1
Magnaraka an'zany de nanopy ny masoko za ary natazagna leilà niaraka amina tady fandrefesana taigny an-tagnany.
2
Ozy za hoe: "Ande ho aiza anao?" De ozy izy taminà hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny lavany."
3
De lasana le anjely ze nikoragna taminà ary nisy anjely hafa nivôka mba hitseza an'azy.
4
Ozy le anjely faharô taminazy hoe: "Miazakazaha ary miresàha amin'igny gaondahy igny, lazao hoe: 'Hipetraka akeo amin'ny tanàna mivelatra i Jerosalema nohon'ny hamarôn'ny ôla sy reo biby akao aminazy.
5
Fa za de ho tonga manda afo magnodidigna an'azy ary ho voninatra akeo ampovôny Za; zany no lazain'i Yaveh.
6
Malakilaky! malakilaky! Milefasa ka miala aigny amin'ny tany avaratra, zany no lazain'i Yaveh, fa Za efa nampiely an'nareo ôtran'ny rivotra efatry ny lagnitra Zany no lazain'i Yaveh.
7
Eh! milefasa mankaigny Ziona, anareo ze mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylone!"'
8
Fa tafaran'ny nagnomezan'i Yaveh Tompon'ny maro voninatra anà sy ny nandefasany anà hanòtra an'reo firenena ze nandrava an'nareo; fa na iza na iza mikasika an'nareo de mikasika ny anakandriamason'Andriamanitra, rafa avy nagnano an'zany Yaveh de ozy Izy hoe:
9
"Za mintsy no hagninjitra ny tagnako amin'jareo ary de ho babo ho an'reo andevony zareo. De ho fantatrareo fa i Yaveh Tompon'ny maro no nagniraka anà.
10
"Mihirà ho amin'ny fifalena ry zanaka vavin'i Ziona, fa Za mintsy no ho tonga ka hitoby akeo aminareo zany no lazain'i Yaveh."
11
Avy akeo reo firenena matanjaka de hiaraka am'i Yaveh am'zany andro zany. Ozy izy hoe: "Ary de ho tonga vahôkako anareo, fa Hitoby akeo ampovônareo Za," ary ho fantatrareo fa Yaveh Tompon'ny maro no nagnirako anà.
12
Fa Yaveh hampandova an'i Joda araka ny tokony ho izy akaigny am'ny tany masina, ary hifidy ndre an'i Jerosalema ho an'azy.
13
Aza mitare, akeo agnatrn'i Yaveh ry nofo daôly fa nitsangana avy tao am'ny tôrany masina Izy!