Faha 3

1 Ary avy takeo Yaveh de nagnatoro anà an'i Josoa le mpisorognabe ze nitsangana nagnolôna ny anjelin'i Yaveh sy satana nitsangana teo an-tagnana ankavanany mba hiampanga an'azy ho mpagnota. 2 Ozy le anjelin'i Yavehtam'Satana hoe: "Hiteny mafy anao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, ze nisafidy an'i Jerasolema ane hiteny mafy an'nao! Nga ma tsy forôgna notaritina tamin'ny afo ty?" 3 Niakanjo fitafena maloto Josoa raha nitsangana teo agnolônan'le anjely. 4 Nikoragna le anjely ary nitare tam'reo ze nitsangana teo agnolônany hoe: "Alao aminazy reo fitafena maloto." De ozy izy tam'Josoa hoe: "De, efa nalako taminao ny helokao ary nampiakanjôko akanjo tsara anao." 5 Ozy izy hoe: ôka zareo hametraka hamama madio akeo am'lôny!" De nametraka hamama madio teo ambony lôn'i Josoa zareo ary nampiakanjo an'azy tamin'ny akanjo madio raha nitsangana teo ankeky teo le anjelin'i Yaveh. 6 Ary avy teo le anjelin'i Yaveh nagnome baiko an'i josoa ary niteny hoe: 7 "Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Raha hande amin'ny lalako anao, ka hitandrina an'reo didiko, de hifehy ny tragnoko anao ary hiambina ny kianjako, satria avelako hande sy hiditra akeo am'reo ze mitsangana magnolôna Anà anao. 8 Tainô ry Josoa mpisorognabe, anao sy reo namanao ze mipetraka miaraka aminao! Fa famantarana reo ôla reo satria Za miitsy no hampiakatra ny mpanompoko le Ratsagna. 9 Avy zahavo le vato ze napetrako agnolônan'i Josoa. Misy maso fito amin'io vato tokana io, ary hagnano sikotra soratra Za_ zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro ary hagnala ny fahotana am'ty tany ty agnatin'ny indrai-andro Za. 10 Am'zany andro zany ny ôla tsiraikaraika de hagnasa ny mpiara-belona aminazy mba hipetraka ambanin'ny vôlobogny sy ambenin'ny kakazon'aviaviny. Zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro."