Toko faha 17

1 Reo fiarahamonin'Israely manotolo dra nandeha laha tagny amy efisin'i Sina, nagnaraky reo torolalan'Agnahary.Nitoby tao Refidima izy reo, nefa sy nisy rano ho nomy gny vahoaky tao. 2 Dra nagnome signy sn'i Mosesy noho zay raha-nisy tamin'ereo zay gny vahoaky dra nanao ho:''Omeo rano honomy zahay.''Hoy Mosesy ho:''Nanao akory gny mifagnakany aminahy iandrareo?Nanao akory gny mangalaky fagnahy an'i Yaveh iandrareo?'' 3 Nangetaheta fatrasy reo vahoaky , ka nitaray tamin'i Mosesy izy reo .Hoy izy reo ho:''Nanao akory gny ninday anay niakasy laha tao Egypta ianao?Ba hamono anay vo reo zanakay dra reo biby fitezanay amy hetaheta?'' 4 Dra nitoka fatrasy an'i Yaveh i Mosesy ho:''Ino gny tokony ataoko amin'itio vahoaky itio?Fa saiky ho vono hitora-bato anahy izy reo.'' 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy :''Mandehana eo alohan'ereo vahoaky, dra andeso miaraky aminao reo loholon'i Israely sasany.Andeso miaraky aminao gny tehina zay nazeranao gny renirano, agny eo amy vatolampy ao Horeba zaho, dra hazera gny vatolampy ianao.Hisy rano hiboaky aminizay ba honominy vahoaky.''Dra nanao zay teo amason'ereo loholon'Israely i Mosesy .|v 7 Nitoka zay toera zay hoe Masa vo Meriba noho gny fitarain'ereo Israelita izy, dra satria fa nangalaky fagnahy gny Tompo izy reo tamy nizakany ho:''andeso aminay se Yaveh sa aha?'' 8 Dra avy dra nanafiky an'Israely tao Refidima gny tafiky gny vahoaky Amalekita. 9 Dra hoy Mosesy tamin'i Josoa:''Mifiliana lelahy maromaro dra miboaha .Mialia amy Amalekita .Maray dra hisanga eo antampony havoa miaraky amy tehin'Agnahary eo antagnako zaho.'' 10 Dra nialy tamy Amalekita araky gny nandidian'i Mosesy anazy Josoaa, rahan niakasy tao antapony havoa koa MOsesy, Arona , dra Hora. 11 Fa gny nananga gny tagnany ho agnabo Mosesy , dra nandresy Israely ;fa gny nangnenga gny tagnany hangalaky ay izy, dra nanomboky nadresy gny Amalekita. 12 Fa gny nihamavesasy gny tagnan'i Mosesy , dra nangalaky vato i Arona vo i Hora dra nametraky anizay tao ambanigny ba hipetrahany.Tamin'io fotoa io avo , dra nita gny tagnany ho agnabo i Arona vo Hora, gny olo raiky teo andaniny , dra gny olo raiky hafa teo amy gn'ilany.Dra voafetriky fatrasy reo tagnan'i Mosesy mandra-piletiky gny masoandro. 13 Dra nandresy gny vahiakin'i Amalekita tamy Sabasy i Josoa. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy :''Soraty amy boky zao ka vakio eo asofin'i Josoa, satria hamono tateraky gny fahasiarova gny Amalekita sy eto ambany lagnisy zaho.'' 15 Dra nagnory alitara i Mosesy dra nitoka anizay ho:''Yaveh gny fagnevako.'' 16 Hoy izy:''Fa gny tagnany dra nasondrony agnabo ho amy seza fiandrianan'i Yaveh-fa Yaveh hialy amy Amalekita amin'ereo taranaky fara mandimby aby.''