Toko faha 2

1 Noho ijany anao, ry janako, mahareja ao amin'ny fahasoavana ijay ao amin'i Jesôsy Kristy. 2 Ireo raha niregnesinareo avy aminahy teo agnatrehan'ny vavolombelogna rahabe, die ankino amin'ny olo mahatoky ijay afaka hampianatra ny sasagny koa. 3 Miereta java-sarotra miaraka aminahy, hôtran'ny miaramila tsaran'i Jesôsy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo laha bola vôfandrik'ireo raharahan'ijao fiegnana ijao, ba hahafahany mampifaly ny lehibeny. 5 Ary, laha misy olo mifaninana hôtran'ny atleta, die tsy mandray ny satro-boninahitra ijy laha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika. 6 Ilaina ny fandresanan'ilay mpamboly ijay miasa mafy ny anjara vokatra vôlohany. 7 Saigno ny mahakasika ijay lajaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amin'ny raha manontolony. 8 Tsarovy Jesôsy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, ijay natsangagna tamin'ireo maty. Ijany die araky ny hafatry ny filajantsarako, 9 ijay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana hôtran'ny mpamono olo. Fa ny jakan'Andriamanitra die tsy vôfehy. 10 Noho ijany heretako ny raha manontolo hôn'ireo vôfidy, ba ho afaka handray ny fagnavotana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy mandy koa ijy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakijay. 11 Itoy jaka itoy die magneva hitokisana: ''Laha maty niaraka taminajy antsena, die ho velogna hiaraka aminajy mandy koa. 12 Laha miaritra antsena, die hanjaka hiaraka aminajy mandy koa. Laha mandà Anajy antsena, die handà antsena mandy koa Ijy. 13 Laha tsy mahatoky antsena, die hatoky fahijay Ijy, satria afaka mandà ny tegnany Ijy.'' 14 Ampahatsiahivo anajy ireo hatragny ireo raha ireo. Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra ijy ireo ba tsy hifamaly mahakasika ireo jaka. Noho io die tsy misy raha ilaina. Noho io die misy fahasimbana ho an'ireo ijay miteno. [Fagnamarihana: ny dika-teny saragny die mivaky hoe: ''Ampitandremo eo agnatrehan'Andriamanitra areo] 15 Ameo ny tsara avy aminao ba hagnomejana tegna hôn'Andriamanitra tahaka ilay ankasitrahina, mpiasa ijay tsy managna antony hahamegnarana, ijay mampianatra ny jakan'ny fahamarinana amin'ny tokony hônajy. 16 Elao ny jaka fagnatevatevana, ijay mitondra tsikelikely agny amin'ny faharatsem-pagnahy. 17 Ny vorian'ijy ireo die hiparitaka hôtran'ny bay mandôke. Eo agnivon'ireo Hymeneo sy Fileto. 18 Ijy ireo no lelahy tsy ba nahalala ny marina. Mijaka ijy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty die efa nitranga. Simbain'ijy ireo ny finôn'ny sasagny. 19 Na die ijany aja, ny fototra tsara lentike naorign'Andriamanitra die mijoro, Managna an'itoy soratra itoy: ''Ny Tompo die mahalala an'ireo ijay Anajy'' ary ''Ijay manontolo ijay manognona ny agnaran'ny Tompo die tsy mentsy miala amin'ny tsy fahamarinana.'' 20 Ao amin'ny tragnon'ny mpanakarena, die tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy mandy ny ao. Misy mandy koa ireo fitoeran'ny hajo sy tanimanga. Ny sasagny amin'ijy ireo die ho ampesaina amim-boninahitra, ary ny sasagny hômin'ny fagnalam-baraka. 21 Laha misy olo magnadio ny tegnany ho afaka ami'ny fahafaham-baraka, die fitoerana manan-kaja ijy. Ijy die vôtokagna, ilain'ny Tompony, ary vôomagna amin'ny asa tsara manontolo. 22 Milefasa an'ireo filàn'ny tanora. Mandrobeja fahamarinana, finôna, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo ijay nangaika an'ny Tompo amin'ny fo mafio. 23 Fa koja mandàva ny fagnotanena adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo. 24 Ny mpanompon'ny Tompo die tsy tokony mifampizizo. Fa koja tsy mentsy malemy fagnahy amin'ny manontolo ijy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25 Tsy mentsy ao amin'ny fahalemem-pagnahy no ampenarany ireo ijay manohitra anajy. Fa angaha Andriamanitra mety hagnome anajy ireo fibebahana hôn'ny fahalalana ny marina. 26 Mety hody indraike koa ny fisegnandreo ary handao ny fandriky ny devoly, laha efa avy nisamboriny tamin'ny sitrapony.