1
De nitodika za ka nanopy ny masoko, ka de nahita, indro horognan-taratasy magnembagna!
2
De ozy le anjaly taminà hoe: "Ino no hitanao?" De namaly za hoe: "Horognan-taratasy magnembagna no itako, roapolo hakiho ny halavany folo hakiho ny sakany."
3
De ozy izy tamina hoe: "Ty no ozogna ze mivôka magnerana an'zao tontolo zao, fa ny mpangalatra daôly de ho fongorina manomboka zao ze mivadika am'ze lazainy amin'ny andagniny, ary milaza fifantàna diso daôly de ho fongorina am'ze lazainy amin'ny ankilany, araka ny teninjareo izy reo.
4
"Ho avôkako zany, zany no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro hiditra akao an-dragnon'ny mpangalatra sy am'tragnon'ze mifànta diso amin'ny agnarako zany. De hipetraka akao an-dragnony ary handratra ny kakazony sy reo vatony."
5
De nivôka le anjely ze nikoragna taminà ka nitare taminà hoe: Andrandrao ny masonao ka jereo ze tonga akeo."
6
De ozy za hoe: "Ino igny?" De ozy izy hoe: "Harogna misy vata famarana igny tonga igny. Ty no helok'zareo am'tany irai-manontolo." (Fagnamarina: reo dikanteny talô sasagny sy ny ankamaroan'ny dikanteny am'zao de magnano hoe: heloky zareo. Ny lahatsoratra Hebreo magnano hoe: mason-jareo fa zany de noheverina ho fahadisona.)
7
De ozy nalana tamin'ny harogna ny firaka fandrakofana ary nisy veivavy tao ambanin'zany ze nipetraka tao!
8
De niteny le anjely hoe: "Faharatsena ty!" Natsipiny tao agnaty harogna ndre izy, ary natsipiny takeo am'le fisokafany le firaka fandrakofana.
9
De nanopy ny masoko ndre za, ary nahita veivavy rôy magnatogna anà, ary ny rivotra de tam'ny embagn'zareo, fa nanagna embagna salan'ny embagn'ny vaogna zareo. De nanondrotra ny harogna tagnelagnelagny ny tany sy ny lagnitra zareo.
10
Ka nitare tam'le anjely ze nikoragna taminà za hoe: "Ho ndesin-jareo mankaiza ma ny harogna?"
11
De ozy izy taminà hoe: "Hagnamboarana tempoly akaigny am'tanin'i Sinara zany, ka refa vita ny tempoly, de apetraka aigny am'fototra vôomagna."