Toko faha 3

1 Dra nisy aly lava reny teo amigny akohonan'i Saoly vo gny akohonan'i Davida. Nihanahery hatragny i Davida, fa gny akohonan'i Saoly ko dra nihaosa hatragny. 2 Niteraky zanadahy tao Hebrona i Davida. Gny lahimatoa dra i Amnona, tamin'i ahinoama boak'agny Jezraela. 3 Gny zanadahiny faharo, dra i Kileaba, naterak'i Nabala boak'agny Karmela. Gny fahatelo, dra i Absaloma, zanadahin;i Maka, zanakapelan'i Talmay, pazakan'i Gesora. 4 Gny zanadahin'i Davida fahefasy, dra i Adonia, zanadahin'i Hagita. Gny zanadahiny fahadimy dra i Sefatia zanadahin'i Abitala, 5 dra gny fahaeny dra i Jitreama, zanadahin'i Egla valin'i Davida, Reo gny zanadahy naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Dra nandrisy gny aly eto amigny akohonan'i Saoly vo gny akohonan'i Davida dra niha-nahery tao atokatragnon'i Saoly i Abnera. 7 Saoly dra nana valisindrano atao ho Rizpa, zanakapelan'i Aia. Hoy Isboseta tamin'i Abnera ho: "Nagnino hanao gny nindray ndry tamigny valisindranon'drako?" 8 Dra ory fatrasy tamigny zakan'Isboseta i Abnera dra nizaka ho: "Lohan'amboa ze an'i Joda ra zaho? Anio zaho dra maneho fahatokia amigny akohonan'i Saoly, razambenao, amireo rahalahiny, dra amireo namany, ba sy hanolosy andrareo eo atagnan'i Davida. Fa amizao hanao dra miapanga anahy gny amigny fanovan-drasy mahakasiky aty apela ty? 9 Hataon'Agnahary aminahy anie zay, ry Abnera, dra mihoasy aza, raha sy hataoko amin'i Davida araky ze nianianan'i Yaveh taminazy, 10 gny hamindra gny fazaka boak'amigny akohonan'i Saoly vo Hagnory gny seza fiandrianan'i Davida eo amin'Israely vo eo amigny Joda, hatragny Dana dra hatragny Beri-sheba." 11 Sy nana zaka hafa havaly an'i Abnera sasy i Isboseta, akory natahosy anazy izy. 12 Boak'eo dra nandefa pinday hafasy nagnagny amin'i Davida i Abnera ba hizaka honazy manao anizahoky ho: "An'iza ty tany tihoky? Manova fagneke aminahy, dra ho hitanao fa homba anao gny tagnako, ba hinday gny Israely aby ho eo aminao." 13 Namaly i Davida ho: "Soa zay, hanao fagneke aminao zaho. Kanefa gny raha ze takeko aminao dra gny sy ahitanao gny tavako raha sy andesinao aloha i Mikala, zanakapelan'i Saoly, gny fa avy agnety anahy hanao." 14 Boak'eo i Davida nandefa pinday hafasy nagnagny amin'i Isboseta, zanadahin'i Saoly, nizaka ho: "Omeo anahy Mikala valiko, ze fa naloako vily tamigny lohasisinigny Filistina zato." 15 Noho zay Isboseta dra nangalaky an'i Makala dra nangalaky anazy tamin'i Paltiela valiny, zanadahin'i Laisy. 16 Nandeha niaraky taminazy gny valiny, nitomagny tegny apandehana, dra nagnoriky anazy hatragny Bahorima. Dra hoy Abnera taminazy ho: "Miheregna agny atragno amizao." Dra nihery izy. 17 Nizaka tamireo loholon'Israely i Abnera nizaka ho: "Taloha handrareo dra niezaky gny hanan'an'i Davida ho pazaka eo amindrareo. 18 Amizao atovy zay. Fa Yaveh fa nizaka tamin'i Davida nizaka ho: 'Amigny tagnan'i Davida panopoko gny hagnomezako gny Israely vahoako amigny tagnan'ireo Filistina vo amigny tagnan'ireo fahavalon'ereo aby." 19 Nizaka manoka tamigny olon'i Benjamina avo koa i Abnera. Boak'eo dra nandeha avo koa ba hizaka amin'i Davida ao Hebrona ba hagnazava gny raha aby ze irin'Israely vo gny akohoan'i Benjamina manotolo ho taterahy. 20 Gny fa avy tao Hebrona ba hiteno amin'i Davida i Abnera vo gny ropolo tamireo lelahiny, dra fa nagnoma lolo honazy reo Davida. 21 Dra Abnera nagnazava tanin'i Davida ho: "Hisanga zaho dra hamory gny Israely aby ho aminao, igny gny pazaka topoko, ba hafahan'ereo manao fagneke aminao, ba hahafahanao mazaka amize irinao aby." Dra nandefa an'i Abnera i Davida, dra Abnera niala tapedagna. 22 DRa avy agny am-panafiha gny maramilan'i Davida vo Joaba dra ninday babo maro nindray tamin'izy ireo. Kanefa Abnera dra sy nindray tamin'i Davida tagny Hebrona. Fa nandefa anazy Davida, dra niala tam-piadagna Abnera. 23 Gny avy Joaba vo ireo tafiky aby nindray taminazy, dra hoy izy ireo tamin'i Joaba ho: ''Avy teto amigny pazaka i Abnera zanak'i Nera, dra nalefan'ny pazaka izy, dra niala tam-piadagna i Abnera.'' 24 Avy eo dra avy eo amigny pazaka i Joaba dra nizaka ho: ''Ino gny nataonao? Ingo, i Abnera fa avy teto aminao! nanaoakory gny nalefanao izy, dra lasa? 25 Sy fatasao se fa i Abnera zanak'i Nera dra avy teto aminao ba hamitaky anao vo ba hahafatasy ireo tetikao dra hamatasy izay aby ataonao?'' 26 Gny nagnenga an'i Davida i Joaba, dra nagniraky pitondra akoasy nagnoriky an'i Abnera izy , dra nandesin'izy nereo nihery avi agny amigny famorian-dranon'ny Siraha izy, kanefa sy fatas'i Davida izay. 27 Raha nihery zaho ho agny Hebrona i Abnera, dra nandesin'i Joaba nihataky kely teo agnevonigny vavahady ba hizaka aminazy mangingina izy. Teo Joaba gny nanindron'anazy teo amigny troky dra nahafaty anazy. Tamizay fomba zay, gny namalian'i Joaba gny lion'i Rahalahiny. 28 Raha mahare gny momba anizay i Davida dra hoy izy ho: "Zaho vo gny fazakako dra sy mana-signy mandrakizay eo agnatrehan'i Yaveh mahakasiky gny lion'i Abnera zanak'i Nera. 29 Aoky gny heloky gny amigny lohan'i Joaba vo gny akohonan-drany aby. Sy ho afaky amigny fianavian'i Joaba anie gny olo ze misi-dio na gny areti-kodisy na ze mandringa dra sy maisy mamindra amigny tehiny na ze lavo-tsabasy na reo sy mana-ko-hany." 30 Izay gny nagnomezan'i Joaba vo Abisay rahalahiny an'i Abnera, akory namono an'i Asahela rahalahin'ereo tagny agnaly tao Gibeona izy. 31 Hoy Davida tamin'i Joaba vo reo olon'aby nindray taminazy ho: "Triato gny akazondrareo, manova akazo fandala, dra manova fandala manoloa gny fatin'i Abnera." Dra i Davida pazaka dra nandeha tao afaranigny faty tamigny dinganigny fandevegna. 32 Nalevin'ereo tao Hebrona i Abnera. Nitomagny vo nihiaky fatrasy teo amigny lolon'i Abnera gny pazaka, dra nitomagny avo koa gny olon'aby. 33 Nandala an'i Abnera gny pazaka dra nihira ho: "Tokony ho maty manahaky gny fahafatesanigny mola ra Abnera? 34 Sy nifaheny gny tagnanao. Sy nasiany rozo vy gny tombokao. Fa manahaky gny fahalavoanigny olo teo anoloan'ireo zanaky gny sy fahamarigna, gny nahalavo anao." Dra bo nitomagny anazy ndraiky gny olon'aby. 35 Avy napihina an'i Davida gny olon'aby raha bo atoandro gny andro, fa Davida niania ho: "Hataon'Agnahary aminahy anie zay, dra mihoasy aza, raha magnandra mofo na raha hafa zaho melohanigny hiletehanigny masoandro." 36 Sikarisy gny olon'aby gny alahelon'i Davida, dra nakasitrahan'ereo zay, araky gny fakasitrahany ze nataonigny pazaka aby. 37 Ko takasy gny olo vo gny Israely aby tamizay andro zay fa sy fagnirianigny pazaka gny hamono an'i Abnera zanadahin'i Nera. 38 Hoy gny pazaka tamireo panopony ho: "Sy fatandrareo ra fa andria vo olon'dehibe gny lavo agny Israely androany? 39 Fa osa zaho amizao, na dre pazaka voahososy aza zaho. Reo lelahy reo, reo zanadahin'i Zeroia, dra nahery setra loasy taminahy. Hamaly gny panao rasy anie Yaveh amigny fagnasazia anazy gny amigny faharasia, araky ze mendriky anazy."