Toko faha 29

1 Dra zao gny sy maisy ataondrareo ba hanokanandrareo anazy reo ho anahy ba hanompoan'ereo anahy ho mpisoro. Mangala vantonagn'ombilahy vo agn'ondrilahy ro sy misy handrany, 2 mofo sy misy lalivay, dra mofomamy sy misy lalivay nasia menaky. Mangala avo koa mofo matify sy misy lalivay voahososy menaky. Manova mofo matify amy fampiasa gny lafariny varim-bazaha. 3 Atovy agnatiny harona raiky reo, andeso agnatiny gny haro reo, dra atolory miaraky amy vantonagn'ombilahy vo reo agn'ondrilahy ro. 4 Sy maisy minday an'i Arona vo reo zanany eo amy filira amy fihaogna iandrareo. Sy maisy manasa an'i Arona vo reo zanany amy rano iandrareo. 5 Sy maisy mangalaky reo akazo dra mampitafy an'i Arona amy akazo lava, akazo misy gny efoda, gny efoda, dra gny saron-tratra iandrareo, mampipitiky gny fehitroky vita amy tenona-matify mametraky gny satroky amy lohany dra mametraky gny satro-boninahisy masy eo agnabony satroky. 7 Laha teo dra mangalaky gny menaky fagnosora dra araraho eo amy lohany, zay gny fomba hagnosora anazy. 8 Iandrareo dra sy maisy minday reo zanany dra mampiakazo lava anazy reo. 9 Sy maisy mampiakazo an'i Arona vo reo zanany amy saro-tratra dra mametraky fehiloha amin'ereo iandrareo.Ho anazy reo amy alalany mandrakizay gny asa fisorogna amy fomba zay dra sy maisy hanoka an'i Arona vo reo zanany ba hanompo anahy iandrareo. 10 Sy maisy hinday gny vantonagn'ombilahy eo anatrehany gny fihaogna iandrareo aby, dra i Arona vo reo zanany dra sy maisy mametraky gny tagnan'ereo amy lohany. 11 Sy maisy mamono gny vantonagn'ombilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amy fidira amy gny fihaogna iandrareo. 12 sy maisy mangalaky sasany amy liony vantonagn'ombilahy iandrareo dra mametraky anizay amy rasan-tagnandrareo amin'ereo tandroky gny alitara, dra sy maisy mandraraky gny tavelany gny lio eo amy fotony gny alitara. 13 Sy maisy alandrareo gny sabora aby ze mandrakosy gny ao agnatiny, alao avo koa gny zabora ze mandrakosy gny atiny vo reo voany ro; dory eo amy alitara zay aby zay. 14 Fa gny nofony vantonagn'ombilahy koa, gny holiny vo gny tai-drorohany, dra sy maisy horoandrareo agny ambaliky gny toby. Ho soro noho gny fahota 15 Sy maisy mangalaky gny agn'ondry lahy avo ho andrareo, dra i Arona vo reo zanany dra sy maisy mametraky gny tagnan'ereo eo amy lohany. 16 sy maisy vonondrareo gny agn'ondry lahy, dra mangalaky gny lio vo mamafy anizay amy sisinigny alitara aby. 17 Sy maisy tehindrareo gny agn'ondrilahy dra sasaindrareo gny ao agnatiny vo gny tombony, dra sy maisy apetrakindrareo, miaraky amin'ereo fa voatetiky gny lohany, eo amy alitara gny tao agnatiny . 18 Laha eo dora manotolo gny agn'ondry. Ho fagnatisy dora ho an'i Yaveh zay, hagnisy mamerovero , fagnatisy natao tamy afo ho an'i Yaveh. 19 Sy maisy mangalaky gny agn'ondrilahy hafa iandrareo laha teo, dra Arona vo reo zanany dra sy maisy mametraky gny tagnan'ereo eo amy lohany. 20 Dra sy maisy mamono gny agn'ondrilahy vo mangalaky sasany amy liony iandrareo.Atovy eo amy tendrony gny ravisofy ankavanan'i Arona zay, dra eo amy tendrony ravisofy ankavanan'ereo zanany, eo amy ankihibeny tagnany ankavan'ereo, vo eo amy ankihiben-tombony ankavanan'ereo . Laha teo sy maisy mamafy gny lio amy sisiny alitara aby iandrareo. 21 Sy maisy mangalaky sasany amy lio ze eo amy alitara vo sasany amy menaky fagnosora iandrareo, dra mamafy anizay aby zay amin'i Arona vo gny akazo , amin'ereo zanany vo gny akazon'ereo avo koa.Dra ho voatoka ho anahy i Arona , bamin'ereo fitafiany, reo zanany vo reo fiakazoan'ereo. 22 Sy maisy alandrareo gny saboranigny agn'ondrilahy, gny saborany rambony, gny sabora ze mandrakosy gny ao agnatiny, gny sabortany atiny, reo voany ro vo gny saborany, dra gny feny ankavana-satria io agn'ondrilahy io dra ho agny mpisoro ze nohamasiny ho anahy. 23 Mandraisa mofo raiky, mofo raiky misy menaky, dra mofo manify raiky ao amy haro ze misy reo mofo sy misy lalivay zay eo anatrehan'i Yaveh. 24 Sy maisy apetrakindrareo eo amy tagnan'i Arina vo gny tagnan'ereo zanany anizay dra atovy mihevaheva eto anatrehako reo ba ho fagnatisy ahevaheva ao anatrehan'i Yaveh. 25 Sy maisy mangalaky gny sakafo laha teo amy tagnan'ereo iandrareo laha teo dra magnoro anizay miaraky amy fagnatisy doro eo amy alitara. Hamoaky hagnisy mamerovero zay;ho fagnatisy natao tamy afo ho anahy zay. 26 Sy maisy mangalaky gny tratranigny agn'ondrilahy fanokana an'i Arona iandrareo dra magnato anizay ho fagnatisy ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh, ka ho azarandrareo zay. 27 Sy maisy atokandrareo ho anahy gny tratrany fagnatisy ze nahevaheva , dra gny feny ze azaran'ereo mpisoro-gny tratra ze nahevaheva vo feny ze azana'i Arona vo reo zanany. 28 Ho reo zanany zay.Ho fanndraisa azaran'ereo olon'Israely gny magnome amy fagnati-pivavaha ho an'i Yaveh. 29 Reo fiakazo masin'i Arona dra sy maisy voatoka ho an'ereo zanamy mandimby anazy.Izy reo dra ho voahososy ao amin'ereo dra voatoka ho anahy ao amin'ereo. 30 Gny mpisoro zay mandimby anazy eo amin'ereo zanany , zay avy eo amy fihaogna ba hanompo anahy ao amy toera masy, dra tokony hanao reo fiakazoa reo mandrisy gny fito andro. 31 Sy maisy mangalaky gny agn'ondrilahy ho agny fametraha gny mpisoro ho anahy vo mahandro gny henany ao amy toera masy iandrareo . 32 Arona vo reo zanany dra sy maisy mihina gny henany gny agn'ondrilahy vo gny mofo ze tao agnatiny haro teo amy filira magnao amy fihaogna. 33 Izy reodra sy maisy mihina gny hena vo gny mofo ze nome ba hagnavaha anazy reo vo hanokana anazy reo , ba ho voatoka ho anahy.Sy misy olon-kafa tokony hihina gny sakafo,satria izy reo dra sy maisy manao anizay tahaky gny ho nohamasiny ho anahy, natoka ho anahy, 34 Raha misy ambiny amy maraindray reo henany fagnatisy fanokana, na ze mofo aby, dra sy maisy horoandrareo zay.Sy azo hohany sasy zay satria fa natoka ho anahy. 35 Aminizay fomba zay , amy alalany fagnaraha zay aby nodidiako ho ataondrareo, gny sy maisy hindaiandrareo an'i Arona vo reo zanany. Mandrisy gny fito andro reo gny sy maisy homanindrareo. 36 Isan'Andro iandrareo dra sy maisy manolosy agn'ombilahy ho fagnatisy noho gny fahotandrareo ba ho fagnavota. Sy maisy magnalio gny alitara amy alalany fanova fagnavota eo aminizay iandrareo, dra iandrareo dra sy maisy magnososy anizay ba hanoka anizay ho anahy. 37 Mandrisy gny fito andro sy maisy manao fagnavota eo amy alitara vo manoka anizay ho an'i Yaveh iandrareo. Ka ho voatoka manolosy ho anahy gny alitara.Zay aby mikasiky gny alitara dra ho voatoka ho an'i Yaveh. 38 Sy maisy hatolosindrareo eo amy alitara isan'andro sy tapaky gny zanakagn'ondry heritao . 39 Gny zanakagn'ondry raiky dra sy maisy atolosy amy maraindray , dra gny zanakagn'ondry raiky hafa dra sy maisy atolosy eo ho eo amy filetehany masoandro. 40 aminizay zanakagn'ondry volohany, dra manolora koba manify impolo gny efaha nafangaro tamy dililo ampahefasy gny hina avy amy oliva nofihazy, dra divay ampahefasy gny hina ho raha-finomy fagnatisy. 41 Sy maisy manolosy gny zanakagn'ondry faharo iandrareo eo ho eo amy fiposahany masoandro. Iandrareo dra sy maisy manolosy fagnatisy hohany tahaky taminigny maraindray, vo raha-finomy fagnatisy. Hiteraky hagnisy mameromero ho anahy reo;ho fagnatisy natao tamy afo ho anahy zay. 42 Sy maisy fagnatisy dora sy tapaky amy taranakindrareo reo, eo amy filira ao amy fihaogna eo anatrehan'i Yaveh, ze hihaognako aminao vo hiresahako aminao. 43 agny no hihaognako amin'ereo Israelita, gny dra ho atoka ho anahy amy alalny voninahiko. 44 Hanoka gny fihaogna vo gny alita ho an'ereo ze gn'anahy manoka .Hanoka an'i Arona vo reo zanany ba hanompo anahy ho gny mpisoro avo koa zaho. 45 Hiaigna eo amin'ereo Israelita zaho dra ho Zagnaharin'ereo. 46 Ho fatan'ereo fa zaho gny Yaveh, Zagnaharin'ereo , zay ninday anazy reo niboaky gny tany Egypta ba hahafahako miay eo amin'ereo.Zaho gny Yaveh, Zagnaharin'ereo.