Toko faha 7

1 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ingo, nanao anao tahaky gny Zagnahary ho an'i Farao Zaho.Arona rahalahinao gny ho mpaminanianao. 2 Ianao gny hizaka gny raha aby zay handidiako anao ho zakanao.Hiresaky amin'i Farao i Arona rahalahinao ba hamelany gny vahoakin'Israely hiala amy taniny. 3 Fa hagnamafy gny fon'i Farao zaho, dra zaho haneho famatara gny heriko maro, vo fahalasa maro,agny amy tany Egypta. 4 Nefa sy hiteno anao i Farao, noho zay dra hametraky gny tagnako ao Egypta zaho dra hamoaky reo vondro lehilahy mpialy, gny vahoakako,vo reo zanak'i Israely , hiala gny tany Egypta amy famaiza lahibe. 5 Dra ho fatany gny Egyptiana fa zaho gny Yaveh raha hanasotra gny tagnako amy Egypta vo hanafaky reo Israelita sy ho eo amin'ereo.'' 6 Dra nanao tahaky zay i Mosesy vo i Arona;araky zay nandidian'i Yaveh anazy reo. 7 Valopolo tao i Mosesy, dra telo amby valopolo tao i Arona raha niresaky tamin'i Farao izy reo. 8 Ho Yaveh tamin'i Mosesy vo tamin'i Arona ho: 9 ''Raha mizaka aminao i Farao ho:''Manova fahalasa,'dra hizaka an'i Arona ianao ho:'Rambeso gny tehinanao dra atoraho eo anoloan'i Farao , ba hivaliky bibilava zay.''' 10 Dra nagnagny amin'i Farao i Mosesy vo i Arona, dra nanao araky zay nandidian'i Arona teo anoloan'i Farao vo reo mpanompony gny tehiny, ka lasa bibilava zay. 11 Nitokavin'i Farao avo koa reo olo-kendriny vo reo mpanao oly.Ka nano tahaky zay koa izy reo tamy alalany olin'ereo. 12 Natorany gny tehiny gny lelahiny kirairaiky, dra lasa bibilava reo tehina reo.Nefa nateliny tehin'i Arona gny bibilavan'ereo. 13 Nihafatrasy gny fon'i Farao, dra sy niteno izy, araky gny fa nizakan'i Yaveh mialoha. 14 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Fatrasy gny fon'i Farao , dra sy magneky gny handehan'ereo vahoaly.Mandehana vao maray agny amin'i Farao raha miboaky ho agny amy rano izy. 15 Mizagnogna egny amy amorony renirano ba hihaona aminazy, dra rambeso egny antagnanao gny tehina ze nivaliky bibilava. 16 Zakao izy ho:''Yaveh, Zagnaharin'ereo Hebreo, gny fa nandefa anahy atio amindrareo hizaka ho:''Angao gny oloko handeha,ba hanompon'ere anahy agny an-tany efisy.Fa sy niteno ianao mandraky amizao.'' 17 ''Zao gny zakan'i Yaveh:''Aminizao gny hahalalanao fa zaho gny Yaveh.Hazera gny reniran'i Neily amy tehina zay etioantagnako zaho,ka hivaliky lio gny renirano dra ho maty , dra hamofo membo gny renirano. Sy ho afaky gny hino gny rano avy amy renirano reo Egyptiana.'''' 19 Dra ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Zakao i Arona ho:''Rambesogny tehinao dra ahinjiro miaraky amy tagnanao eo amy ranonigny Egypta, dra eo amin'ereo reniranon'ereo, reo rano mandeha, gny farihy, vo gny dobo izy reo baby, ba hivaliky lio reo rano reo.Atovy zay ba hisy lio manera gny tany Egypta aby, na ao amy fitoran-kazo vo vato aza.''' 20 Nanao araky zay nandidoan'i Yaveh i Mosesy vo i Arona.Nanandrasy gny tehiny Arona dra nizerany gny rano tegny amy renirano, teo amason'i Farao vo reo mpanompony.Dra nivaliky lio gny rano aby tegny amy renirano. 21 Maty reo hazandrano tao agnatiny renirano, dra nagnpmboky namofo membo gny renorano.Sy afaky nino rano aby tao amy renirano reo Egyptiana, dra feno lio manera tany Egypta. 22 Fa nanao tahaky zay tamy olin'ereo avo koa reo mpanao olin'i Egyptia.Koa dra nihamafy gny fon'i Farao, dra nanda sy hiteno an'i Mosesyu vo i Arona izy, araky zay fa nizakan'i Yaveh fa hiseho. 23 Dra nitoliky i Farao dra nihery tao antragnony.Sy nidariany akory zay. 24 Lihaly rano ho nomy nagnodidy gny renirano reo Egyptiana aby,nafa sy afaky mino gny rano gny ony izy reo. 25 Fito andro gny lasa tafarany namelezan'i Yaveh gny renirano.