Toko faha 21

1 ''Dra tahoky gny didy zay sy maisy hapetrakao eo anoloan'ereo: 2 'Gny mivily panopo Hebreo hanao, dra hanopo madrisy gny eni-tao izy, dra amigny taona fahafito dra nandeha malalaky sy fagnefa na ino na ino izy. 3 Gny izy tegnany gny avy, dra sy maisy mandeha akalalahana gny tagnany; gny manambaly izy, gny valiny dra sy maisy mandeha aklalahana midray aminazy. 4 Gny magnome valy hon'azy gny tompony dra niteraky zazalahy na zazavavy taminy izy, dra gny valiny vo ireo zanany dra ho an'ny tompony, dra sy maisy mandeha akalalahana gny tegnany. 5 Fa gny mizaka mazava soa ilay panopo ho: ''Tiako gny tompoko, gny valiko, vo ireo zanako; sy handeha apahalalana zaho,'' 6 Dra aoka hinday anazy ho eo amin'i Zagnanahry gny tompony. Sy maisy hinday anazy eo ambatrangara na tolam-batramgara ilay tompo, dra sy maisy tevehin'ny tompony amigny haolo gny sofiny. Dra hanopo anazy madra-pahatapisy gny ainy ilay manopo. 7 Gny misy lelahy mamarosy gny zanany vavy ho panopo vavy, dra sy handeha akalalahana manahaky ilay panopo lahy izy. 8 Fa gny sy mahafaly gny tpmpony izy, izay nifily anazy ho an'ny tegnany, dra aoka izy hagnenga anazy hovily draiky. Sy manazo hamarosy anazy amigny vahiny izy.Sy manazo manahaky izay izy, satria namitaky anazy. 9 Gny filin'ny tompony ho manahaky gny valy ho an'ny zanany lahy izy, dra sy maisy hinday anazy manahaky gny zanany vavy izy. 10 Gny mangalaky valy hafa hon'azy izy dra sy tokony hapihena gny sakafony, gny fitafiany, na gny ara-panambaliany. 11 Fa gny sy magnome anazy ireo raha telo ireo, dra afaky mandeha akahalalana izy dra sy mandoa vola. 12 Na iza na iza mamono olo dra mahafaty anazy, dra aoka ho vono tokoa izay olo izay. 13 Fa gny sy nagnoma mialoha izay ilay lelahy, fa sy fanahiniana koa, dra hanodro toerana hahafany mandososy zaho. 14 Gny manafiky asitrapo gny piara-belo amigny olo raiky dra aoka halanao izy ba ho maty, na dre agny amigny alitara an'i Zagnahary aza izy. 15 Na iza na iza mamely gny babany na gny reniny dra sy maisy hovono izy. 16 Na iza na iza mangalaky akeriny olo raiky dra mamarosy anazy, na trasy tegny atagnany ilay olo, dra aoka ho vono tokoa izay pangalaky akeriny izay. 17 Na iza na iza magnozo gny babany na gny reniny dra aoka ho vono tokoa izy. 18 Gny mialy ireo lelahy dra mamely gny babany amigny vato na totondry, dra sy maisy izay olo izay, nefa sy afaky miala eo apadriany; 19 Dra gny sitrany izay dra afaky mandeha amigny fapiasa gny tehiny, dra sy maisy magnonisy ilay fotoany levo ilay olo izay nagnenga anazy; dra sy maisy miatoky gny fagnasitragnany anazy tateraky avo koa izy. Fa izay olo izay dra sy ory amigny famonoa. 20 Gny misy olo mazera gny panopony lahy na gny panopo vaviny amigny tehina, dra gny maty nohon'ny gny rasy ilay panopo, dra sy maisy ho faizina tokoa izay olo izay. 21 Kanefa, gny miaina madrisy gny andro raiky na ro ilay panopo, dra sy tokony ho sazina ilay tompony, satria hizaly amin'ilay fahaverezan'ny panopony izy. 22 Gny mialy vo madrasy vehivavy bevoka ireo lelahy, dra afa-zaza izy, nefa sy misy rasy hafa egny aminazy, dra ilay lelahy mivio dra sy maisy magnatateraky izay sitrapony valin'ilay vehivavy avy amigny , dra sy maisy magnonisy izay araky gny famaritan'ny pisara izy. 23 Fa gny misy rasy lahibe koa, 24 Dra sy maisy magnome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tagna ho solon'ny tagna, tomboky ho solon'ny tomboky, 25 May ho solon'ny may, rasy ho solon'ny rasy, na mangana ho solon'ny mangana izy. 26 Gny misy olo mamely gny mason'ny panopo lahiny na gny panopo vaviny dra manola izay, dra sy maisy hagnenga ilay panopo handeha akahalalahana ho fagnoregna gny masony izy. 27 Dra gny mangalaky gny nifin'ny panopo lahiny na panopo vaviny izy, dra sy maisy hagnenga ilay panopo handeha akahalalahana ho fagnoregna gny nify. 28 Gny misy agnomby manoto lelahy na vehivavy dra nahafaty anazy, dra sy maisy ho torahi-vato ilay agnomby, dra gny nofony dra sy azo hohany, dra sy ho meloky tpmpon'ilay agnomby. 29 Fa gny nanam-pahazarana nanoto ilay agnomby taloha, dra fa nampitadremana gny tompony nefa sy niteno izay, dra nahafaty lelahy na vehivavy ilay agnomby, dra sy maisy ho torahi-vato izay agnomby izay, dra sy maisy hovono koa gny tompony. 30 Gny taliavy gny fandoava vola ho solon'ny ainy, dra sy maisy handoa izay takeny izy. 31 Gny misy agnomby nanoto zazalahy na zazavavy, dra sy maisy manao izay takin'ny didy ho atao ilay tompon'ny agnomby. 32 Gny manoto panopo lahy na panopo vavy ilay agnomby. dra sy maisy mandoa sekely vola fosy telopolo gny tompon'ilay agnomby, dra sy maisy ho torahi-vato ilay agnomby. 33 Gny misy olo manokaky lavaky raiky, na misy olo mihaly lavaky nefa sy magnaro izay, dra misy agnomby na boriky lasaky ao amin'izay, 34 Dra sy maisy magnery gny fatiantoky gny tpmpon'ilay lavaky. Sy maisy magnome vola ho an'ny tompon'ny biby maty izy, dra ireo biby maty dra ho lasany. 35 Gny misy ombin'olo madrisy gny agnombin'ny hafa dra mahafaty anazy, dra sy maisy havilin'izy ireo gny agnombiny velona dra hozara gny vidily, dra sy maisy zarany izy ireo avo koa gny agnomby maty. 36 Fa gny fatasy fa zasy nanota ilay agnomby teo aloha, dra sy nitadry izay gny tompony, dra sy maisy hanohisy agnomby ho solon'ny agnomby izy, ilay biby maty dra ho lasany.