Toko faha 2

1 Dra nihery nanohy gny liany nagnagny agnefisy magnagny amigny Ranomasina Mena izahay, araky gny nizakan'i Yaveh taminahy; dra nandeha nihodikodiky gny tedrombohisy Seira nadrisy gny andro maro izahay. 2 Dra nizaka taminahy i Yaveh, nanao ho: 3 Fa apy gny fotoana lava nandehanadrareo nagnodikodiky ity tedrombohisy ity; fa mandehana magnavarasy. 4 Baikoy gny olo, manao ho: ''Mila mandalo gny sisi-tanin'ireo rahalahidrareo hadrareo, dragny taranak'i Esao, izahay monina agny Seira; hatahosy adrareo izy ireo. Noho izay mitadrema. 5 Ba sy hialy amin'izy ireo, fa sy homeko amigny tanin'izy ireo hadrareo, na dre tany era-paladia hamidran'ny tomboko aza; satria fa nameko an'i Esao ho fanagna gny tedrombohisy Seira. 6 Vola gny hivilianao sakafo amin'izy ireo, ba hahafahanao mihinana; vola avo koa gny hivilianao rano amin'izy ireo, ba hahafahanao misotro. 7 Satria Yaveh Zagnahariko dra nitahy anao tamigny asan'ny tagnanao aby; fa fatany gny fadehananao amign'ity tany efisy lahibe ity. Satria niaraky taminao Yaveh zagnaharinao nadritrizay efa-polo taona izay, ka sy ory gny anao vo hanao hanao.''' 8 Ko dra nandalo tagny amigny tanin'ireo rahalahisika isika, dra gny taranak'i Esao ze monin'agny Seira, lavisy gny lalan'i Araba, boak'agny Elata vo boak'agny Ezion-Gebera. Boak'eo nihery isika dra nandalo teo amigny lala magnagny amigny tany efis'i Moaba. 9 Hoy Yaveh Taminahy ho: 'Ka magnakorota an'i Moaba, dra ka mialy aminereo. Fa sy hameko anao ho fanagnanao manoka gny taniny, akory Ara fa nameko reo taranak'i Lota, ho fanagnan'ereo.' 10 (Nony tagny gny Emima faela, ze ferenena lahibe, maro an'isa, dra lava manahaky gny Anakita; 11 nitakary manahaky gny Refaita avo koa reo, manahaky an'ireo Anakita; fa tonokan'ireo Moabita ho Amima ereo. 12 Nony tagny avo koa reo Horita faela, saingy nitakarinigny taranak'i Esao ereo. Naringany sy ho eo anoloany ereo dra nitoby teo amigny toeran'ereo, manahaky gny nataon'Israely tamigny tany ze namen'i Yaveh anereo.) 13 "Amizao misangana dra mandehana agny amigny lohasakan-driaky Zareda.' 14 Dra gny andro nandehananay boak'agny Kadesi-Barnea hatragny amigny lohasakan-driaky Zareda, dra naharisy valo amby telo-polo tao. Tamizay andro zay gny nahalasa reo lelahy pialy tamin'io taranak'io teo amigny olo, araky gny nianianan'i Yaveh taminereo. 15 Fagnapinizay, nanohisy anizay taranaky zay gny tagnan'i Yaveh ba handringan'anereo sy ho eo amigny olo mandra-pahafatin'ereo. 16 Ko dra izao gny nitranga, gny fa maty reo lelahy pialy dra niala teo amireo olo, 17 dra nizaka taminahy i Yaveh, nanao anizahoky ho: 18 'Amizao hanao dra handalo an'i Ara, moron'i Moaba. 19 Gny fa magnariny gny tanin'i Amona hanao, dra ka magnakorota na hialy aminereo; fa sy hagnome andrareo gny taninigny vahoakin'i Amona ho fanagna zaho; akory fa nameko an'ireo taranak'i Lota ho fanagna zay.'" 20 (Zay avo koa dra takary ho tanin'i Refaita. Fa nony tao reo Refaita faela__fa reo Amonita nitoka anereo ho Zamzomita__ 21 firenena lahibe, maro an'isa, dra lava manahaky reo Anakita. Fa Yaveh nandringan'anereo sy ho eo anoloan'ireo Amonita, dra nitakarin'ereo dra napetrany teo amigny toeran'ereo. 22 Manahaky anizay koa gny nataon'i Yaveh tamin'i vahoakan'i Esao, ze nony tagny Seira, gny fa nandringa reo Horita sy ho eo anoloany ereo, dra nandroaky anereo gny taranak'i Esao dra nitoby teo amigny toeran'ereo mandrak'amizao. 23 Dra gny amireo Avita ze nony tagny amigny tana lavisy manahaky an'i Gaza, dra naringanigny Kaftorita, ze boak'agny Kaftora ereo, dra nony tao amigny toeran'ereo.) 24 "'Amizao misangana, mandehana amigny liandrareo, dra mandalova agny amigny lohasakan'i Arnona; ingo, natoloso eo apelatagnanao i Sihona gny Amonita, pazakan'i Hesbona, vo gny taniny. Sataro gny fanagnanao, dra mialia aminazy. 25 Amizao dra hanomboky hametraky gny tahosy vo horohoro hanao eo amireo olo ze ambaninigny lagnisy ray manotolo zaho; hahare vaovao momba anao ereo dra hatahosy vo hangorohoro nohonigny aminao.' 26 Nagniraky pinday hafasy boak'agny agnefis'i Kedemota zaho hagnagny amin'i Sihona, pazakan'i Hesbona, nindray tamigny zaka fihavana, manao anizahoky ho: 27 'Angao zaho handalo eo amigny taninao; fa magnaraky gny lalambe gny handehanako; dra sy hivily hiakavia na hagnavarasy zaho. 28 Vola gny hivilianako sakafo amonao, ba hahafahako mihina; vola gny hivilianako rano, ba hahafahako mono, angao avo zaho handeha; 29 araky gny nataonigny taranak'i Esao ze monin'agny Seira, vo reo Moabita ze monin'agny Ara taminahy; mandra-pitako an'i Jordana magnagny amigny tany ze omen'i Yaveh Zagnaharinay honay.' 30 Fa Sihona, pazakan'i Hesbona, dra sy hagnenga asika nandalo eo aminazy; akory Yaveh Zagnaharinao dra nagnamafy gny sainy vo nagnamafy ny fony, ba hahafahany mandresy anazy amigny herinao, ze fa nataony amizao. 31 Hoy Yaveh taminahy ho: 'Ingo, fa nanomboky nanolosy an'i Sihona vo gny taniny teo anoloandrareo Zaho; sataro gny fanagnany anizay, ba hahafahandrareo mandova gny taniny.' 32 Boak'eo Sihona avy nanohisy asika, izy vo reo vahoany aby, ba hialy agny Jahaza. 33 Fa natolos'i Yaveh Zagnaharisika tamisika izy dra zakasika; nivonosika ho maty izy, vo reo zanadahiny, dra reo vahoany. 34 Nalasika avokoa gny tanany aby tamizay fotoa zay dra naringasika tateraky gny tana aby__reo lahy sy vavy dra reo madiniky; sy nisy nangasika ho velo. 35 Gny biby teza azosika, nindray tamireo fanagna tao amigny tana avo gny nalasika. 36 Hatragny Aroera, ze agny amigny sisinigny lohasakan'i Arnona, dra hatragny amigny tana ze agny amigny lohasaka, dra hatragny amigny lalan'aby magnagny Gileada, dra sy nisy tana abo loasy ho asika. Yaveh Zagnaharisika dra nagnome fandrena ho asika tamireo fahavalo teo anoloasika. 37 Tagny amigny tanan'ireo taranak'i Amona avo gny sy nandehananao, mbamireo sisinigny renirano Jaboka aby, vo reo tananigny havoa__na teza na teza niraran'i Yaveh Zagnaharinay sy handehanasika.