Toko faha 31

1 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho: 2 ''indro, nitokaviko taminigny agnarany i Bezalela zanak'i Ori vo Ora , avy agny amy fokon'i Joda. 3 Nifenoko taminigny fagnahiko i Bezalela,ba hagnomeza anazy fahendre, fahazava-say, dra fahalala, ho agny karazan'asa tagna iaby, 4 ba ho famolavola gny kanto dra hiasa amy volamena, volofosy , dra varahina; 5 ba hanapaky vo hametra-bato dra hisokisy hazo avo koa-ba hanao reo karaza asa tagna aby. 6 Fagnampianizay ho anazy , nitendreko i Oliaba zanadahin'i ahisamatsa, laha tagny amy fokon'i dana.Nasiako fahaizamanao gny tao am-pony aby ze hendry ba hahafahan'ereo manao anizay aby nandidiako anao. 7 Tafilisy aminizay gny tragno hazomanga fihaogna, gny fiarany fisangana vavolombelo, gny sarim-pagnavota teo agnabony fiara, dra gny fanaky gny hazamanga iaby- 8 gny latabasy aby vo reo fanaky , gny fanova-jiro malio miaraky amin'ereo fitovany,gny alitarany didin-kazo magnisy, 9 gny alitara gny fagnatisy dora vo gny fitova aby,dra gny koveta lahibe baminigny foriny. 10 Voakasiky avo koa gny akazo voateno matify-reo akazo masy ho an'i Arona mpisoro vo gny an'ereo zanany, voatoka ho anahy ba hahafahan'ereo manompo ho mpisoro. 11 Voakasiky avo koa gny menaky fagnosora gny litin-kazo magnisy ho agny toera masy.Reo lehilahy mpanao asa tagna aby dra sy maisy hanao anizay araky zay nandidiako anao. 12 Yaveh niresaky tamin'i Mosesy dra nanao ho: 13 ''Zakao reo Israelita ho:'sy maisy hazandrareo vatany gny andro Sabatan'i Yaveh, fa zay gny famatara eo aminazy vo iandrareo manera reo taranaky gny vahoakindrareo, aminizay ba ho fatasindrareo ga Izy gny Yaveh, ze nanoka andrareo ho Anazy. 14 Noho zay dra sy maisy magnaza gny Sabata iandrareo, aminizay dra sy maisy rambesindrareo ho masy azy, dra voatoka ho Anazy zay.Dra ze mandoto anizay dra sy maisy ho vono ho maty vatany. 15 Na iza na iza miasa amy andro Sabata, dra sy maisy ho ala amy vahokany tokoa zay olo zay.Hatao mandrisy gny fito andro gny asa, fa amy andro faha fito dra andro Sabata ze fisahara tateraky, masy, natoka ho fagnaza an'i Yaveh.Na iza na iza miasa amy andro Sabata dra ho vono vatany. 16 Noho zay reo Israelita dra sy maisy magnaza gny Sabata.Sy maisy mitandry anizay ho lalana maharisy izy reo manera gny taranaky gny vahoakany. 17 Gny Sabata dra ho famatara eo amin'i Yaveh vo reo Israelita hatragny, nandrisy fny enina andro gny nanovan'i Yaveh gny lagnisy vo gny tany, dra tamy andro fahafito dra nizano Izy dra nangalaky ay.'' 18 Raha avy niresaky tamin'i Mosesy Zagnahary teo antendrombohisin'i Sinay, dra nomeny takelaky rony didim-paneke izy, vita tamy vato, voasorasy tamy tagnany avo.