Toko faha 16

1 Nanohy gny lian'ereo laha tagny Elima gny vahoaky , dra gny fivondrognan'Israelita dra avy tagny amy tany efisin'iSinay, zay manelanela an'i Elima vo Sinay, tamy andro fahadimy tamy volana faharo tafarany fialan'ereo laha tao amy tany Egypta. 2 Nitaray noho i Mosesy vo i Arona gny fivondronan'i Israelita aby tagny an'efisy. 3 Dra hoy Israelita tamin'ereo ho:''Raha ba matiny tanan'i Yaveh tagny amy tany Egypta agny isika tamy nipetrahasika teo marin'ereo vilagnin-kena ka nihina mofo dra visy.Fa nandesinao niboaky ho atiho amin'itio tany efisy itio zahay ba hahafaty resy gny fivondrognanay manotolo.'' 4 Laha teo i Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Handasaky mofo laha tagny andagnisy ho andrareo zaho.Hiboaky reo olo dra hamory gny tandrify hohaniny isan'andro ba hahafahako misapa anazy reo, hahitako raha handeha araky gny lalako izy reo na tsia. 5 Dra amy andro fahenina, izy reo dra hamory indroa mihoasy aminizay fa navorin'ereo isan'andro teo aloha, ka hahandro ze ho andesin'ereo.'' 6 Laha teo dra tamin'ereo vahoakin'Iraely i Mosesay vo i Arona ho:''Amizao hariva dra ho fatasindrareo fa Yaveh gny namoaky andrareo laha tagny amy tany Egypta. 7 Gny maray dra hahita gny voninahisin'i Yaveh iandrareo , fa Izy mahare gny fitaraindrareo noho gny aminazy.Iza moa zahay gny dra mampitaray andrareo?'' 8 Hoy koa Mosesy ho:''Ho fatasindrareo zay fa gny homen'i Yaveh hena iandrareo gny hariva dra sakafo gny maray ba ho visy-satria igny gny taray zay ambarandrareo noho gny aminazy.Ba iza moa zaho vo i Arona?Sy manohisy anay gny fitaraindrareo;fa manohisy an'Yaveh.'' 9 Mosesy nizaka an'i Arona ho:''Ambarao amy fivondrognany vahoakin'Israely aby ho:'Magnato eo anatrehan'i Yaveh, fa reny gny fitaraindrareo.''' 10 Dra raha niresaky tamy fivondrognany vahoakan'Israely aby i Arona, dra nagnety nagnatriky gny tany an'efisy reo, dra ingo, niseho tamin'ereo tegny amy raho gny voninahisin'i Yaveh. 11 Dra niresaky tamin'i Mosesy Yaveh dra nanao ho: 12 ''Fa reko gny fitaraignan'ereo vahoakin'Israely.Dra miresaky amin'ereo ka zakao ho:'Hihinan-kena iandrareo gny hariva gny maray.Dra ho fatandrareo fa zaho gny Yaveh Zagnaharindreo.''' 13 Dra nogny hariva nisy papelika niakasy vo nandrakosy gny toby.Gny maray dra nandry magnodidy gny toby gny ando. 14 Fa gny lasa gny ando , dra nisy bolokoloko-draha matify manahaky gny fanala teo amy tany tamy farisy gny efisy. 15 Dra fa gny nahita anizay gny vahoakin'Israely, dra nifagnontania izt reo ho:'Ino io?''Sy fatasin'ereo ho ino gny izy.Dra hoy Mosesy tamin'ereo :''Io gny mofo zay nomen'i Yaveh hohany. 16 Zao gny didy zay nomen'i Yaveh:''Ao gny kirairaiky amindrareo hamory ze tandrify hohanindrareo , dra gny vahany gomara raiky isaiky vahoakinao.Manahaky zao gny homorianao anizay:Mamory ze ampy hohanigny olo kirairaiky zay mitoesy ao agnatiny lainao.''' 17 Dra nataon'ereo vahoakin'Israely zay.Gny sasany nagnoro maro, dra gny sasany nagnoro keliky. 18 Raha nalahasin'ereo tamy gomara famara zay, reo zay nagnoro maro dra sy nisy ambiny , dra zay nagnoro keliky dra nana gny ampy.Gnmy olo kirairaiky dra nagnoro zay ampy ho agny taliaviny. 19 Dra hoy Mosesy tamin'ereo :''Ao sy hisy hagnenga sisa aminizay mandra-pahaviany gny maray.'' 20 Na zay aza, dra sy niteno an'i MOsesy izy reo.Nisy sasany tamin'ereo gny nangnenga sisa taminizay mandra-maray, fa niboaky olisy vo lasa membo zay. 21 Dra nazary hory tamin'ereo Mosesy.Dra nahoron'ereo isa-maray zay.Samy nagnoro gny tandrify anazy gny olo kirairaiky ba hohany tamin'io andro io.Fa gny nahamaiky gny masoandro, dra levo zay. 22 Dra tamy andro fahenina dra nagnoro mofo indro mihoasy isan'olo izy reo, gomara ro isan'olo.Gny lahibenigny fivondrogna aby dra nagnato dra nizaka zay tamin'i Mosesy. 23 Dra hoy izy tamin'ereo ho:'Zao gny voazakan'i Yaveh:'Fisahara masy maray, Sabata masy ho fagnaza an'i Yaveh.Hindazo ze tiandrareo hindazy, dra androy ze tiandrareo hahandro.Dra ahazaho ho andrareo , hatranigny maray gny sisa sy lany aby aminizay.''' 24 Dra nahazan'ereo mandraky maray zay, araky zay nandidian'i Mosesy. dra sy membo zay, na nahita olisy taminazy. 25 Hoy Mosesy :''Hano amizao tahoky sakafo tahoky , fa amizao dra andro voatoka ho Sabata ba hagnaza an'i Yaveh.Dra amizao dra sy hahita anizay agny antanimboly iandrareo. 26 Dra hagnory anizay mandrisy gny eny andro iandrareo, fa gny andro fahafito dra andro Sabata.Gny andro Sabata dra sy hisy mana. 27 Dra tamy andro faha fito dra maro reo olo gny nandeha noboaky nagnoro mana. fa sy nahita na ino na ino izy reo. ]v 28 Dra hoy Yaveh tamin'i Mosesy:''Ombia gny handavandrareo hitandry reo didiko vo reo lalako? 29 Ingo, nomen'i Yaveh andrareo gny andro Sabata,Dra amy andro fahaheny dra hagnome andrareo gny mofo mandrisy gny ro andro Izy.Ao hizanoeo amy toera misy anazy aby iandrareo;Sy misy mahazo miboaky eo amy toera misy anazy amy andro fahafito.'' 30 Noho zay dra nizanozano tamy andro fahafito gny vahoaky. 31 ''Mana''gny nitovan'ereo vahoakin'Israely zay sakafo zay.Fosy manahaky gny voan-drafy reo, dra mana siro manahaky gny Koriandra matify misy tately. 32 Hoy Mosesy :''Zai gny didin'i Yaveh:'Ao hisy mana raiky gomara voahaza mandrisy gny taranaky gny vahoakinao, ba hahita reo mofo namahanako andrareo tagny an'efisy gny taranakindrareo, tafarany nandesako andrareo niboaky laha tagny Egypta.''' 33 Dra hoy Mosesy tamin'i Arona:''Mangala vilagny dra asio mana raiky gomara ao .Atovy eo alohan'i Yaveh zay ba ho voatahiry mandrisy gny taranaky gny vahoaky.'' 34 Araky gny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy , dra nihazahin'i Arona tamy lakany faneke tao agnatiny tobily zay. 35 Nihina mana nandrisy gny efapolo tao gny vahoakin'Israely mandra-pahaviny anazy reo tany amy tany misy mpony.Nihina anazy reo teo amy sisin-tany Kanana. 36 Dra gny gomara raiky vdra mira ampahafolony efaha raiky.