Toko faha 22

1 Gny misy olo mangalasy agnomby na agnondry dra mamono izay na mamarosy izay, dra sy maisy magnonisy agnomby dimy ho an'ny agnomby raiky izy, dra agnondry afasy ho an'ny agnondry raiky. 2 Gny misy pangalasy trasy mamaky tragno, dra gny vono izy dra maty, dra sy misy fagnamelohana nohon'ny vono-olo hamehy na iza na iza nohon'ny amigny amin'izay tranga izay. 3 Fa gny niposaky gny masoandro talohan'ny namakiany gny tragno, dra hamehy ilay olo izay namono anazy gny fagnameloha amigny vono-olo. Sy maisy magnonisy gny nangalariny gny pangalasy. Gny sy manana na ino na ino izy. dra sy masy avily nohon'ny famgalarany. 4 Gny hita velo egny atagnany ilay biby nagnalariny, na agnomby izay, na apondra, na agnondry, dra sy maisy hagnonisy avo ro heny izay izy. 5 Gny misy olo magnenga gny biby fiopony hadraoky egny asaha na egny amigny tanim-boaloboky dra magnenga ireo bibiny ho levo, dra madraoky egny amigny sahan'ny olo-kafa izay , dra sy maisy magnonisy amin'izay soa indrindra ao amigny sahany manokana vo izay soa indrindra ao amigny tanim-boalobony manokana izy. 6 Gny misy afo mirehisy dra mihitasy amigny silo dra mahazo gny voam-bary, na vary voaziza, na saha, dra azo atoky fa sy maisy hanohisy ilay raiky izay napirehisy gny afo. 7 Gny misy olo magnome vola na harena amigny naman'ny aminazy ba hiarovana izay, dra gny nangalariny tao atragnon'ilay olo izay, dra hita ilay pangalasy, dra sy maisy hagnonisy avo ro heny ilay pangalasy. 8 Fa gny sy hita ilay pangalasy, dra sy maisy avy alohan'ireo pisara ilay tompo-tragno ba hagnety gny tagnany avo gny nangalasy gny fanagnan'ilay namany aminazy. 9 Fa gny fifandira aby momba gny raaha raiky, na agnomby izay, na apodra, na agnondry, na fitafy, na ireo raha hafa sy ampy momba izay zakan'ilay ho: ''Anahy itihoky,'' dra sy maisy avy eo alohan'ireo pisara gny fataregnan'ireo atoko ro. Ilay olo izay nomelohan'ny pisara dra tokony hagnonisy avo ro heny amigny namany. 10 Raha misy olo magnome apondra, na agn'omby, na agn'ondry na biby hafa ho hahazany gny mpiara-belo aminazy, ka raha maty zay na marasy na nisy ninday ka sy nisy nahita, 11 dra sy maisy miania amin'i Yaveh ro reo, raha nisy olo raiky na aha nangalasy gny fanagnany gny mpiara-belo aminazy.Sy maisy magneky anizay gny tompony, dra sy hanohisy gny raiky hafa. 12 Fa raha nangalariny taminazy zay, dra sy maisy manohisy anizay amy tompony gny hafa. 13 Raha nisy biby naviravirahy, dra ao gny olo hafa hinday gny biby ho porofo .Dra sy hanonisy zay fa noviraviarany izy. 14 Raha misy olo mindrana biby amy mpiara-belo aminazy ka narasy na maty gny biby nefa sy niaraky tamy tompony, dra sy maisy manohisy gny olo hafa. 15 Fa raha niaraky taminizay gny tompony, dra sy mila manohisy gny olo hafa;raha nofana gny biby , dra hanera amy hofany zay. 16 Raha misy lelahy misariky viriziny zay bo sy nanambaly, dra raha miara-mandry aminazy izy, dra sy maisy mangalaky anazy ho valy izy amy alalany tako-maso taky aminizay. 17 Raha anazy gny rany,dra sy maisy manohisy vola mitovy amy tako-maso agny viriziny izy. Sy tokony hagnenga gny mpanandro ho velo ianao. 19 na iza na iza miara-mandry amy biby dra sy maisy ho vono vatany. 20 Na iza na iza manao soro ho an'Agnahary afa-sy Yaveh dra sy maisy haringa tateraky. 21 Ao sy handiso reo vahiny na hampizaly anazy ianao , satria ianao dra vahiny tagny amy tany Egypta. 22 Ao sy hamizaly gny mpinday-vatva na zaza kamboty ra mihisy ianao. 23 Raha mampahory anazy reo loasy ianao, ka mitoka anahy izy rei, dra ho reko tooa gny tokavin'ereo . 24 Hazeky gny hahoriako, dra ho vonoko amy sabasy ianao;hazary ho mpindai-vata gny valinao, dra ho kamboty ra reo zanakao. 25 Raha mampindra vola ho agny oloko zay mizaly eo aminao ianao, dra ao sy ho manahaky gny mpampitrosa-vola aminazy ianao na mazanam-bola anazy . 26 Raha mangalaky gny fiakazoany gny namanao ho antoky ianao, dra ao hangnerrgnanao aminazy zay alohany gny hiletehany masoandro, 27 fa azy avo gny fisarogna ho anazy;zay gny fiakazoany ho agny vatany.Ino avo koa gny afaky handriany?Raha mitoka anahy izy,dra handrea anazy zaho, satria be fangoraha zaho. 28 Ao ianao hizaka rasy anahy, Zagnahary, na hagnozo gnympanampoky gny vahoakinao. 29 Aoka sy hihazo ereo fagnatisy avy amigny vokasy gny taninao vo ereo famihazam-boalombokao hanao. Aoka ho- menao anahy gny voloha-teraky amin'ereo zanakao. 30 Ary Aoka hanao izaho amin'ereo agnoby vo andrinao avo koa hanao. Fa amigny andro fahafito dra afaky toetra miaraky amin'ereo reniny izy ereo, fa amigny andro fahavalo dra tokony homedrareo anahy. 31 Ho lo voatoka ho anahy iandrareo.Noho zay dra sy tokony hihina hena zay fa noviravirany gny biby tegny antanimboly ndrareo.Fa koa, ao hisipindrareo ho agny haboa zay.