy anay.' 3 Dra amizao, zakao eo asofinigny vahoaky dra lazako ho: 'Na iza na iza matahosy, na iza na iza matahosy, dra aoky izy hihery dra hiala ao atendrombohisy Gileada."' Dra lasa gny olo ro arivo sy ro aly noho izay, dra gny ray aly koa nizano. 4 Dra hoy Yaveh tamin'i Gideona ho: "Bo maro loasy avo gny olo. Andeso mizoso egny amigny rano ereo, dra hahenako ho anao egny gny isan'ereo. Raha hoy Izaho aminao ho: 'Ty raiky tihoky gny hiaraky aminao,' dra hiaraky aminao izy; fa raha hoy Izaho ho: 'ty raiky tihoky sy hiaraky aminao,' dra sy hiaraky aminao izy." 5 Dra nandesin'i Gideona nizoso tegny amigny rano gny olo, dra hoy Yaveh taminazy ho: "Atokano ze milelasy gny rano aby, manahaky gny filelasy gny amboa, amireo ze mandohaliky ambany ba hino." 6 Lelahy telozato gny nilelasy. Gny sisa tamigny lelahy koa nandoahaliky ba hino rano. 7 Dra hoy Yaveh tamin'i Gideona ho: "Amigny alalan'ireo telozato lahy ze nilelasy gny rano, gny hagnavotako andrareo, vo hagnomezako andrareo gny fandresena eo amireo Midianita. Aoky gny lelahy hafa hihery agny atanany aby." 8 Dra nangalaky reo vasiny vo reo tropetrany reo ze voafily. Napolin'i Gideona gny lelahin'Israely aby, gny lelahy aby ba samby ho ao an-dainy, nefa nazogniny reo telozato lahy. DRa gny tobin'i Midiana dra tao ambaniny tao an-dohasaka. 9 Tamin'io hariva io avo dra hoy Yaveh taminazy ho: "Mifohaza! Tafio gny toby, fa hameko anao gny fandresena an'izay. 10 Fa raha matahosy gny hizoso koa hanao, dra mizosoa ao atoby miaraky amin'i Pora panoponao, 11 dra tenoy ze zakan'ereo, dra hatazaho gny heri-ponao amigny fanafina gny toby." Dra nizoso niaraky tamin'i Pora panopony, tao amireo toera fiambena gny toby i Gideona. 12 Gny Midianita, gny Amalekita, vo gny olon'aby boak'agny asignana dra nindray nitoby tao an-dohasaka, maro dra maro manahaky gny andiam-balala. Sy vita isahy gny ramevan'ereo; maro noho gny fasy egny amoron-driaky ereo. 13 Gny fa avy tao i Gideona, dra nisy lelahy raiky nitatara nofy tamigny namany. Dra hoy ralelahy ho: "Ingo! Nagnonofy zaho, dra nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Dra avy tao an-day zay, sady nigay anazy fatrasy dra fatrasy dra nezera dra nidikosy ambony ambany, dra pisaky." 14 Dra hoy gny lelahy raiky ho: "Sinosino mihoasy gny sabas'i Gideona zay (zanadahin'i Joasy), gny Israelita. Fa nagnome anazy fandresena teo amireo Midiana, vo gny maramilany aby Zagnahary." 15 Gny fa ren'i Gideona ndraiky gny fizaka gny nofy vo gny fandika anizay, dra niakohoky nivavaky izy. DRa nihery tao an-tobin'i Israely izy dra nanao anizahoky ho: "Mifohaza! fa namen'i Yaveh andrareo gny fandresena gny maramila Midiana." 16 Dra nizarany ho vondro telo gny telozato lahy, dra nameny tropetra vo gny siny avo izy aby, miaraky amireo fanilo agnatinigny siny sirairay. 17 Dra hoy izy tamin'ereo ho: "Magnatia anahy dra atovy ze ataoko. Atio! gny fa avy eo amigny sisinigny toby zaho, dra sy maisy hataondrareo ze hataoko. 18 Gny fa misioky gny tropetra zaho, dra izaho vo ze miaraky aminahy aby, dra sofy magnodidy gny toby manotolo avo koa gny tropetrandrareo dra mikiofa ho: 'Ho an'i yaveh vo Gideona!"' 19 Dra avy teo asisinigny toby i Gideona vo gny zato lahy ze niaraky taminazy, tamigny fanombohanigny ategnategnan'ora faratapony. Raha teo apanoloa piamby reo Midianita, dra nisofin'ereo gny tropetra dra nivakin'ereo gny siny ze tegny atagnan'ereo. 20 Nisofin'ireo vondro telo reo tropetra dra nivakiny reo siny. Nitanan'ereo tamigny tagna akavia reo Fanilo dra tamigny tagna akavana koa reo tropetra ba hisofa anizay. Dra nihiaky fatrasy ereo ho: "Gny sabas'i Yaveh vo i Gideona." 21 Nisanga nagndidy gny toby tamigny fitoerany aby gny lelahi aby dra nienga gny maramila Midiana aby. Dra nitokatoka ereo sady nienga. 22 Gny fa nisofin'ereo gny tropetra telozato, dra nataon'i Yaveh nifamely tamigny sabasy reo Midianita vo gny namany dra gny tafiny aby. Dra nienga hatragny Beti-Sita hatragny Zereraha gny miaramila, hatragny amigny faritanin'i Abela-mehola, agnilan'i Tabata. 23 Tonokany fatrasy reo lelahin'i Israely boak'agny Naftaly, Asera, dra Manase aby, dra nagneziky gny Midiana ereo. 24 Dra nagniraky pinday hafasy nanera gny tany havoan'i Efraima aby Gideona, nanao anizahoky ho: "Mandehana mizoso hanohisy gny Midiana dra araho maso gny onin'i Jordana, hatragny Beti-bara, ba hapisahara anereo." Dra nindray nivory gny lelahin'i Efraima aby dra nagnara-maso reo rano, hatragny Beti-bara vo gny Reniranon'i Jordana. 25 Voasambos'ereo gny andrianigny Midiana ro, Oreba vo Zeba. Nivonon'ereo tagny amigny vatolapin'i Areba i Oreba, dra nivonon'ereo tagny amigny famiazam-boalobok'i Zeba i Zeba. Dra nagneziky gny Midiaa ereo, dra nandesin'ereo teo amin'i Gideona gny lohan'i Oreba vo i Zeba, ze tagny amigny lafiny raiky hafan'i Jordana.