Toko faha 5

1 Tafarany nisanganan'ereo raha reo, dra nandeha tagny amin'i Farao i Mosesy vo Arona dra nizaka ho:''Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ho:''angao gny oloko andeha, ba hanovan'ereo firavoravoa ho Anahy agny an'efisy.''' 2 Ho Farao ho:''Fa iza moa zay Yaveh zay?Nanao akory zaho gny tokony hiteno gny nakany dra hamela an'Israely handeha?Sy mahafatasy an'i Yaveh zaho;dra fagnampinizay, sy hamela an'Israely handeha zaho.'' 3 Ho izy reo ho:''Fa nihaona taminay gny Zagnaharin'ereo Hebreo.Angao zahay andeha hateloa agny an'efisy dra hanao zoro ho an'i Yaveh Zagnaharinay ba sy hanafihany anay amy loza na amy sabasy.'' 4 Fa ho gny mpazakan'i Egypta tamin'ereo ho:''Ry Mosesy vo Arona, nanao akory iandrareo gny mangalaky gny olo amy asan'ereo?Miharegna amy asandrareo.'' 5 Hoy avo koa izy ho:''amizao misy vahoaky Herbreo maro eto amy taninay, dra mampitsahasy anazy reo amy asany iandrareo.''' 6 Tamin'io andro io avo,dra nagnome baiko tamin'ereo mpampiasa vo reo mpiamby i Farao.Ho izy ho: 7 ''Sy tahaky gny teo aloha, ao sy hagnome mololo hanova biriky ho agny olo sasy ndrareo.Angao izy reo handeha dra hamory mololo ho agny vatan'ereo. 8 Na zay avo, dra tokony bo hitaky gny isan-biriky mitovy tamy natan'ereo zay keliky noho zay, satria kamo izy reo.Zay gny mahalasa anazy reo mitoka fatrasy vo mizaka ho:'Angao zahay andeha vo hanao soro ho agny Zagnaharinay.' 9 ampitomboy gny ora hiasa ho an'ereo lelahy ba hifatohan'ereo aminizay ka sy hiteno zaka fitaky sasy.'' 10 Koa dra nandeha nampahafatary gny vahoaky gny olony mpampiasavo reo mpiamby. Ho izy reo ho:''Zao gny zakan'i Farao ho:'Sy Hagnome mololo ho andrareo sasy zaho. 11 Ao iandrareo avo gny handeha ka hangalaky mololo na eza na eza ahitandrareo anizay, fa sy hihe gny asandrareo.''' 12 Koa dra niely nanera gny tany Egypta manotolo reo olo ba hamory forim-bary hatao mololo. 13 Dra reo mpampiasa nanohy nandrisiky anazy reo ka nizaka ho:'''Vitao gny asandrareo, tahaky gny tamy fotoa nagnomeza mololo andrareo.'' 14 Nizerany gny mpiamby Israelita reo mpampiasan'i Farao, reo lelahy ze fa nampiandraiketin'ereo an'ereo mpiasa avo.Nagnontany anazy iandrareo hatrany gny mpampiasa ho:''Nanao akory iandrareo gny sy namokasy gny boriky aby ze notaky tamindrareo, na omaly na androany, tahaky gny fanovandrareo taloha?'' 15 Koa dra nagnato an'i Farao reo mpiamby Israelita ka nitaray taminazy ho:''Nanao akory ianao gny minday reo mpanomponao tahaky zao? 16 Sy hisy mololo home reo mpanomponao sasy, kanefa izy reo dra bo mizaka anay ho:''Magnamboara biriky!'zahay, mpanomponao, dra kazerany mihisy aza amizao, kanefa fahadisoany vahoakinao avo zay.'' 17 Fa ho Farao ho:''Kamo iandrareo!Kamo iandrareo!Ho iandrareo ho:'Angao zahay handeha hanao soro ho an'i Yaveh.' 18 Koa amizao mandehana miharegna amy asandrareo.Sy hisy mololo home andrareo sasy, fa sy maisy bo manao isam-boriky mitovy avo iandrareo.'' 19 Hitan'ereo mpiamby Israelita fa tafalasaky tagnaty kizo izy reo raha nizakany ho:''Sy mahazo mampihe gny isam-boriky vokariny isan'andro iandrareo.'' 20 Nihaogna tamin'i Mosesy vo i Arona izy reo, zay nojoro tagny ambaliky gny lapa, raha nandeha laha tao amin'i Farao izy reo. 21 Ho izy reo tamin'i Mosesy vo i Arona ho:''Hagnety andrareo se i Yaveh dra hagnasazy andrareo , satria nataondrareo nagnily holisy teo amason'i Farao vo reo mpanompony zahay. Nasiandrareo sabasy gny tagnan'ereo ba hamonoa anay.'' 22 Nandeha nihery tagny amin'i Yaveh i Mosesy dra nizaka ho:''Ry Tompo, nanao akory Ianao gny namidi-doza reo olo reo?Nanao akory zaho gny nalefanao volohany? 23 Isaky gny nagnato an'i Farao hinday gny hafatrao zaho , dra ninday fikorotagna ho agn'ereo olo izy , dra sy nagnafaky gny olo mihizy Ianao.''