Toko faha 18

1 Nahare gny raha iaby nataon'Agnahary tamin'i Mosesy vo gny Israely vahoakin'i Jetro, mpisoronigny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy .Reny fa Yaveh ninday gny Israely niboaky an'i Egypta. 2 Nalan'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy i Zipora , valin'i Mosesy, tafanigny nagnaregnany anazy , 3 dra reo zanany ro lahy;gny agnarany gny raiky dra Gersoma,satria hoy Mosesy ho:''Fa vahiny tagny amy taniny firenena hafa zaho.'' 4 Eliezara koa gny agnaranigny raiky , satria hoy Mosesy ho:''Gny Zagnahary gny razako gny namozy anahy. Nagnavosy anahy tamy sabasin'i Farao Izy.'' 5 Baka niaraky tamy zanadahin'i Mosesy vo gny valiny tagny amin'i Mosesy tagny an'efisy zay nitobiany teo antendrombohisin'Agnahary i Jetro, rafozan-dahiny . 6 Ho izy tamin'i Mosesy ho:''Zaho, Jetro rafozan-dahinao, dra avy atio aminao miaraky amy valinao vo gny zanany ro lahy.'' 7 Niboaky hiseza gny rafozan-dahiny Mosesy , nandohaliky izy, dra nagnoroky anazy.Nifagnontany fahasalama izy reo dra nilisy tao an-day laha teo. 8 Nitaterahin'i Mosesy tamy rafozan-dahiny reo aby ze nataon'i Yaveh tamin'i Farao vo gny Egyptiana noho amy Israely , reo aly sarosy aby nahazo anazy tegny an-dala, dra gny fomba nagnavotan'i Yaveh anazy reo. 9 Dra faly Jetro noho gny soa aby zay nataon'i Yaveh taminigny Israely, tamy nagnavotany anazy reo tamy tanan'i Egyptiana. 10 Hoy Jetro ho:''Ho deray se Yaveh, satria Izy nagnavosy anao teo an-tanan'i Egyptiana vo teo an-tangnan'i Farao, dra nanafiky gny olo teo ampelatagnan'ereo Egyptiana. 11 Fatanao amizao fa lahibe noho gny Zagnahary aby Yaveh, satria fony ninday gny Israelita tamim-piavognavo gny Egyptiana, dra navotan'Agnahary gny olony.'' 12 Ninday fagnatisy dora dra soro ho an'Agnahary i Jetro ,rafozan-dahin'i Mosesy .Dra avy nisakafo niaraky tamin'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy , teo anatrehan'Agnahary i Arona vo reo loholon'i Israely aby. 13 Gny maray dra nipetraky hisara gny olo i Mosesy.Nisanga nagnodidy anazy gny olo nanomboky gny tamy maray ka hatramy hariva . 14 Fa gny nahita anireo aby nataon'i Mosesy tamy vahoaky gny rafozan-dahiny, dra hoy izy ho:''Fa ino izato ataonao miaraky amy olo?Nanao akory ianao raiky gny mipetraky dra gny olo-aby misanga magnodidy anao nanpmboky maray hatramy hariva?'' 15 Dra hoy Mosesy tamy rafozan-dahiny ho:''Magnato anahy gny olo ba hagnontany gny tari-dalan'Agnahary. 16 Fa gny misy disadisa eo amin'ereo , dra zaho gny hagnatognany.Zaho gny manapa-hevisy eo amy ro tonta, ka mampianasy anazy reo gny didin'Agnahary vo gny lalany.'' 17 Hoy gny rafozan-dahin'i Mosesy taminazy ho:''Sy dra mety loasy gny raha ataonao. 18 Ho rokaky tokoa iandrareo, dra ianao vo reo olo zay miaraky aminao.Mavesasy loasy ho anao zao zioga zao.Sy vitanao raiky io. 19 Tenoy zaho.Hanoro hevisy anao zaho, dra Agnahary homba anao, satria ianao gny solotegnany gny olo eo anatrehan'Agnahary, vo minday gny alin'ereo eo aminazy. 20 Sy maisy hampianarinao anazy reo gny didiny vo lalany.Sy maisy hasehonao anazy reo gny lala tokony handehana vo gny asa tokony hatao. 21 Dra sy maisy mifily lelahy mahay avy amy olo aby ianao, dra lelahy zay magnome voninahisy an'Agnahary, lelahiny fahamarigna zay sy tia kolikoly.Sy maisy hapetraky ho mpanapaky gny olo izy reo, ba ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, dra folo. 22 Izy reo gny hisara gny olo amy raharaha mahazasy aby, fa gny tranga sarosy haha koa andesin'ereo agny aminao.Gny amin'ereo tranga madiniky, gny vatan'ereo avo dra jho afaky hisara anizay.Aminizay dra ho mora aminao, dra izy reo hiara-hizaka zay mavesasy aminao. 23 Raha manao anizay ianao , dra raha Zagnahary gny mibaiko anao hanao anizay, dra hahavita hiarisy ianao, dra olo-iaby afaky holy agny antragno amy fahafaham-po.'' 24 Nitenon'i Mosesy gny zakan-drafozany dra nataony avo koa zay raha nizakany. 25 Dra nifily lelahy soa laza aby amin'ereo Israely aby mosesy ka nanao anazy reo ho mpitariky gny vahoaky, dra ho mpifehy arivo , zato , dimampolo, dra folo. 26 Nisara gny olo tamy tranga sotra izy reo.Reo tranga sarobaha gny nandesiny tagny amin'i Mosesy, fa gny vatan'ereo avo gny nisara reo tranga madiniky. 27 Koa namela gny rafozan-dahiny handeha Mosesy, dra Jetro noly tagny amy taniny.