Faha 4
1
Ary avy takeo de nitodika ary nanitra anà ôtran'ny ôla tairina amin'ny torimasony le anjely ze nikoragna taminà.
2
Ozy izy taminà hoe: "Ino no hitanao?" De ozy za hoe: "Mahita fagnanôvan-jiro vita amin'ny tegna volamena za, miaraka amin'ny fitôran-jiro akeo antampony. Misy lela fagnanôvan-jiro fito akeo aminazy ary misy fantsona fito akeo an-tampon'ny lahin-jiro isanisany.
3
Misy kakazon'oliva rôy agnila'zany, ny raika de amin'ny elan'ny tagnany ankavanan'ny fitôrana menaka ary ny raika hafa de amin'ny ilany ankave."
4
Noho zany de nikoragna tam'le anjely ze nikoràgna taminà ndre za. Ozy za hoe: "Ino no dikan'reo ra reo Tompoko?"
5
Namaly anà le anjely ze nikoragna taminà ary nagnano taminà hoe: "Tsy fantatrareo ma ny dikan'reo ra reo?" De ozy za oe: "Tsia, tompoko."
6
Noho zany de ozy izy taminà hoe: "Zao no tenin'i Yaveh tam'Zerobabela: Tsy amin-kery na amina tanjaka, fa amin'ny fagnahiko ozy Yaveh Tompon'ny maro.
7
Ino ma anao, ry tendrombotra gedabe? Ho tonga tany lemaka akeo agnolonan'i zerobabela anao ary hitondra ny vato atao tendrony izy mba hiorakoraka hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana ho am'zany!"'
8
Tonga taminà ny tenin'i Yaveh, magnano hoe:
9
"Nametraka ny fototr'ty tragno ty ny tagnan'Zarobabela ary hamita an'zany ny tagnany. De ho fantatrao fa Yaveh Tompon'ny maro no nagniraka anà hankaty aminao.
10
Iza ma no nagnano tsisy dikany ny andron'reo ra madinika reo? Hiravoravo 'reo ôla reo ary hahita ny vato pilao aigny antagnan'i Zerobabela. (Reo lahin-jiro fito reo no mason'i Yaveh ze nitazagna an'zao tontolo zao.)"
11
Ary avy takeo de nagnontany an'le anjely za hoe: "Ino ma reo kakazon'oliva rôy ze mitsangana akeo an-kave sy ankavanan'ny fagnanôvan-jiro reo?"
12
Nagnontany an'azy ndre za hoe: "Inona reo sampagna kakazon'oliva rôy ankekin'reo fantsona volamena rôy ze misy menaka volamena miraraka avy aminazy zareo?"
13
Avekeo de ozy izy taminà hoe: "Tsy fantatra ma hoe: ino reo?" Ozy za hoe: "Tsia, ry tompoko."
14
Noho zany de ozy izy hoe: "Reo ny zanaka vôhosotra menaka vaovao ze mitsagana magnolôna ny Tompon'zao tontolo daôly zao."