Toko faha 3

1 Fa fantaro ijao: amin'ny andro farane die hisy ny fotôn-tsarotre. 2 Satria ny olo ho tia tégna, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tegna, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotre, ary tsy masina. 3 Tsy hanam-pitiavana ny fianakavene areo, mpanohitre, ho mpagnendrikendrike, tsy hahafehy tegna, hahery setra, tsy ho tia ny tsara. 4 Ho mpamadika areo, tsy misy eritreritre, mpagnambony tegna, tia fahafinaretana mihôtra noho ireo tia an'Andrimanitra. 5 Hanagna ny toetra hôtran'Andriamanitra ijy io, kanefa die handà ny herine. Mengà amin'ny olo io. 6 Satria ny saragny tamin'dreo die ny lelahy ijay miditre ao an-tokantrano ary mambabo ny viavy adala. Io ny viavy ijay tsy afaka amin'ny fahotana sy vôtarike amin'ny filàna samihafa. 7 Io viavy io die mianatra fehijay, kanefa tsy ho tonga amin'ny fahafantarana ny fahamarinana mihintsy. 8 Hôtran'ijany mandy koa i Jana sy i Jambra nitsangagna nanohitre an'i Mosesy. Tamin'ijane die nitsangagna mandy koa ny mpampianatra sandoke io hanohitre ny marina. Areo die lelahy simba fisaignana, tsy nankasitrahana tamin'ny finôna. 9 Fa tsy handroso lavitra ijy io. Satria ny hadalany die ho hita majava amin'ny olo manontolo, hôtranen'ny lelahy io. 10 Fa laha anareo koja, die efa nagnaraka ny fampenarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finôna, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana, 11 ny fagnenjehena, ny fijalena, ary ijay nitranga taminahe tagny Antiokia, tagny Ikonioma ary tagny Lystra. Niaritre ny fagnenjehana iaho. Avy amin'io rehetra io, die namonjy anahy ny Tompo. 12 Ijay rehetra te-hiaigna araka ny fomban'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy die ho enjehina. 13 Ny olon-dratsy sy ny mpisandoka die ho agny amin'ny ratsy kokoa hatragny. Areo die hitarika ny olon-kafa ho agny amin'ny lalan-diso. Ary areo tegnany die ho vôtarike amin'ijane. 14 Fa laha anareo koja, mitoera ao amin'ny javatra ijay efa nenaranareo sy ijay efa ninônareo mafy hoe avy amin'ija no efa nenaranareo. 15 Fantatrareo fa hatramin'ny fahajajana die efa nahalala ny asa soratra masina anareo. Areo io die hahavita hampahendry anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy kristy. 16 Ny Soratra Masina rehetre die avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Ijany die tombone ho an'ny fotôm-pampenarana, ho an'ny fanondrôna ny diso, ho an'ny fanitsiena, ary ho an'ny fampofagnana amin'ny fahamarinana. 17 Ijany die mba hahatonga ny lelahin'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomagna tanteraka amin'ny asa tsara rehetre.