Toko faha 15

1 Dra nihira izao hira izao ho an'i Yaveh i Mosesy vo gny vahoakin'Israely. Nihira izy ireo ho: ''Hihira ho an'i Yaveh zaho, fa nandresy tamivononahisy izy; gny sovala vo gny pitikisy izay dra natorany tao agnaty ranomasina. 2 Yaveh gny tazako vo hirako, dra fa nazary famozena anahy izy. Izay gny Zagnahariko, dra hidera anazy zaho, Zagnaharin'ireo razako, dra hanadrasy anazy zaho. 3 Yaveh dra pialy; Yaveh gny agnarany. 4 Nagnary gny Kalesin'i Farao vo gny tafiky tao agnaty ranomasina izy. Ireo manavoninahisy voafilin'i Farao dra nisitriky tao agnatin'ny Ranomasy Mena. 5 Gny laliky nagnaro anazy ireo; dra niletiky tagny amigny laliky manahaky gny vato izy ireo. 6 Gny tagnanao akavana, ry Yaveh, dra manavoninahisy amigny hery; gny tagnanao akavana, ry Yaveh, dra nanorotoro gny fahavalo. 7 Tamigny voninahisy lahibe gny nazeranao ireo izay nisanga hanohisy anao. Nalefanao gny fahatezeranao; nandevo anazy ireo manahaky gny mololo izay. 8 Tamigny fofonain'ny vavoronao gny nampiangona ireo rano; ireo rano mikoriana nizoro mahisy manahaky gny atota-draha; gny rano laliky dra gny nivaingana tagny amigny fanambanin'ny ranomasina. 9 Hoy gny fahavalo: ''Hagneziky zaho, hanambosy zaho, hizara izay babo zaho; gny fagniriako dra ho tateraky amin'izy ireo; hagnaboaky gny sabatro zaho; hanorotoro anazy ireo gny tagnako.'' 10 Nisoka tamigny rivosao hanao, dra nadrakoky anazy ireo gny ranomasina; niletiky manahaky gny firaky agnatin'ny rano mahery izy ireo. 11 Iza gny manahaky anao, ry Yaveh, eo amin'ireo Zagnahary? iza gny manahaky anao, manavoninahisy amigny fahamasigna, omevoninahisy amigny dera, manao fahagagana? 12 Nanizisy gny tagnanao akavana hanao, dra nitely anazy ireo gny tany. 13 Tao amigny fagnekenao sy mivaliky gny nitarihinao gny vahoaky izay navotanao. Tamigny tazakao gny nitarihinao anazy ireo tany amigny toerana masina izay nitoeranao. 14 Handre ireo vahoaky, dra hangovisy izy ireo; hanambosy ireo ponin'i Filistia gny horohoro. 15 Dra hatahosy ireo lahiben'i Edoma; ireo maramilan'i Moaba dra hihozongozo; gny ponon'i Kanana aby dra ho ketraky. 16 Gny horohoro vo gny tahosy dra hiazera amin'izy ireo, Noho gny herin'ny sandrinao, dra hazary hizano manahaky gny vato madram-piriosy gny vahoakinao izy ireo, ry Yaveh___mandram-piriosy ireo vahoaky navotanao. 17 Hinday anazy ireo hametraky anazy ireo egny an-tedrombohosy gny livanao hanao, ilay toerana, ry Yaveh, izay fa nataonao hitoboha, gny fitoboha masina, ry Tomponay, izay fa namboarin'ny tagnanao. 18 Hazaka nadrakizay doria Yaveh.'' 19 Fa ireo sovalan'i Farao dra nandeha nidray tamin'ireo Kalesiny vo ireo pitikisy sovalany tagny agnaty ranomasina. Magnery gny ranon'ny ranomasina tamin'izy ireo i Yaveh, Nefa ireo Israelita nandeha tamigny tany maina teo agnelagnelan'ny ranomasina. 20 Miriama ilay paminany vavy, anabavin'i Arona, nangalaky ampongatapaky, dra ireo apela aby niboaky nidray tamin'ny ampongatapaky, nisizaky nagnoriky anazy. 21 Nihira tamin'izy ireo Miriama ho: ''Mihira ho an'i Yaveh, fa nandresy amivoninahisy izy. Gny sovala vo gny pitikisy izay dra natorany tao agnaty ranomasina.'' 22 Dra nitariky gny Israely nanomboky teo amigny ranomasy Mena i Mosesy. Niboaky avy tao amigny afisy Sora izy ireo. Nandeha hateloana tagny agnefisy dra sy nahita rano izy ireo. 23 Dra avy tagny Mara izy ireo, nefa sy afaky nino gny rano tao satria nalailay izay. Dra nitokavin'izy ireo ho Mara izay toerana izay. 24 Dra nitaraina tamin'i Mosesy ireo vahoaky dra nizaka ho: ''ino gny azonay nomy?'' 25 Nitoka fatrasy an'i Yaveh i Mosesy, dra napiseho anazy hazo raiky i Yaveh. Nanoraky izay tao agnatin'ny rano Mosesy, dra lasa azo nomy gny rano. Teo gny nagnomezan'i Yaveh lalana hetitra anazy ireo, dra teo gny nisapany anazy ireo. 26 Hoy izy: ''Gny miteno soa gny feon'i Yaveh Zagnaharidrareo hadrareo, dra manao izay marina eo amasony, dra gny manongila-sofy amin'ireo didiny dra makato ireo lalany aby hadrareo___drasy misy ataoko amidrareo ireo arety izay nataoko tamin'ireo Egyptiana, fa izaho gny Yaveh izay magnasitra adrareo.'' 27 Dra ireo vahoaky avy tagny Elima, izay nisy loharano ro ambin'ny folo vo hazon-drofia fitopolo. Nitoby tagny teo agnilan'ny rano izy ireo.