Faha 1
1
Tamin'ny volana faha valo tamin'ny taona faharô nitondran'i Dariosa, de tonga tam'Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'i Ido, mpaminagny ny tenin'i Yaveh, milaza hoe:
2
"Sosy lôtra tam'reo razambenareo i Yaveh!
3
Lazao zareo hoe: 'Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Mitodé Aminà!, zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro de hitodika aminareo Za, ozy Yaveh tompon'ny maro.
4
Ôka anareo tsy ho salan'ny razambenareo ze nilazan'reo mpaminagny talô magnano hoe: "Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny ra tsy manjary ataonareo!" Fa tsy nitaino zareo ary tsy nagnaô Anà zany no lazain'i Yaveh.'
5
Reo razambenareo, aiza zareo? Aiza reo mpaminagny, hijanona aketo mandrakizay ma izy reo?
6
Fa ny teniko sy reo lalàko ze nandideko an'reo mpaminagny mpanompoko, tsy efa nihatra tam'reo razambenareo ma zany? Ka nibebaka zareo ary nagnano hoe: 'Araka ze efa nataon'i Yaveh Tompon'ny maro hatao aminay ze mendrika an'reo lalanay sy an'reo asanay, no nataony taminay.""
7
Tamin'ny andro faha efatra amby ropolo tamin'ny faharaikambefolon'ny volana, ze volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharô nitondran'i Dariosa, de tonga tam'Zakaria zanaka lehin'i Berekia zanaka lahin'i Ido, le mpaminagny ny tenin'i Yaveh, milaza hoe:
8
"Nahita tamin'ny alina za, ary, fa! nisy leilà raika nitikina sôvaly mena, ary takeo amin'ny kakazo rotra teo andôsaha izy, ary tafarany de nisy sôvaly mena, volontany miloko mena, ary sôvaly fotsy."
9
Ozy za hoe: "Ino reto ra reto, ry Tompo?" Avy teo de nisy anjely raika nikoragna taminà, nagnano ho: "Ho atoroko an'nao hoe ino reo ra reo."
10
Ary le leila ze nitsangana teo amin'ny kakazo rotra namaly ary nitare hoe: "Reo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny magnerana ny tany."
11
Namaly an'le Anjelin'i Yaveh ze nitsangana teo am'le kakazo rotra zareo, ozy zareo taminazy hoe: "Efa nirenireny nagnerana ny tany zahay; de ny tany daôly mbôla mipetraka sy mbôla mijanona."
12
De namaly le anjelin'i Yaveh ary nitare hoe: "Ry Yaveh Tompon'ny maro, vena no tsy hamindranao fo am'Jerosalema sy amireo tanànan'i Joda ze efa niharitra fahasosena izay fito polo taona zay?"
13
Namaly le anjely ze nikoragna taminà tamin'ny teny soa, sy teny fampaherezan'i Yaveh.
14
Ka niteny tamina le anjely ze nikoragna tamina hoe: "Magnantsova mafy ary milazà hoe: Zao no lazain'Yaveh Tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana leibe tam'Jerosalema sy tam'Ziona Za! Sosy mafy am'reo firenena ze milamina reo Za.
15
Raha mbôla kely ny hasoseko tam'reo de vao miha ratsy ny fahorenjareo.
16
Noho zany de zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: efa niverina tam'Jerosalema tamin'ny indrafo Za. Ho vôaorina akao agnaty ny tragnoko_ zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro ary ny tady de ho enjagnina am'Jerosalema!'
17
Magnantsova mafy ndre, magnano hoe: 'Zao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ho tondraka soa ndre reo tananako ary hampahery an'i Ziona ndre Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema ndre Izy."'
18
De nanopy ny masoko za ary natazagna tandroka efatra!
19
Nagnontany an'le anjely ze nikoragna tamina za hoe: "Ina reo?" Namaly ana izy hoe: "Reo no tandroka ze efa nagnaparitaka an'i Joda sy Israely ary Jerosalema."
20
Avy teo de nagnatoro mpagnano asa tagnana efatra taminà i Yaveh.
21
Ozy za hoe: "Ino no anton-den'reo ôla reo?" Namaly Izy ary niteny hoe: "Reo no tandroka ze nagnaparitaka an'i Joda mba tsy hoisy ôla afaka hanandratra ny lôhany. Fa reo ôla reo de tonga mba handrôka an'azy reo mba handrava ny tandrok'reo firenena ze nanandratra tandroka manòtra ny tanin'i Joda mba hagnaparitaka an'azy."