Toko faha 2

1 Dra nisy lelahy raiky avy amy fokon'i Levy nanambaly zanakapelan'i Levy. 2 Nibevola gny ampela ka niteraky zazalahy. Raha hitany fa zazalahy salama izy, dra nahazany nadrisy gny telo vola. 3 Fa raha sy afaky nagnaza anazy sasy izy, dra nangalaky sobika noraria tamy ahisy dra noraketiny tamy litin-tany vo lity zay. Laha teo dra nampiliriny tao gny zaza masaiky ka napetrany tegny amorony volotara magnaraky gny morony ony zay. 4 Nisanga lavisy gny anabaviny ba hagnety anizay hahazo anazy. 5 Nizoso nandro tegny amy ony gny zanakapelan'i Farao raha nandehandeha nagnaraky gny morony gny ony reo mpanompony. Nahita gny sobika teo amy volotara izy ka nagniraky gny mpanompony hangalaky anizay. 6 Raha nanokaky anizay izy, dra nahita gny zazakely.Indro ,nitomagny gny monta. Niferignahy anazy ka ho izy ho:''Azo antoky fa raiky amin'ereo zanaly Hebreo itiho.'' 7 Dra ho gny anabavinigny monta taminigny zanakapelan'i Farao ho:''Tokony handeha dra hitalia ampela Hebreo ba hiteza gny zaza ho anao seky zaho?'' 8 Dra ho gny zanakapelan'i Farao taminazy ho:''Mandeha.''Koa dra nandeha gny tovovavy dra nangalaky gny renigny zaza. 9 Ho gny zanakapelan'i Farao tamy reninigy zazako ho:''Rambeso itio zaza iyio ka tezao ho anahy, dra homeko karama ianao.''Dra nirambesiny gny ampela gny zaza dra nitezany. 10 Raha nihalahibe gny zaza, dra nandesiny tagny amy zazakapelan'i Farao, ka dra lasa zanany. Nomeny gny agnarany ho Mosesy izy dra hoy izy ho:''Satria namoaky anazy avy tegny amy rano zaho.'' 11 Raha lahibe i Mosesy , dra niboaky tegny amin'ereo vahoakany dra nagnara-maso gny asa fatran'ereo. Nahita Egyptiana raiky namono Hebreo raiky izy, raiky amin'ereo vahoakany. 12 Nagnety teoky vo terahoky izy , dra raha hitany fa nisy olo teo, dra nivonony gny Egyptiana dra nahazany tao agnatiny fasiky gny fatiny. 13 Niboaky izy gny maraindrai-be, dra , indro , nisy Hebreo ro lahy nialy. Ho izy taminigny raiky zay diso ho:''Nanao akory ianao gny nazera gny namanao?'' 14 Fa ho gny lelahy ho:''Iza gny nametraky anao ho mpitariky ka hisara anay?Mitetiky gny hamono anahy tahaky gny namonoanao gny Egyptiana seky ianao?''Laha teo dra niha-natahosy i Mosesy ka nanao ho:''Lasa fatasin'ereo hafa vatany gny raha nataoko.'' 15 Dra raha ren'i Farao gny mahakasiky anizay, dra nitalia gny hamono an'i Mosesy izy. Fa nilomay an'i Farao i Mosesy ka nipetraky tagny amy taniny lava-drano tagny izy. 16 Dra nana zanaky fito ampela gny mpisorony Midiana. Avy izy reo, nangalaky rano, dra nameno gny tavy fisotroa ba hagnomeza rano gny agn'ondry vo osy gny ran'ereo. 17 Avy reo mpiaraky agn'ondry ka niezaky nandroaky anazy reo, fa nandeha dra nagnampy anazy reo i Mosesy. Raha ze dra nampinominy rano reo agn'ondry vo osy reo. 18 Raha nandeha tagny amin'i Regoela rany reo ampela, dra hoy izy ho:''Nanao akory gny avy aloha atio antragno iandrareo androany?'' 19 Dra hoy izy reo ho:''Nisy Egyptiana raiky nagnavosy anay tamin'ereo mpiaraky agn'ondry. Ba nangalaky rano ho anay vo nampino rano reo agn'ondry vo osy aza izy.'' 20 Dra hoy izy tamin'ereo zanakapelany ho:''Dra eza dra izy?Nanao akory gny nangandrareo ralelahy?Tokavo izy ba hiara-hihina amisika.'' 21 Nagneky hiara-hipetraky taminigny lelahy i Mosesy, ze nagnome anazy an'i zipora zanakapelany avo koa ba ho valiny. 22 Niteraky zazalahy izy, dra nitokavin'i Mosesy hoe Gersoma gny agnarany;ho izy ho:''Fa vahiny atio amy taniny firenena hafa zaho.'' 23 Fotoa maro tatiho afara, dra maty gny mpazakan'i Egypta. Nihay noho gny asa fagnandevoza reo Israelita. Nitoka hazo lava izy reo, dra niakasy tagny amin'Agnahary gny fitaraignan'ereo noho gny fagnandevoza anazy reo. 24 Raha renAgnahary gny fiaignan'ereo, dra nahasiaro gny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka , dra tamin'i Jakoba Zagnahary . 25 Hitan'Agnahary reo Israelita, ka sapany gny nahazo anazy reo.