Toko faha 3

1 Dra bo niaraky gny agn'ondry vo osin'i Jetro rafozany, gny mpisorony gny Midiana avo koa i Mosesy. Dra nandesin'i Mosesy tagny akoasy gny efisy gny agn'ondry vo osy ka avy tagny Horeba, gny tendrombohisin'Agnahary. 2 Teo gny nisehoany gny azelin'i Yaveh taminazy tamy lelagn'afo tao agnatiny voaroy , Nagnety i Mosesy , dra indro, nirehisy gny voaroy, nefa gny voaroy dra sy mety levo. 3 Dra ho Mosesy ho:''Hagnato mariny zaho ba hagnatiako zao raha-mahagaga zao, nanao akory gny sy levo gny voaroy.'' 4 Koa raha hitan'i Yaveh fa nagnato mariny izy ba hizaka, dra nitoka anazy laha teo aminigny voaroy Zagnahary ka nanao ho:''Mosesy, Mosesy. ''Dra ho mosesy ho:''Itio zaho.'' 5 Dra ho Zagnahary ho:''Ka magneky loasy!Alao egny antombonao gny kiraronao, fa gny toera ze ijoroanao dra tany fa voatoka ho anahy.'' 6 Nampiany ho:''Zaho gny Zagnahariny gny razanao, Zagnaharin'i abrahama, Zagnharin'Isaka, dra Zagnarin'i Jakoba.''Dra nagnaro gny vatany i Mosesy , satria natahosy gny hagnety agn'Agnahary izy. 7 Ho Yaveh ho:''Hitako vatany gny fahoriany vahoakako ze tao Egypta. Fa reko gny fitaraignan'ereo noho gny amin'ereo mpifehy anazy, satria fatako gny momba gny fizalian'ereo. 8 Koa nilisy zaho ba hagnafaky anazy reo amy fahefan'ereo Egyptiana dra hinday anazy reo hiakasy avy aminizay tagny anizay ho agny amy tany soa, vo midadasiky , ho agny amy tany tondra-dronono vo tately;ho agny amy farisin'ereo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, dra reo Jebosita. 9 Amizao fa avy atiho aminahy reo fitaraignany gny vahoakin'Israely. Dra koa, da hitako gny fampahoria nataon'ereo egyptiana. 10 Noho zay, hagniraky anao ho agny amin'i Farao zaho ba hahafahanao hinday gny vahoakako, reo Israelita, hiala ao Egypta.'' 11 Fa ho i Mosesy tamin'Agnahary ho:''Iza moa zaho, gny handeha agny amin'i Farao ka hinday reo Israelita hiala ao Egypta?'' 12 Dra namaly Zagnahary ho:''Homba anao vatany zaho. Zao gny famatara ho anao fa nagniraky anao zaho. Raha tafaboakinao laha tao Egypta gny vahoaky, dra hanompo anahy reto amin'itoho tendrombohisy itiho iandrareo.'' 13 Dra ho Mosesy tamin'Agnahary ho:''Raha ho agny amin'ereo ho:''Gny Zagnahariny gny razandrareo gny nagniraky anahy atoho amindrareo, 'ka raha hoy izy reo aminahy ho:''Iza gny agnarany?''Dra ino gny ho zakako amin'ereo?'' 14 Dra ho Zagnahary tamin'i Mosesy ho:''ZAHO GNY ZAHO. ''Dra ho Zagnahary ho:'Sy maisy hizakanao reo Israelita ho:'ZAHO gny nagniraky anahy ho atiho amindrareo.'' 15 Dra hoy avo koa Zagnahary tamin'i Mosesy ho:''Yaveh, Zagnahary gny razandrareo, Zagnaharin'i Abrahama, Zagnaharin'i Isaka, Zagnaharin'i Jakoba, gny nagniraky anahy ho atiho amindrareo. Zay gny agnarako mandrakizay, zay gny hasiarova anahy hatraminigny taranaly fara-mandimby aby.'' 16 Mandehana ka vorio miaraky reo loholon'Israely. zakao amin'ereo ho:''Yaveh, Zagnahariny gny razandrareo, Zagnaharin'i Abrahama, Zagnaharin'i Isaka, Zagnaharin'i Jakoba, fa niseho taminahy ka nanao ho:''Fa nandiniky andrareo vatany zaho, dra nahita ze natao tamindrareo tagny Egypta.'' 17 Fa nampanatena zaho fa hinday andrareo hiala amy fampahoria ao Egypta ho agny amy tanin'ereo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, dra reo Jebosita, tany tondra-dronono vo tately. '' 18 Hiteno anao izy reo. sy maisy magnagny amy mpazakan'i Egypta ianao vo reo loholon'Israely, ka zao gny sy maisy ho zakandrareo aminazy ho:''Yaveh, Zagnahariny gny Hebreo, dra fa nihaona taminay. Ko ao zahay handeha hateloana agny an'efisy, ba hahafahanay hanao soro ho an'i Yaveh, Zagnaharinay.' 19 Nefa fatako da sy hamela andrareo handeha gny mpazakan'i egypta, raha sy hoterena izy. 20 Hanondrosy gny tagnany zaho dra hanafiky reo egyptiana amin'ereo fahagaga ze ho ataoko eo amin'ereo. Raha afaky zay dra hagnenga andrareo handeha izy. 21 Dra hampahitako fitia amy Egyptiana reo vahoakyu reo, koa raha handeha iandrareo, dra sy handeha amy tagnam-polo. 22 gny ampela aby dra hangataky firavaky volafosy vo volamena dra fitifia amin'ereo Egyptiana mpiara-mony aminazy vo ze ampela aby mitoesy ao antragnon'ereo mpiara-mony aminazy. Hampinday andrareo gny zanakindrareo lahy vo gny zanakapelandrareo zay. Zay gny fomba handrobahandrareo gny Egyptiana.''