Toko faha 5

1 Boak'eo gny fokon'Israely aby nagnagny amin'i Davida tagny Hebrona dra nizaka ho: "Ingo, nofo vo tolanao zahay. 2 Vo sy ela akory, fony nazaka teo amisika i Saoly, dra hanao gny nitariky gny tafiky Israelita. Yaveh nizaka taminao ho: 'Hinday an'Israely vahoako hanao, dra ho lasa panapaky eo Amin'Israely."' 3 Ko avy tagny amigny pazaka tagny Hebrona reo loholon'Israely aby, dra i Davida pazaka nanao fagneke tamin'ereo teo agnatrehan'i Yaveh. 4 Nagnososy an'i Davida ho pazaka teo amin'Israely ereo. Telopolo tao i Davida gny nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny efapolo tao izy. 5 Tagny Hebrona dra nazaka teo amin'i Joda nandrisy gny fito tao sy enim-bola izy, dra tagny Jerosalema dra nazaka nandrisy gny telo amby telopolo tao teo amin'Israely vo i Joda aby izy. 6 Nandeha nagnagny Jerosalema gny pazana vo reo olony ba hanohisy reo Jebosita, reo pononigny tany. Hoy ereo tamin'i Davida ho: "Sy ho avy eto handrareo raha sy poaky vo gny mandringa gny hapiherin' anao. Sy afaky gny ho avy eto i Davida." 7 Na dre izay aza, dra nambabo gny ferova mafin'i Ziona, ze tanan'i Davida aminao i Davida. 8 Tamizay fotoa zay i Davida nizaka ho: "Reo ze nanafiky gny Jebosita dra sy maisy handalo amigny lalan-drano ba hihazo gny 'mandringa vo gny poaky' ze fahavalon'i Davida." Zay gny izakanigny olo ho: "Gny 'poaky vo gny mandringa' dra sy mahazo mailisy gny lapa." 9 Ko nony tao amigny ferova mafy i Davida dra nitoka anizay ho gny tanan'i Davida. Nohamafisiny gny magnodidin'anizay, boak'egny amigny lavarangy magnagny agnatiny. 10 Lasa natazaky be i Davida akory Yaveh, gny Zagnahariny gny maro, gny nindray taminazy. 11 Boak'eo Hirama pazakan'i Tyra nagniraky pinday hafasy, vo hazo sedera, pandrafisy, dra pamboasy tragno tagny amin'i Davida. Namboasy tragno ho an'i Davida ereo. 12 Fatas'i Davida fa nametraky anazy ho pazakan'Israely i Yaveh, dra fa nanandrasy gny fazakany nohonigny amin'Israely vahoany izy. 13 Boa'eo i Davida niala tao Hebrona dra nandeha tagny Jerosalema, nangalaky valitsindrano vo valy maromaro tagny Jerosalema izy, dra nisy zanadahy maro vo zanakapela maro naterany. 14 Tahoky aby gny agnaranigny zanaky naterany tagny Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 15 Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia, 16 Elisama, Eliada, dra Elifeleta. 17 Dra gny fa ren'ireo Filistina fa voahososy ho pazakan'Israely i Davida, dra niboaky izy aby ba hitalian'anazy. Nefa nahare momba anizay i Davida dra nandeha nizoso tagny amigny ferova fatrasy. 18 Dra avy reo Filistina dra niparitaky tagny an-Dohasakan'i Refaima. 19 Dra nila vozy tamin'i Yaveh i Davida. Hoy izy ho: "Tokony hanafiky reo Filistina ra zaho? Hagnome fandresena amin'ereo ra Hanao?" Hoy Yaveh tamin'i Davida ho: "Manafiha, fa hagnome fandresena hondrareo eo aminreo Filistina vatany Zaho." 20 Ko nanafiky tao Bala-Perezima i Davida, dra tao gny nandreseny anereo. Naneho hevisy izy ho: "Nisafoaky tamireo fahavaloko teo agnatrehako manahaky gny fisafiakigny safo-drano i Yaveh." Ko lasa Bala-perazima gny agnaranizay toera zay. 21 Nangan'ireo Filistina teo gny sapin'ereo, dra nandesin'i Davida vo reo lelahiny lavisy reo. 22 Boak'eo dra niakasy ndraiky reo Filistina dra niparitaky fagnindrony tegny an-Dohasakan'i Refaima. 23 Ko dra nitalia vozy tamin'i Yaveh ndariky i Davida, dra hoy Yaveh taminazy ho: "Ka manafiky gny manoloan'anereo hanao, fa hiodidigno boak'ao afarany ereo dra magnaton'anazy reo boak'eo amireo hazo balsama. 24 Gny fa mahare gny feon-diabe egny amigny rivosy misioky boak'eo ataponigny hazo balsama hanao, dra aoky hanafiky amin-kery. Atovy zay akory hiboaky meloha andrareo ba hanafiky gny tafik'ireo Filistina i Yaveh." 25 KO dra nanao araky ze nandidian'i Yaveh anazy i Davida. Nivonany nanomboky tagny Gaba dra hatragny amigny lalan'aby magnagny Gezera reo Filistina.