Toko faha 3

1 Dra nihery zahay dra nandeha tamigny lala magnagny Basana. Oga, gny pazakan'i Basana, avy gny nanafiky anay, izy vo reo vahoakiny aby, ba hialy ao Edrehy. 2 Hoy Yaveh taminahy ho: 'Ka matahosy anazy; akory fa nameko fandresena teo aminazy handrareo dra fa nametraky gny vahoakiny vo gny taniny aby teo ambany fahefandrareo Zaho. Hataondrareo aminazy ze nataondrareo tamin'i Sihona, pazakan'i Amorita, ze mipetraky agny Hesbona. 3 Ko namen'i Yaveh Zagnaharinay anay gny fandresena an'i Oga pazakan'i Besena, dra reo vahoany aby dra natoao teo ambany fahefanay. Nivononay avokoa ereo aby pandrapaha-sy nisy tavela sasy reo vahoany. 4 Nalanay avokoa reo tananay aby tamizay fotoa zay; sy nisy tana ze sy nalanay taminereo: tana enipolo__gny faris'i Argoba aby, gny fazakan'i Oga ao Basana. 5 Reo tanan'aby reo dra voaaro soa tamigny lalanigny manda abo, vavahady, dra hily fatrasy; afa-sy vohisy maro ze sy misy manda. 6 Niravanay tateraky ereo, manahaky gny nataonay tamin'i Sihona pazakan'i Hesbona, nirava tateraky reo tanan'aby__gny lelahy vo gny apela dra gny zaza. 7 Fa gny biby teza aby vo gny fanagna tao amireo tana reo koa, dra nalanay ba ho fanagnanay. 8 Tamizay fotoa zay gny nangalanay gny tany teo apelatagnan'ireo pazaka ron'i Amorita, ze tagny andafin'i Jordana, boak'ao amigny Lohasakan'i Arona hatragny amigny Tendrombohisy Hermona 9 (Tendrombohisy Hermona ze tonokany gny Sidoniana ho Senira, dra tonokany gny Amorita ho Senira) 10 vo reo tananigny tany lemaky aby, Gileada aby, dra gny Basana aby, gny lalan'aby magnagny Saleka vo Edrehy, reo tananigny fazakan'i Oga ao Basana." 11 (Tamireo sisa velo tamin'i Refaita, dra i Oga pazakan'i Basana raiky avo sisa tavela. Ingo! Gny fandriany dra fandria vy. Moa sy tagny Raba, tagny amize nonegnan'ireo taranak'i Amona ra zay? Sivy hakiho gny halavany dra efasy hakiho gny sakany, araky gny fomba fandresanigny olo.) 12 Gny tany ze nalanay ho fanagna tamizay fotoa zay tamin'i Aroera, ze teo amoronigny Lohasakan'i Arnona, gny asasaky gny havoanigny tanan'i Gileada, vo reo tanany dra fa nameko an'ireo Rebonita vo reo Gedita. 13 Gny Gileada sisa tavela vo Basana aby, gny fazakan'i Oga, dra nameko gny asasaky gny fokon'i Manase: reo faris'i Argoda aby, vo Basana aby. (zay faritany zay avo gny tonoka ho tanin'i Refaita.) 14 Jaira, taranak'i Manase, dra nangalaky gny faris'i Argoda aby hatramin'i Gesorita vo Makatita. Gny farisy aby, egny fa na dre i Basana aza, dra tonoka tamigny agnarany manoka ho: Havota-jaira, mandrak'androany.) 15 Nameko an'i Makira i Gileada. 16 Reo Robenita vo reo Gadita dra nameko gny tany manomboky eo Gileada dra hatragny amigny Lohasakan'i Arnona__gny agnevonigny lohasaka gny fari-taninigny farisy__dra hatragny amigny Renirano Jaboka, ze fari-taninigny taranak'i Amona. 17 Fari-taniny hafa avo koa gny tany lemaky gny lohasahan-dreniranon'i Jordana, manomboky eo Kireneta hatragny amigny Ranomasin'i Araba (zay dra: gny Ranomasin-sira) hatragny amireo hasanigny Tendrombisy Pisga asignana. 18 Nandidy andrareo zaho tamizay fotoa zay, nanao anizahoky ho: 'Yaveh zagnaharindrareo dra fa nagnome andrareo ty tany tihoky ba ho lova; handrareo, ze voaoma ho anigny aly aby, dra hita-pelia hita eo anoloan'ireo rahalahindrareo, reo olon'Israely. 19 Fa reo valindrareo, reo zanandrareo, vo reo didy fitezandrareo (Fataro fa mana didy teza maro be handrareo), dra hipetraky amireo tanandrareo ze fa nameko andrareo, 20 mandra-pagnomen'i Yaveh fisahara an'ireo rahalahindrareo, manahaky gny nataony andrareo, mandra-panagnan'ereo gny tany ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo anereo agny andafin'i Jordana; boak'eo handrareo, hihery ho agny amigny fanagnandrareo manoka ze fa nameko andrareo.' 21 Nandidy an'i Josoa zaho tamizay fotoa zay, nanao anizahoky ho: "Reo masonao dra fa nahita ze nataon'i Yaveh tamireo pazaka ro reo aby; Yaveh dra hanao manahaky anizay amireo fazaka ze hitandrareo aby. 22 Sy hatahosy anereo handrareo, akory Yaveh zagnaharindrareo gny hialy ho andrareo. 23 Nitalaho tamin'i Yaveh zaho tamizay fotoa zay, nanao anizahoky ho: 24 "O ry topoko Yaveh, nanomboky napiseho gny habeazanao vo gny tagnanao mahery tamigny panoponao Hanao; fa eza agnyandrefa na ety atany gny misy zagnahary afaky manao reo asa manahaky gny fa nataonao, vo reo asa mahery manahaky anizay? 25 Angao zaho hita, mitalaho aminao zaho, dra hahita gny tany soa ze agny andafin'i Jordana, gny havoa soanigny tana, dra Lebanona avo koa." 26 Fa nasiaky taminahy Yaveh noho hanao; sy niteno anahy Izy. Hoy i Yaveh taminahy: "Aoky ho apy anao tihiky ka mizaka maro aminahy momba anizay olo zay: 27 mekara agny atapon'i Pisga dra apagneteo agny andrefa, agny avarasy, agny asimo, dra gny asignana gny masonao; atio amigny masonao, akory sy hita an'i Jordana hanao. 28 Fa koa, apenaro i Josoa dra apaherezo vo hatazaho izy, akory izy gny handeha manoloa gny olony, dra izy gny hahaavy anereo handova gny tany ze ho hitanao." 29 Noho zay dra nizano tao amigny lohasaka apitan'i Beti-Peora zahay.