Toko faha 6

1 Dra Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Amizao gny hahitanao ze ho ataoko amin'i Farao.Ho hitanao zay, fa hamela anazy reo handeha izy noho gny tagnako mahery.Noho gny tagnako mahery, handroaky anazy reo hiala amy taniny izy.'' 2 Zagnahary nizaka tamin'i Mosesy ka nanao ho:''zaho gny Yaveh, 3 Amy maha-ray Sitoha anahy gny nisehoako tamin'i Abrahama, Isaka dra i Jakoba;fa amy agnarako , Yaveh, dra sy nahalala anahy izy reo. 4 Nametraky fifaneke tamin'ereo avo koa zaho, ba hagnomeza anazy reo gny tanin'i Kanana, tany ze nitoeran'ereo amy mahampiavy anazy, tany ze nivezivezian'ereo. 5 Dra , nahare gny fitaraigna Israelita zay nandevoiziny Egytianina avo koa zaho, ka saroako gny fanekeko. 6 Noho zay, zakao reo Israelita ho:'Zaho gny Yaveh.Hagnafaky andrareo amy fanandevozany Egyptiana zaho, dra ho afahako amy heriny iandrareo.Hagnavosy andrareo amy fampisehoa gny heriko zaho, dra amin'ereo asa fisara fatrasy. 7 Ho alako ho vahoakiko iandrareo, dra Zaho ho Zagnaharindrareo.Ho fatandrareo ha Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo, zay nagnafaky andrareo teo ambaniny fagnandevozany reo Egyptiana. 8 Andesiko agny amy tany zay fa nampanatenako tamin'i Abrahama, Isaka, dra i Jakoba iandrareo. Dra homeko ho fanagnandrareo zay.Zaho gny Yaveh.''' 9 Raha nizaka anizay tamin'ereo Israelita i Mosesy, dra sy niteno anazy reo nohonigny hakivian'ereo mahakasiky fagnandevoza fatrasy anazy reo. 10 Koa nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao ho: 11 ''Andeha zakao i Farao mpazakan'i Egypta, ba hamela gny vahoakin'Israely hiala ao amy taniny. 12 Ho i Mosesy nizaka tamin'i Yaveh ho:''Raha sy niteno Anahy reo Israelita, nanao akory i Farao gny niteno anahy , satria sy mahay mandaha-zaka zaho?'' 13 Dra nizaka tamin'i Mosesy vo i Arona i Yaveh.Nagnome baiko anazy reo ho an'ereo Israelita vo ho an'i Farao, mpazakan'i Egypta Izy, ba hinday reo Israelita hiala gny tany Egypta. 14 Tahoky gny lohany fianakaviany razamben'ereo:reo zanadahin-dRobena, lahimatoan'Israely, dra i Hanoka, Palo,Hezrona,dra Karmy.Tahoky gny fokon'i razamben'i Robena. 15 Reo zanadahin'i Simeona dra Jamoela, Jaminasy, Ohada,Jakinasy,Zohara,dra i Saoly gny zanaky gny ampela Kananita .Reo gny razambeny fokon'i simeona. 16 Tahoky hiay tahoky gny zanadahin'i Levy, miaraky amy taranakin'ereo. Izy reo dra i Gersona, Kehata, dra i Merary.Niay hatraminigny faha 137 taony i Levy. 17 Reo zanadahin'i Gersona dra i Libny vo i Simey. 18 Reo zanadahin'i Kehata dra i Amrama, Jizara, Hebrona, dari Oziela.Niay hatraminigny faha telo amby telopolo amby zato taonany i Kehata. 19 Gny zanadahin'i Merary dra I Maly vo i Mosy.Reo gny lasa razambeny fokon'ereo Levita, miaraky amin'ereo taranany. 20 Dra nanambaly an'i Jekebeda i amrama, anabaviny rany.Niteraky an'i Arona vo i Mosesy taminazy izy.Niay 137 tao i Amrama dra maty laha teo. 21 reo zanadahin'i Jezera dra i Nafega, vo i Zikry. 22 Reo zanadahin'i Oziela dra i Misaela, Elzafana, dra i Sitry. 23 Nanambaly an'i Eliseba i Arona, zanakapelan'i aminadaba, anabavin'i Nasona.Niteraky an'i Nadaba, Abiho, Eleazara, dra i Itamara taminazy izy. 24 Reo zanadahin'i kora dra i Asira,Elkana, dra i Abiasafa. 25 Eleazara, zanadahin'i Arona, nanambaly gny raiky tamin'ereo zanakapelan'i Potiela.Niteraky an'i Fineasa taminazy izy.Reo gny lohany fianakavia teo amin'ereo Levita, miaraky amin'ereo taranany. 26 Reo lelahy ro reo dra i Arona vo i Mosesy zay nizakan'i Yavah ho:''Andeso miala gny tany Egypta reo Israelita , amy alalan'ereo vondron-dehilahy mpialy.'' 27 Arona vo Mosesy nizaka tamin'i Farao, mpazakan'i Egypta, ba hamela anazy reo hamoaky reo Israelita laha tao egypta. I Mosesy vo i Arona avo reo. 28 Raha nizaka tamin'i Mosesy tao amy tany Egypta Yaveh, 29 dra hoy Izy taminazy ho:''Zaho gny Yaveh.Zakao amin'i Farao, mpazakan'i Egypta, zay aby hozakako aminao.'' 30 Fa Mosesy nizaka tamin'i Yaveh ho:''Sy ddra mahay mizaka zaho. ka nanao akory gny hitenoan'i Farao anahy?''