Toko faha 14

1 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ka nanao ho: 2 ''Ambarao amin'ereo Israelita fa tokony hihery dra hitoby eo alohan'i Pi-Hahirota, eo agnelagnelan'i Migdola vo gny ranomasy, eo alohan'i Barala-Zefona izy reo.Tokony hitoby mariny eo ranomasy mifanandrify amin'i Pi-Hahirato iandrareo. 3 Fa hizaka gny amin'ereo Israelita i Farao ho:'Mirenireny voanigny tamberintany reo Israelita.Tampy tamin'ereo gny efisy.' 4 Hagnamafy gny fon'i Farao zaho, ka hagnendriky anazy reo izy.Hahazo voninahisy zaho noho gny amin'i Farao vo gny tafiny aby.Ka dra fatany reo Egyptiana fa Zaho gny Yaveh.''Koa dra nitoby araky ze natoro anazy reo gny Israelita. 5 Raha voalaza tamy mpazakany Egypta fa nandositry reo Israelita , dra namaliky gny sainy ttamy vahoaky i Farao vo reo mpanompony.Ho izy reo ho:''Fa ino itio nataosika itiotamy famela an'Israely andeha an-kalalaha sy hanompo asika?'' 6 Dra nagnoma gny kalesiny i Farao dra ninday gny tafiny niaraky taminazy. 7 Nangalaky kalesy voafily manoka eni-zato miampy reo kalesin'i Egypta hafa aby izy, niaraky taminazy manam-boninahisy tao amin'ereo aby. 8 Nagnamafy gny fon'i Farao , mpazakan'i Egypta i Yaveh,ka nagnendriky reo Israelita gny mpazaka.Dra fa lasa lavisy tamim-pandrese gny Israelita. 9 Fa nagnendriky anazy reo gny Egyptiana niaraky tamy sovala vo gny kalesin'ereo aby, reo mpitikisi-sovalany,dra gny tafiny.Trasin'ereo nitoby teo amorony ranomasy marinin'i Pi-Hahirota, teo alohan'i Bala-Zefona reo Israelita. 10 Raha nagnato mariny i Farao , dra niandrandra reo Israelita dra taisy.Nanao rodobe tafaran'ereo gny Egyptiana, ka raiki-tahosy izy reo.Nampitokaviny fatrasy tamin'i Mosesy ho:''satria se sy misy lolo agny Egypta, gny dra nandesinao ho maty atio antany efisy stiho zahay?Nanao akory gny nataonao tahaky anizao zahay, ka nandesinao niala tany Egypta? 12 sy zao se gny fa nizakanay taminao tagny Egypta? Ho zahay taminao ho:''Angao zahay amin'izao, ba hahafahanay miasa ho agny Egyptiana.'Soa ho anay avo koa niasa ho agny Egyptiana tahaky ze maty atio an'efisy atio.'' 13 Hoy Mosesy tamy vahoaky ho:''Ka matahosy .Mihandrasa dra ho hitandrareo gny famoze ze homen'i Yaveh ho andrareo amizao.Fa sy ho hitandrareo sasy reo Egyptiana zay hitandrareo androany. 14 Yaveh gny hialy ho andrareo, dra hiamby avo ndrareo.'' 15 Dra hoy Yaveh tamin'i Mosesy :''Nanao akory ianao ry Mosesy , gny bo mitoka anahy avo? Zakao reo Israelita ba handroso. 16 asandrato gny tehinao, ahijiro eo amy ranomasy gny tagnanao ka zarao ro zay, ba hahafahany vahoakin'Israely mamakivaky gny ranomasy amy tany maiky. 17 Sarovy fa hagnamafy gny fon'i Egyptianma zaho ka hagnendriky anazy reo izy.Hahazo voninahisy zaho noho gny amin'i Farao vo reo miaramilany, gny Kalesany, dra reo mpitikisi-sovalany aby. 18 Dra ho fatan'ereo Egyptiana fa zaho gny Yaveh raha nahazo voninahisy noho gny tamin'i Farao , reo kalesany, dra reo mpitikisi-sovalany .'' 19 Gny azelin'Agnahary, zay nandeha teo alohan'ereo Israelita , dra nifindra dra nangnao an-damosin'ereo . Nifindra laha teo anolon'ereo ry nangnao afaran'ereo gny andry raho. 20 Nangneo agnelagnelanigny tobin'i Egypta vo gny tobin'Israely gny andry raho.Raha mety ho an'ereo Egyptiana zay, Fa nagnazava gny hariva ho an'ereo Israelita, ka sy nisy andaniny nangnagny amy raiky hafa nandrisy gny hariva. 21 Nanondrosy gny tagnany teo amy ranomasy i Mosesy .Nampihemosy gny ranomasy tamy sioky-mahery laha tagny asignana Yaveh tamin'io hariva io ka namaliky gny ranomasy ho tany maiky.Taaaminizay gny nizara ro gny rano. 22 Nandeha tegny agnevonigny ranomasy teo amy tany maiky reo Israelita.Namoro irndry teo ankavana vo ankavin'ereo gny rano. 23 Nanondrosy anazy reo gny Egyptiana.Nanondrosy anazy reo nangneo agnevonin-dranomasy-reo sovala, kalesa, dra gny mpitikisi-sovalan'i Farao aby. 24 Saiky vao maraindraim-be , dra nagnety gny tafiky Egyptiana teo amy andrian'afo vo raho i Yaveh.Nahavy horohoro teo amin'ereo Egyptiana Izy . 25 Nisihoky gny kodiaran'ereo kalesy, dra mpitikisi-sovala.Koa dra hoy reo Egyptiana ho:''andeha isika handositry an'Israely, fa Yaveh gny mialy amisika ho anazy reo.'' 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy :''Ahijiro eo amy ranomasy gny tagnanao ba hihery hidoboky eo amin'ereo egyptiana,gny kalesin'ereo dra reo mpitikisi-sovalany gny rano.'' 27 Koa dra nahihin'i Mosesy teo amy ranomasy gny tagnany, dra nihery tamy laoniny zay gny fa avy gny maray.Nandositry tao amy ranomasy reo Egyptiana, dra nositonin'i Yaveh teo agnevon'ereo. 28 Nihery gny rano ka nanaro reo kalesy, reo mpitikisi-sovala dra reo tafiky aby ze nagnaraky gny kalesy tao agnatiny ranomasy .Sy nisy tafaboaky velo. 29 Kanefa, reo Israelita dra nagnisaky tany maiky teo agnevon-dranomasy.Rindry laha teo antagnany ankavana vo ankavia ho anazy reo gny rano. 30 Koa namozy an'Israely tamy tanany Egyptiana i Yaveh tamin'io andro io ,dra nahita faty Egyptiana teo amoron-dranomasy i Mosesy . 31 Fa gny nahita gny hery lahibe nampiasan'i Yaveh hanohera gny Egyptia gny Israely, dra nagnome voninahisy an'i Yaveh gny vahoaky , dra nino an'i Yaveh vo i Mosesy mpanompony nereo.