Toko faha 19

1 Tamy volana fahatelo tafarany nialany vahoakin'Israely gny tany Egypta, tamin'io andro io avo, gny nahahavian'ereo tao an'efisin'i sinay. 2 Koa fa gny niala tao Refidima izy reo ka nagnagny an'efisin'i Sinay, dra nitoby tao an'efisy teo anoloany tendrombohisy. 3 Dra niakasy tao amin'Agnahary Mosesy.Dra nitoka anazy laha teo amy tendrombohisy Yaveha ka nanao ho:''Sy maisy hizakanao gny akohonan'i Jakoba, dra gny vahoakin'i Israely ho: '' 4 Fa hitadrareo izay nataoko tamigny Egyptiana, gny fomba nandesako adrareo tamigny alasy gny voromahery vo gny nitonako adrareo ho eto aminahy. 5 Dra akehitriny dra, gny miteno apakatoava gny feoko hadrareo dra mitadry gny fagnekeko, dra ho harena manokana hon'ahy hadrareo mihoasy amigny olo aby, satria anahy gny tany aby. 6 Dra ho fazaka-pisoro vo ho firenena masina hon'ahy hadrareo. Ireo zaka ireo gny sy maisy ho zakanao amigny vahoakin'Israely.''' 7 Dra avy Mosesy ka nitoka reo loholony vahoaky. Ka nalahany nanoloa anazy reo gny zaka aby zay nandidian'i Yaveh anazy. 8 Koa niara-namaly reo vahoaky ka nanao ho:''Nataonay aby zay nizakan'i Yaveh .''Dra nitaterin'i Mosesy tamin'i Yaveh gny zakan'olo. 9 Dra hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ho avy eo aminao agnatiny raha matevy zaho ba hahafahany gny vahoaky mahare anao raha mizaka miaraky aminao zaho dra ba hahafahany hino anao mandrakariva koa.''Dra nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh reo zakany gny vahoaky. 10 Dra hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Mandehana agny amy vahoaky. Amizao vo maray gny sy maisy hagnamasinanao ho anahy anazy reo, dra atovy liovin'ereo gny fiakazoany. 11 Mivonogna amy andro fahatelo, fa amy andro fahatelo dra hizoso ho eo amy tendrombohisin'i Sinay Yaveh. 12 asio fefy gny magnodidy gny tendrombohisy ho agny vahoaky.Lazao amin'ereo ho:'Tandremo ba sy hiakarandrareo gny tendrombohisy na hikasihandrareo gny sisinizay.Na iza na iza mikasiky gny tendrombohisy dra hovono dra ho maty vatany izy.' 13 Sy hisy tana hikasiky olo manahaky anizay .Fa koa,hotoraham-bato vatany izy na hotifiry.Na olo zay na biby , dra sy maisy vono izy.Fa gny lavareny gny feony gny trompetra, vao afaky mangneo ho eo am-potosy gny tendrombohisy izy reo.'' 14 Dra nizoso gny tendrombohisy Mosesy ba ho eo amy vahoaky.Nohamasiny ho an'i Yaveh gny olo dra reo koa nagnalio gny fiakazognany. 15 Dra hoy izy tamy vahoaky ho:''Mivonogna amy andro fahatelo; koa aza magneky gny valindrareo.'' 16 Tamy andro fahatelo, nogny maray, dra nisy kotrokora vo helasy dra raho matevy teo antendrombohisy , dra feon-trompetra fatram-pagneno.Teraki-mangitikitiky gny olo aby teo amy toby. 17 Dra nandesin'i Mosesy niboaky gny toby gny olo ba hiteno amin'Agnahary, dra nisanga teo am-potosy gny tendrombohisy izy reo. 18 Tako hoto tateraky gny tendrombohisy Sinay satria nizoso teo aminazy tamy afo vo gny hoto Yaveh.Dra niakasy manahaky gny setroky gny lafaro lahibe gny setroly, dra nihozongozo fatrasy gny tendrombohisy raiky manotolo. 19 Fa gny nihafatrasy dra fatrasy gny feony gny trompetra, dra nizaka Mosesy , Dra namaly feo anazy Zagnahary. 20 Dra nizoso teo antendrombohisy Sinay Yaveh, teo andoham-bohisy, dra nitoka an'i Mosesy ho ao andohany Izy.Dra niakasy Mosesy noho zay. 21 Dra hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Mizosoa ka hampitandremo gny olo sy hisisiky ho atio aminahy ba hizaka, raha sy zay dra ho maro amin'ereo gny ho maty. 22 Ao avo koa reo mpisoro ze magneky anahy ba hanoka gny vatany-hampiomano izy reo gny amy fahaviako -ba sy kamely anazy zaho.'' 23 Dra hoy Mosesy tamin'i Yaveh ho:''Sy afaky hiakasy gny tendrombohisy gny olo, fa nanandidy anay Ianao ho:''Asio fefy magnodidy gny tendrombohisy ka hatokano ho an'i Yaveh zay.''' 24 Dra hoy Yaveh taminazy ho:''Mandeha, mizosoa gny tendrombohisy, ka andeso miakasy miaraky aminao i Arona, nefa ka anga handrava gny fefy mangnagny aminahy reo mpisoro vo reo vahoaky, fandrao hamely anazy reo zaho.'' 25 Dra nizoso teo amy vahoaky Mosesy ka niresaky tamin'ereo.