Tko fah 32

1 Raha hitany vahoaky fa nitaretadresy gny hizoso laha tagny an-tendrombohisy i Mosesy, dra nitangoro nagnodidy an'i Arona izy reo ka nanao taminazy ho:''Avia, manova sampy ho anay ba hialoha lala asika.Fa raha gny amin'i Mosesy igny, gny lelahy ze ninday asika niakasy laha tagny amy tany Egypta, dra sy fatanay zay nahazo anazy.'' 2 Dra ho Arona tamin'ereo ho:''alao reo kavy volamena zay agny amy sofiny valindrareo, vo egny amy sofiny zanadahindrareo vo zanakapelandrareo dra andeso atio aminahy zay.'' 3 Dra samy nangalaky reo kavy volamena tegny amy sofiny reo avo koa gny vahoaky aby ka ninday anizay tegny amin'i Arona. 4 Nandramby gny volamena avy amin'ereo izy, namolavola anizay, dra nanao anizay ho zanakagn'omby voazakazaka.Dra ho gny vahoaly ho:''Ry Israely, itio gny Zagnaharinao ze ninday anao niakasy laha tao amy tany Egypta.'' 5 Raha hitan'i Arona zay ,dra nagnamboasy alitara teo anolony zanakagn'omby izy ka nanao fagnambara;ho izy ho:''Ho andro firavoravoa amy voninahisin'i Yaveh maray.'' 6 Nifoha maray gny vahoaky gny manarany igny ka nanolosy fagnatisy dora vo fagnati-pihavana.Laha teo dra nipetraky ba hihina vo hino izy reo, dra nisanga nanao fomba fakalaza vetaveta. 7 Laha teo Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Mandehana malaky , satria manao rasy, gny vahoakinao, zay nandesinao niakasy laha tao amy tany Egypta. 8 Nivily malaky tamy lalana ze nandidiako anazy izy reo. Nitezateza agn'ombimasaiky ho anazy izy reo ka nanompo anizay vo manao soro ho anizay.Ho Izy reo ho:''Ry Israely, itio gny zagnahariko ze ninday anao niakasy laha tao amy tany Egypta. 9 Dra ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''fa hitako itio vahoaky itio.Ingo, vahoaky fatrasy hatoky izy reo. 10 Koa amizao , aka manaka anahy ra.Hirehisy amin'ereo gny hahoriako , ka haringako izy reo.Dra hanao firenena lahibe aby aminao zaho.'' 11 Fa niezaky nampitony an'i Yaveh Zagnahariny i Mosesy.Ho Izy ho:''Ry Yaveh, manao akory gny hahorianao gny mazeky niakasy aby tagny amy tany Egyota tamy hery lahibe vo tagnany mahery? 12 Nanao akory reo Egyptiana gny tokony hizaka ho:'Fikasa rasy gny nitarihany anazy reo hiboaky, ba hamonoa anazy reo agny antendrombohisy vo handringa anazy re hiala amy tany?'Miala amy fahorianao dra asahar itio famaiza amy vahoakinao itio. 13 Sarovy Abrahama vo Isaka dra Israely, mpanomponao, ze nianiananao ka nizakanao tamin'ereo ho:''Hagnamaro gny taranakindrareo tahaky gny vasia egny an-dagnisy zaho, dra homeko gny taranakindrareo gny tany iaby ze fa niresahako tamindrareo.Handova anizay mandrakizay izy reo.'' 14 Laha teo dra nilefisy tamy famaiza zay nizakany fa hampiariny amy vahoakany i Yaveh. 15 Laha teo dra nitoliky i Mosesy dra nizosp avy antendrombohisy , ninday tegny antagnany reo vato pisaky ro misy reo lalany faneke. Samy voasorasy gny andaniny ro aminigny vato, gny ao aloha vo ao afarany. 16 Asan'Agnahary manoka reo vato,dra soro-tagnan'Agnahary manoka gny sorasy voasokisy eo amin'ereo vato pisaky. 17 Raha ran'i Josea gny tabataban'ereo vahoaky ze nikorakoraky , dra ho izy tamin'i Mosesy ho:''Misy feony aly ao amy toby.'' 18 Fa ho Mosesy :''Sy feony mpandresy anizay reko zay, dra sy feony olo resy, fa feon'olo mihasa gny reko.'' 19 Raha nagnato gny toby Mosesy,dra nahita gny zanakagn'omby vo vahoaky nasizaky.Hory fatrasy izy .Natorany laha tegny antagnany reo vato pisaky dra notorotorohiny tegny ambaniny tendrombohisy. 20 Nalany gny zanakagn'omby ze namboariny vahoaky, noroany,dra notorotorony ho bony, ka nafafiny tagny any rano.Avy eo nampino gny vahoakan'Israely zay. 21 Dra ho i Mosesy tamin'i arona ho:''Ino gny nataon'itiho vahoaky itio taminao, gny dra nandesanao fahota lahibe tahaky zao izy reo?'' 22 Fa ho Arona ho:''Ka anga hirehisy gny hahorianao, ry tompoko.Fatanao reo vahoaky reo, gny faharisihan'ereo hanao rasy. 23 ho izy reo taminahy ho:''Hagnamboary zagnahary hialoha lala anay zahay. Fa raha gny aamin'igny Mosesy igny , gny lelahy zay ninday anay niakasy avy agny amy tany Egypta, dra sy fatanay zay nahazo anazy.' 24 Ka ho zaho tamin'ereo ho:'Na iza na iza mana volamena, dra ao izy hagnalaky anizay.'Nomen'ereo anahy gny volamena dra natorako tao agnatiny afo zay , dra avy aminizay gny nahazoa itio agn'omby monta itio.'' 25 Hitan'i Mosesy fa nanao fitondran-tena sy mendriky reo vahoaky (satria nangan'i Arona hioha -pefy izy reo, nagnenga reo fahavalon'ereo haneso anazy reo). 26 Laha teo Mosesy nisanga teo amy filira mangnao amy toby ka nanao ho:''Na iza na iza miaraky amin'i Yaveh, dra mandehana etiho aminahy.''Nitangoro nagnodidy anazy reo Levita aby. 27 Ho izy tamin'ereo :''Yaveh, Zagnaharin'Israely, dra nizaka ho:'Ao gny olo kirairaiky hanao gny sabatrany ho ao ambalahany dra hirerirery eo amy isam-batrangara manera gny toby , ka hamono gny rahalahiny, gny sakaizany dra gny namany aminazy.''' 28 Nataon'ereo Levita ze nandidian'i Mosesy.Tamin'io andro io dra teo amy telo arivo olo gny maty. 29 Ho Mosesy tamin'ereo Levita ho:''Amizaho dra natao ho mpanompon'i Yaveh iandrareo, satria namono gny zanadahiny vo gny rahalahiny gny kirairaiky amindrareo. ba hagnomezan'i Yaveh fitahia ho andrareo amizaho.'' 30 Gny marainigny dra ho Mosesy tamin'ereo vahoaky ho:''Nanao fahota lahibe vatany iadrareo.Amizao dra hiakasy ho agny amin'i Yaveh zaho.Vasa mety afaky minday fagnavota amy fahotandrareo zaho.'' 31 Dra nihery tagny amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao ho:''Vasa! Nanao fahota lahibe tahoky vahoaky tahoky dra nagnamboasy sampy vita tamy volamenaho agny vatan'ereo. 32 Nefa amizao, angao ra gny fahotan'ere;fa raha sy zay, dra alao ao amy boky ze nosoratanao gny agnarako.'' 33 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Na iza na iza nanota taminahy, dra ho alako ao agnatiny toby gny agnarany zay olo zay. 34 Koa mandehana amizao, tariho ho agny amy toera zay fa nizakako anao gny vahoaky.Indro, hialoha anao gny azeliko.Fa amy andro hamaizako anazy reo, dra ho faiziko noho gny fahotany izy reo.'' 35 Avy eo Yaveh nandefa loza teo amin'ereo vahoaky satria izy reo nagnamboasy gny agn'omby monta , zay nataon'i Arona.