Toko faha 34

1 Dra ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Magnamboara vato pisaky ro tahaky reo volohany.Hosoratako ao reo zaka ze tao agnatiny vato pisaky volohany , dra reo vato zay nivakinao. 2 Mivona mandra-maray dra miakara agny antendrombohisin'i Sinay, dra asehoy aminahy eo antampon-tendrombohisy gny vatanao. 3 sy hisy oo hiara-hiakasy aminao.Koa ka anga hisy olo-kafa ho hita egny antendrombohisy.ao sy hisy na biby fiteza na agn'omby ka hiraoky eo anoloany tendrombohisy.'' 4 Dra namboarin'i Mosesy reo vato pisaky ro tahaky reo volohany , dra nifoha maray izy ka lasa niakasy tagny antendrombohisy Sinay,araky gny nandidian'i Yaveh anazy.Dra nandesin'i Mosesy tegny antagnany reo vato pisaky. 5 Dra nizoso tao amy raho Yaveh ka nisanga niaraky tamin'i Mosesy teo, dra nanogno gny agnarany ho:''Yaveh''izy. 6 Dra niriosy teo anoloan'i Yaveh ka nagnambara ho:''Yaveh, Yaveh, Zagnahary dra mamindra fo vo miferegnay, mahari-po, vo feno fahatokiam-paneke vo fahamendreham-pitokisa, 7 mita gny sy fivaliham-paneke hatraminigny taranaky arivo mifandimby, mamela hieloky, fahadisoa, dra fahota Izy.Kanefa hagnalio ze hory izy.Hamaly gny hahorian'ereo rany amin'ereo zanaky Izy vo amin'ereo zanakin'ereo zanaky, hataminigny taranaky fahatelo vo fahefasy.'' 8 Dra nagnondriky malaky gny lohany tamy tany i Mosesy ka nivavaky . 9 Ka ho izy ho:''amizao raha nahita fitia teo amasaonao zaho. Tompoko,ba mandehana eo agnevonay, fa fatrasy hatoka reo olo reo.Mamela gny helokay vo gny fahotanay, dra rambeso ho lovanao zahay.'' 10 Dra ho Yaveh ho:''Ingo, hanao faneke zaho.Ka eo anatrehany gny olonao aby, dra hanao raha-mahagaga ze sy bo natao tamy tany aby na firenena zaho.Hahita reo asako gny olo-aby ao aminao, fa raha mampatahosy gny hataoko miaraky aminao. 11 Ankatoavy zay nandidiako anao androny.Horoahiko hiala sy ho eo anatrehandrareo reo Amorita, Kanananita , Hetita,Perizita,Hivita, dra reo Jebosita. 12 Koa mitandrema ba sy hanao fifaneke amy mpony agny amy tany zay andehananao ianao, fa lasa fandriky eo amindrareo zay. Nefa koa, ravao reo alitarany, torotoroy reo sangam-batony, dra poteho sy bao Aserahan'ereo. 14 Dra ianao sy hanompo Zagnaharin-kafa , fa Yaveh, ze mana agnarany ho Saropiaro, dra Zagnahary saro-piaro. 15 Koa mitandrema ba sy hanao fifaneke amy mpony ao amy tany,satria izy reo mivarosy gny vatany amin'ereo zagnahariny, dra manao soro ho an'ereo zagnahariny izy reo.Ka gny raiky amin'ereo hanasa anao, dra hihina gny sasany amy sorony ianao, 16 dra na hangalaky gny sasany amin'ereo zanakapelany ho an'ereo zanadahinao ka ianao ,dra bo hivarosy gny vatany amin'ereo zagnahariny avo reo zanakapelany , dra hampijangajanga reo zanadahinao amin'ereo zagnahariny. 17 Ka manao zagnahary voavolavola amy vy ho anao. 18 Aoka ho tandremanao gny firavoravoany Mofo sy misy masirasira.Araky gny nandidiako anao, hafitoa gny hinananao gny mofo sy misy lalivay amy fotoa raikisy amy volana Abiba, satria tamy volana Abiba gny niboahandrareo aby tany Egypta. 19 Reo lahimatoa aby dra anahy, egny na dra gny lahimatoa aby amin'ereo biby fitezanao avo, gny agn'omby vo reo agn'ondry. 20 Koa sy maisy hihery hivily gny apondra vo gny agn'ondry ianao. ka raha sy haherinao viliana zay , dra hofolahinao gny vozony.Sy maisy haherinao viliny reo lahimatoan'ereo zanadahinao.Dra ao sy hisy olo hiseho eo anoloako amin0tagnam-polo 21 Mety hiasa mandrisy gny enina andro ianao, fa amy andro fahafito dra sy maisy mizanozano ianao.Egny na dra amy taom-pamafaza vo taom-pizizana avo, dra sy maisy mizano ianao. 22 Sy maisy hitandry gny Herignndrony firavoravoa amy fanatena gny voloham-bokasy amy famafazam-bary ianao, dra sy maisy hitandry gny andro firavoravoa amy famoria amy fiafarany tao ianao. 23 Sy maisy hiseho intelo isan-tao eo anatrehany Tompo Yaveh gny lelahinao aby, dra gny Zagnahary gny Israely. 24 Fa handroaky firenena eo alohanao zaho dra hagnitasy gny sisin-taninao. Sy hisy hisiry gny hagna gny taninao ho anazy raha miakasy miseho eo anoloan'i Yaveh Zagnaharinao intelo isan-tao ianao. 25 Sy hanolosy liom-biby atao fagnatisy miaraky amy lalivay ianao, na hagnenga gny hena aby amy fagnatisy amy andro firavoravoa gny Paska ho tra-maraindray. 26 Sy maisy andesinao ao antragnoko gny soa indrindra amy voloham-bokasy avy amy tanimbolinao.Dra ianao sy hahandro zanak'osy amy rononon-dreniny.'' 27 Dra ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Soraty ao reo zaka reo, fa Zaho hanao antoky gny vatako amin'ereo zaka zay nizakako, dra fa nanao faneke taminao vo Israely.'' 28 Niaraky tamin'i Yaveh efapolo andro vo efapolo hariva tagny Mosesy;sy nisakafo na nino ranob izy.Dra nisoratiny tamin'ereo vatyo pisaky reo zaka faneke, dra gny Didy folo. 29 Raha nizoso laha tagny antendrombohisy Sinay niaraky tamin'ereo vato pisaky ro nisy gny didim-paneke tegny antagnany Mosesy, dra sy fatany fa lasa namirapirasy gny holi-tavany aby niresaky tamin'Agnahary. 30 Raha nahita an'i Mosesy i Arona vo reo Israelita, dra namirapirasy gny holi-tavany, ka natahosy gny hagneky anazy izy reo. 31 Fa Mosesy nitoka anzay reo , dra Arona vo reo mpitariky aby eo amy fivondrogna niakasy nagneo aminazy.Dra niresaky tamin'ereo Mosesy. 32 Tafaranizay , nagnato an'i Mosesy gny vahoakin'Israely aby, dra izy nagnambara reo didy ze nomen'i Yaveh anazy tany antendrombohisy Sinay. 33 Raha vita gny resak'i Mosesy tamin'ereo, dra nasiany voaly gny tavany. 34 Na ombia na ombi gny handehanan'i Mosesy eo anoloan'i Yaveh ba hiresaky aminazy, dra nangalaky gny voaliny izy, mandra-piboahany.Dra raha noboaky izy , dra nizaka tamin'ereo Israelita ze nandidiany anazy ho zakany. 35 Raha hitany Israelita gny famirapiratany gny tavan'i Mosesy, dra nalombony gny tavany draiky gny voaly madra-piaregnany ao ba hiresaky amin Yaeh.