Toko faha 4
1
Iaho die magnome itiky didy hentitre itiky eo agnatrehan'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy, ijay hitsara ny velogna sy ny mate, ary noho ny fisehone sy ny fanjakane:
2
Mitoria ny teny. Mivognonà na amin'ny fotôgna na tsy amin'ny fotôgna. Magnanàra, mijaka mahare, mandrisiha, amim-paharetana sy ny fampenarana abiaby.
3
Satria ho avy ny fotôgna ijay tsy hatantejan'olo ny feon'ny fampenarana. Fa koja, areo die hisafidy mpampianatre hôn'aje araka ireo fagnirene manokagna. Ireo die hagnitikitike ny sofignan-dreo.
4
Hangala ny fitenoan-dreo amin'ny fahamarignana ireo, ary hivily ho agne amin'ireo angano.
5
Kanefa anareo, eritrereto tsara ny raha-abiaby. Ereto ny raha-sarotre; amboaro ny asan'ny evanjelista; tontosay ny fanompônareo.
6
Satria efa hatolotre sahady iaho. Efa avy ny fotôgna hiengako.
7
Iaho die efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hajakajaka iaho; efa nitanako ny finôna.
8
Ny satro-boninahitry ny fahanarignana die efa vôtokagna hôn'ahe, ijay homen'ny Tompo, ilay mpitasara marina, hôn'ahe amin'ijane andro ijane, ary tsy hôn'ahe rerike mandy, fa mandy koa hôn'ireo abiaby ijay efa nitia ny fiboahane.
9
Omeo ijay tsara abiaby avy aminao mba hiengana amin'ahe atiky malaky.
10
Satria i Demasy efa nandao an'ahe. Tiane ijao tontolo ijao ary efa nandeha tagne Tesalonika ijy. Kreska die negnagne Galatia, ary Titosy negnagne Dalmatia.
11
Lioka rerike mandy no miaraka amin'ahe. Alay i Marka ary indôsy ijy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa ijy.
12
Tykiko die nalefako tagne Efesosy.
13
Ilay lamba ijay nabelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, indôsy igne laha avy anao, ary ireo boky, indrindra ireo mifogno hoditre.
14
Aleksandro ilay mpanefe varahigna die nampiharihary asa ratsy rahabe tamin'ahe. Ny Tompo die hamaly an'aje araka ireo asane.
15
Anao mandy koa die tokone hitandrigna ny tegnanaoamin'aje, satria ijy die manohitra mahare ireo jakanay.
16
Tamin'ny ferovan-tegnako vôlohane, tsy nisy nanohagna an'ahe. Nefa koja, ny olo abiaby nandao an'ahe. Ôka mba tsy ho vôheloke amin'ijane areo.
17
Fa ny Tompo die nitsangagna teo akekiko ary nagnahery an'ahe mba, amin'ny alalako, ny fagnambarana die afake tontosaina tanterake, ary mba afake haharegny ireo Jentilisa abiaby. Iaho die avotre tamin'ny vavan'ny liogna.
18
Ny Tompo die hagnavotre an'ahe amin'ny asa ratsy abiaby ary hamonjy an'ahe amin'ny fanjakane agne an-dagnitre. Hôn'ajy anie ny voninahitra mandrakijay doria. Amena.
19
Atôvy veloma i Prisila, i Akoila, ary ireo havan'i Onesiforosy.
20
Erasto die nitoboke tao Korinto, fa i Trofimo die nilôjako fa narary ao Mileto.
21
Omeo ijay tsara indrindra avy aminao mba heviana alohakan'ny rirignina. Magnano veloma anao i Eolobolo, ary Poda mandy koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy abiaby.
22
Hiaraka amin'ny fagnahinao anie ny Tompo. Hôminareo anie ny fahasoavana.