Toko faha 4

1 Namaly Mosesy ho: ''Saingy nagnino raha sy mino anahy ereo vo sy nahare anahy fa hizaka kosa ho: 'Sy niseho taminao se Yaveh?'' 2 Ho Yaveh taminazy :''Ino igny atagnanao igny?''Namaly Mosesy ho:''Tehina. '' 3 Ho Yaveh ho:''Atoraho eo amy tany zay.''Natorany zay tamy tany i Mosesy, dra nivaliky bibilava zay. Nilomay i Mosesy. 4 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ahisiho gny tagnanao dra rambeso amy hohiny io.''Koa dra nagnisy izy dra nandray gny bibilava.Dra lasa tehina tegny antagnany draiky zay. 5 '' Zay dra ba hahafahan'ereo mino fa Yaveh, gny Zagnahary gny razan'ereo , Agnaharin'i Abrahama, Zagnaharin'Isaka, dra Zagnaharin'i Jokaba, gny fa niseho taminao.'' 6 Ho avo koa Yaveh taminazy ho:''Zao dra asofohy ao agnatiny ankajonao gny tagnanao.''Dra nasohok'i Mosesy tao agnatiny akazony gny tagnany.Raha namoaky anizay izy, ingo, boka gny tagnany,fosy tahaky ao agnatiny akazonaoa draiky gny tagnanao.''Dra nasofok'i Mosesy tao agnatiny akazony gny tagnany, dra raha navoakiny zay, dra hitany fa sitrany draiky zay, tahaky gny ambiny nofony aby. 8 Ho Yaveh ho:''Raha sy mino anao izy reo-raha sy miraharaha gny famatara volohany gny heriko na sy mino anizay izy reo, dra hino gny famatara faharo. 9 Raha sy mono na dra reo famatara gny heriko ro reo avo izy reo, na sy miteno anao, dra manovoza rano agny amy renirano dra hararaho amy tany maiky zay.Gny rano ze ho alanao dra hivaliky lio eo amy tany maiky.'' 10 Dra ho Mosesy tamin'i Yaveh ho:''Ry Tompo,sy mahay mandaga-zaka zaho, na tamy lasa na hatraminigny niresahanao tamy mpanomponao.Miadam-pizaka vo miraiki-dela zaho.'' 11 Ho Yaveh taminazy ho:''Iza gny nagnamboasy gny vavany olo?Zay nanao gny olo ho resy na maregny na mahirasy na poaky?Moa sy Zaho , Yaveh? 12 Noho zay mandehana,dra Zaho mombany vavanao dra hampianasy anao ze ho zaka.'' 13 Fa ho Mosesy :''Ry Tompo, maniraha olo hafa, ze sitrakao hirahina.'' 14 Dra hory tamin'i Mosesy Yaveh.Ho Izy ho:''Nanao akory gny momba an'i Arona rahalahinao, gny Levita?Fatanao fa afaky mizaka soa izy.Fagnampinizay, ho avy hihaona aminao izy, dra raha mahita anao izy, dra ho faly ao am-pony. 15 Hizaka aminazy ianao dra hametraky gny zaka hozakany eo am-bavany.Zaho homba gny vavanao vo gny vavany, dra hasehoko andrareo ro ze hatao. 16 Hizaka amy vahoaky ho anao izy.Ho vavanao izy,dra aminazy ianao dra ho tahaky anahy, Zagnahary. 17 Ho andesinao eo antagnanao io tehina io. Aminizay gny hanovanao reo famatara.''' 18 Dra nihery tagny amin'i Jetro rafozan-dahiny i Mosesy dra nizaka taminazy ho:''Angao zaho handeha ba hahafahako mihery agny amin'ereo havako ze agny Egypta dra hagnety raha bo velo izy reo.''Ho Jetro tamin'i Mosesy ho:''Mandehana amim-piadagn.'' 19 Ho Yaveh tamin'i Mosesy tagny Midiana ho:''Mandehana , miharegna agny Egypta, fa maty reo lelahy aby ze nikasa hagnagny ay.'' 20 Nangalaky gny valiny vo reo zanadahiny i Mosesy dra nametraky anazy reo teo agnabony boriky.Nihery tagny amy tanin'i Egypta izy , dra norambesiny tegny antagnany gny tehin'Agnahary. 21 Ho Yaveh tmin'i Mosesy ho:''Raha miharegna agny Egyota ianao, ao ho ataonao eo anatrehan'i Farao reo fahagaga aby ze fa napetrako teo amy fahefanao.Fa hagnamafy gny fony zaho, dra sy hamela reo vahoaky handeha bizy. 22 sy maisy hizaka an'i Farao ianao ho:''Zao gno nizakan'i Yaveh:Israely dra zanadahiko, lahimatoako, 23 dra mizaka aminao zaho:''Angao handeha gny zanako, ba hahafahany manompo anahy.''Fa satria nanda gny hamela anazy andeha ianao, dra hobonoko vatany gny zanakao lahy, dra gny lahimatoanao.''' 24 Dra tegny an-dala, raha nizano ho amy hariva izy reo , dra nihaona tamin'i Mosesy dra nikasa hamono anazy Yaveh. 25 Dra nangalaky fiharasy vato i Zipora dra namora gny zanany lahy, dra nanakosoky zay tamy tombony.Dra ho izy :''Azo antoky fa valy amy alalany lio aminahy ianao.'' 26 Dra nagnenga anazy raiky Yaveh.Ho izy ho:''Valy amy alalany lio ianao''noho gny famorana. 27 Ho Yaveh tamin'i Arona ho:''Mandehana agny an'efisy ba hihaona amin'i Mosesy.''Nandeha i Arona, nihaona taminazy tagny antendrombohinagn'Agnahary, dra nanoroly avo koa reo zakan'i Yaveh ze nagnirahany anazy ho zaka vo gny momba reo famatara gny fahefan'i Yaveh aby ze nandidiany anazy ho ataony. 29 Dra nandeha i Mosesy vo i Arona dra namory reo loholon'ereo Israelita aby. 30 Nambaran'i Arona avo koa reo tegny aby ze nizakan'i Yaveh tamin'i Mosesy.Nampiharihany teo amason'ereo vahoaky avo koa reo famatarany herin'i Yaveh. 31 Dra nino gny vahoaky.Raha ren'ereo fa nandiniky reo Israelita Yaveh dra fa nahita gny fampahiria anazy reo.Dra nampiakohoky gny lohany izy reo dra nanompo Anazy.