Toko faha 33

1 Ho Yaveh tamin'i Msesy :''Miala teto, ianao vo reo olo ze nandesinao niboaky gny tany Egypta.Mandehana agny amy tany ze nanovako fianiana tamin'i abrahama, tamin'i Isaka, dra tamin'i Jakoba, raha nizaka zaho ho:'Homeko ho an'ereo taranakao itio.' 2 Hagniraky azely eo anoloanao zaho, raha Zaho handroaky reo Kananita, amorita, Perisita, Hivita, dra Jebosita. 3 Mandeha agny aminizay tany zay, ze hikororoany gny ronono vo tately, fa sy hiakasy hiaraky amindrareo zaho, satria vahoaky mahery loha iandrareo. Mety hamono andrareo egny an-dala zaho.'' 4 Raha reny vahoaky reo zaka nanahira-say reo, dra nalahelo izy reo, vo sy nisy hagnisy fivavaky sasy. 5 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Zakao amin'ereo Israelita ho:'Vahoaky maheriloha iandrareo.Raha mandeha eo amindrareo zaho na dra fotoa raiky avo,dra hamono andrareo zaho.Koa amizao , alao reo firavakindrareo ba hahafahako manapa-kevisy aminizay tokony hanao amindrareo.''' 6 Dra sy niravaky firavaky reo Israelita laha tagny antendrombohisin'i Horeba. 7 Nandray hazomanga i Mosesy dra nagnory anizay ambalikiny toby, lavidavisy kely gny toby.Nitokaviny ho gny tragno hazomanga fihaona zay.Reo aby zay nangataky raha tamin'i Yaveh gny miboaky ka mangnao amy tragno lay fihaogna, ambaliky toby. 8 Raha hiboaky laha tao amy Mosesy, dra nisanga teo amy filira ao amy lainy aby reo vahoaky dra nitalaky an'i Mosesy manda-pilirany ao agnatiny. 9 Isaky gny nilisy gny lay i Mosesy, dra nizoso gny andry raho dra nisanga teo amy filira ao amy lay, dra niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh. 10 Isaky gny mahita anizay andry raho zay eo amy filira ao amy lay gny vahoaky, dra niazary dra nanompo, gny olo aby isaky gny filira ao amy lainy aby. 11 Yaveh dra niresaky nifanatri-tava tamin'i Mosesy, tahaky gny olo miresaky amy sakaizany.Dra nihery tagny antoby i Mosesy, fa i Josoa mpanompony zanak'i Nona, zay zatovo, dra nizano tao aminazy. 12 Ho i Mosesy tamin'i Yaveh:''Ingo, Ianao nizaka taminahy ho:'Andeso magnisaky reo olo reo,'nefa Ianao sy nagnega anahy hahafatasy ho iza gny hirahinao hiaraky aminahy. Nizaka Ianao ho:''Zaho mahay anao amy agnara, dra nahita fitia teo amasoko koa ianao.' 13 Amizao raha nahita fitia teo amasonao dra zaho, asehoy anahy gny lalanao ba hahafahako mahafatasy anao dra hanohy hila fitia eo amasonao.Sarovy fa vahoakinao itiho firenena itiho.'' 14 Yaveh namaly ho:''Gny fanatrehako mihisy gny hiaraky aminao,dra Zaho hagnome anao fisahara .'' 15 ho Mosesy taminazy:''Raha sy miaraky aminay Ianao, dra ka alanao eto zahay. 16 Fa raha sy zay, nanao akory moa gny hahafatara fa nahita fitia teo amasonao zaho, zaho vo reo vahoakinao?Moa se sy gny handehanao miaraky aminay avo gny mampiavaky anahy vo reo vahoakinao amy firenena aby ze eto agnabonny tany?'' 17 Ho Yaveh tamin'i Mosesy :''Hataoko avo koa zay raha nangatahinao zay, fa nahita fitia teo amasoko ianao, dra mahay anao amy agnara zaho.' 18 Ho i Mosesy :''Ba asehoy anahy ra gny voninahitrao.'' 19 Ho Yaveh:''Ampandaloviko eo anatrehanao gny fahasarako aby, dra Zaho hagnambara gny agnarako Yaveh eo anatrehanao.Hiferegnay ze hiatrako zaho, dra haneho famindram-po aminizay hanehoako famindra-po.' 20 Fa ho Yaveh:''Mety sy hahita gny tavako ianao, satria sy misy afaky mahita anahy ka ho velo.'' 21 HHo Yaveh:''Ingo, itiho gny toera mariny anahy eto;hisanga agnabon'io vatolampy io ianao. 22 Raha bo miriosy gny voninahiso, dra apetrako asefaky gny vatolampy ianao dra horakofako gny tagnako ianao mandra-pandaloko. 23 Dra ho alako gny tagnako , dra hahita gny hevoko ianao, fa sy ho hita koa gny tarehiko.''