Toko faha 4

1 Gny fa ren'Isboseta, zanadahin'i Saoly, fa maty tagny Hebrona i Abnera, dra lasa nalemy gny tagnany, dra nikorota gny Israely aby. 2 Dra gny zanadahin'i Saoly dra nana ro lahy ze kapitenin'ireo vandon'ireo maramila. Gny agnaranigny raiky dra Bana dra gny raiky hafa koa dra i Rekaba, zanadahin'i Rimona gny Berotita boak'amigny vahoak'i Benjamina (akory Berota avo koa dra nitakary ho isan'i Benjamina, 3 dra reo Berotita nisoaky tagny Gitaima dra nitoby tagny hatramizao fotoa zao). 4 Dra Jonatana, zanadahin'i Saoly, dra nana zanadahy malemy tomboky. Dimy tao izy gny fa avy tao Jezirela gny vaovao momban'i Saoly vo i Jonatana. Nandesinigny piteza anazy ba hienga izy. Kanefa raha nihazakazaky igny izy, dra nezera gny zanak'i Jonatana. dra lasa malemy. Mefiboseta gny agnarany. 5 Noho zay reo zanadahin'i Rimona gny Berotita, i Rekaba bo i Bana, dra lasa nandeha nandrisy gny hafananigny andro nagnagny amigny tragnon'i Isboseta, tamin'izy niala sasasy tamigny mitatao vovogna. 6 Tehandry gny apela piamby vatrangara igny raha naniva vary, dra Rekaba vo i Bana nandeha apahangina vo niriosy anazy. 7 Ko gny fa naheriloha tao amigny tragno ereo, dra nanafiky anazy dra namono anazy raha andry teo apandria tao amigny efitragnony izy. Boak'eo nitapahin'ereo gny lohany dra nandesiny zay, dra nandeha tegny amigny lala nandrisy gny hariva totolo nagnagny amigny Araba. 8 Nandesin'ereo tagny amin'i Davida tao Hebrona gny lohan'Isboseta, dra hoy ereo tamigny pazaka ho: "Ingo, tihoky gny lohanIsboseta zanadahin'i Saoly, fahavalonao, ze nifofo gny ainao. Amizao Yaveh dra namaly faty gny pazaka tamin'i Saoly vo reo taranany." 9 Dra i Davida namaly an'i Rekaba vo Bana rahalahiny, reo zanadahin'i Romina gny Berotita; hoy izy tamin'ereo ho: "Raha bo velo koa Yaveh, ze nagnafaky gny aiko tamigny korotan'aby, 10 gny fa nisy olo nizaka taminahy ho: 'Ingo, maty i Saoly,' mieriserisy fa minday vaovao soa izy, dra nisamboriko izy dra nivonako tagny Ziklaga. Izay gny valisoa nameko anazy nohonigny vaovaony. 11 Maiky fa, gny fa nisy lelahy namono olo sy mana-signy tao amigny tragnony manoka teo amigny fandriany, dra sy tokony hahaavy gny liony eo atagnandrareo ra zaho, dra manala andrareo eto atany?" 12 Boak'eo Davida nagnome baoko an'ireo tovolahy, dra namono anereo ereo dra nanapaky gny loha vo gny tombok'ereo dra nagnaton'anereo teo agnilanigny Kamory tao Hebrona. Fa nalan'ereo gny lohan'Isboseta dra naleviny tao amigny lolon'i Abnera tao Hebrona zay.